2016
Ny fahafahantsika ho tonga ray aman-dreny
Jolay 2016


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, jolay 2016

Ny fahafahantsika ho tonga ray aman-dreny

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Nahoana no hampitombo ny finoanao an’ Andriamanitra sy hitahy ireo izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano ny fahatakarana ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe “Tena nilaina ny hahaterahan’ireo fanahy zanak’ Andriamanitra eto an-tany sy ny fananan’izy ireo fahafahana hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.” “Noho ny tanjona manan-danja indrindra nanaovana ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana dia mino aho fa ireo harena manan-danja indrindra eto an-tany sy any an-danitra dia ireo zanatsika sy ireo taranatsika.”1

Hoy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Mino ny fianakaviana isika ary mino ny zanaka. …

“‘… Ary Andriamanitra nitso-drano [an’i Adama sy i Eva] hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany’ [Genesisy 1:28]. …

“Izany didy izany dia tsy nohadinoina na natao an-jorom-bala ato amin’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany.”2

Na dia tsy isika rehetra aza no lasa ray aman-dreny eto amin’ity fiainana ity dia afaka mitaiza ny ankizy amin’ny sokajin-taona rehetra isika. Migoka ireo fitahiana amin’ny maha-isan’ny fianakavian’ny Ray any An-danitra antsika isika, ary mahatsapa ny fifaliana sy ny zava-tsarotra amin’ny maha-ao anatin’ny fianakaviana iray eto an-tany antsika. Ary ho an’ny olona maro dia miandry azy ireo any amin’ny mandrakizay ho avy ny andraikitra maha-ray aman-dreny.

Soratra masina fanampiny

Salamo 127:3; Matio 18:3–5; 1 Nefia 7:1; Mosesy 5:2–3

Tantara marina

“Maro ny feo eto amin’ izao tontolo izao ankehitriny izay manao tsinontsinona ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka na manoro hevitra ny hanemorana na hamerana ny zaza ao anatin’ ny fianakaviana iray” hoy ny loholona Andersen. Vao tsy ela akory izay ireo zanako vavy no nampiseho tamiko ny blaogy iray nosoratan’ ny reny Kristiana iray (izay tsy iray finoana amintsika) manan-janaka dimy. Hoy ny filazany: ‘[Raha lehibe ato] amin’ ity kolontsaina ity, dia tena sarotra ny mahita ny fomba fijery ara-baiboly ny amin’ ny maha-reny. … Ny toeran’ ny zanaka dia ambany lavitra noho ny fandrantoana fianarana. Ambany noho ny fitetezana izao tontolo izao, mazava ho azy. Ambany noho ny fahafahana mandeha mivoaka amin’ ny alina manao izay mahafinaritra anao. Ambany noho ny fanatsarana ny vatanao any amin’ ny toerana fitaizam-batana. Ambany noho izay mety asa anananao na irinao ho azo.’ Avy eo izy dia nanampy hoe: ‘Ny maha-reny dia tsy fialam-boly, fa antso. Tsy manangona zanaka ianao satria hoe hitanao fa mahafatifaty noho ny hajia izy ireny. Tsy hoe zavatra azonao atao rehefa mba manam-potoana kely iny ianao. Fa ny hanan-janaka no antony nanomezan’ Andriamanitra fotoana ho anao.’”3

Fanamarihana

  1. Dallin H. Oaks, “The Great Plan of Happiness,” Ensign, nôv. 1993, 72, 75.

  2. Neil L. Andersen, “Ireo zanaka,” Liahona, nôv. 2011, 28.

  3. Neil L. Andersen, “Ireo zanaka,” 28–29.

Eritrereto Ity

Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny fianakaviantsika eto an-tany amin’ny fianakaviantsika any an-danitra?