2016
Mizara fifaliana mandrakizay
Aogositra 2016


Ho an’ny Zatovo

Mizara fifaliana mandrakizay

Anisan’ny zavatra tsara indrindra mahakasika ny filazantsara ny fahalalana ny drafitry ny famonjena. Manana ilay fahafahana tena tsara hiaraka amin’ny fianakaviantsika mandrakizay isika. Izany fahalalana izany dia manampy antsika hanana fanantenana rehefa mahatsapa ho tototr’izao tontolo izao isika. Ny Filoha Eyring dia mampianatra fa “Fantatry ny Raintsika any An-danitra ny ao am-pontsika. Ny tanjony dia ny hanome fifaliana ho antsika (jereo ny 2 Nefia 2:25). Ary nanao fanomezana ny Zanany Lahy Izy noho izany mba hahatanteraka ny fifaliana amin’ny famehezana ny fianakaviana izay mitohy mandrakizay. … Izany dia fanomezana azon’ny zanak’ Andriamanitra tsirairay tonga eto an-tany takiana.”

Izany fitahiana izany dia miantefa amintsika izay miaina amin’izao fotoana izao sy amin’ireo izay efa nodimandry—saingy amin’ny alalan’ny fanampiantsika irery ihany. Ireo razambentsika dia any amin’ny tontolon’ny fanahy amin’izao fotoana izao, miandry antsika hanomana ny anaran’izy ireo ka hanatanteraka ny ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo. Fa indraindray dia mety ho sarotra ny hanao ny asa ho azy ireo. Mety ho sahirana loatra isika, na koa mety mipetraka lavitra loatra ny tempoly ka tsy afaka mandeha any matetika.

Soa ihany fa misy fomba hafa ahafahantsika manampy ireo razambentsika, toy ny fanaovana ny asan’ny tantaram-pianakaviana, ny fampidirana anarana, na ny fiambenana zaza rehefa mandeha makany amin’ny tempoly ireo ray aman-drenintsika. Rehefa mitondra fanampiana isika dia manompo ny Tompo sady mitondra fanantenana fianakaviana mandrakizay ho an’ireo izay any ambadiky ny voaly.