2016
Mandrakizay ny Fianakaviana
Aogositra 2016


Ho an’ny ankizy

Mandrakizay ny Fianakaviana

Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny famerenana ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’ny laoniny dia afaka hiaina mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika isika. Inona no tianao ao amin’ny fianakavianao? Araho ireto toromarika ireto hanaovana ity rojon-taratasy ity ho fankalazana ny fianakavianao.

  1. Aforeto in-droa ny taratasy iray mba hahazoanao taratasy miforotra lava iray.

  2. Manaova sarin’olona manakatra amin’ny tanany ny sisin’ilay taratasy.

  3. Hetezo ilay sarin’olona. Aza hetezana ny faritra hikasihan’ireo tanana amin’ny sisin’ireo taratasy.

  4. Sokafy ilay izy. Soraty na ataovy sary ny zavatra tianao amin’ny tsirairay ao amin’ny fianakavianao.

  5. Raha maro ny olona ao amin’ny fianakavianao dia manaova rojo maromaro ka atambaro izany!