2016
Ny fanantenana fitiavana amin’ny fianakaviana mandrakizay
Aogositra 2016


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Aogôsitra 2016

Ny fanantenana fitiavana amin’ny fianakaviana mandrakizay

Amin’ireo fanomezana rehetra izay nomen’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ho an’ireo zanany dia ny fiainana mandrakizay no lehibe indrindra (jereo ny F&F 14:7). Izany fanomezana izany dia ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany Malalany amin’ny maha fianakaviana. Ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra faratampony ihany, dia ny fanjakany selestialy, no hitohizan’izany fitiavan’ny fianakaviana voafehy izany.

Isika rehetra dia manantena ny hiaina fifaliana ao anaty fianakaviana feno fitiavana. Ho an’ny sasany amintsika dia fahatsapana mbola tsy niainantsika izany—fahatsapana izay fantatsika fa tena misy kanefa tsy mbola tsapatsika. Mety efa hitantsika izany teo amin’ny fiainan’ny hafa. Ho an’ireo sasany amintsika dia toa tena misy sy sarobidy kokoa ny fifankatiavan’ny fianakaviana rehefa nosarahin’ny fahafatesana amin’ny zanatsika na ny renintsika na ny raintsika na ny rahalahintsika na ny anabavintsika na ny ray aman-drenibe izay tiantsika sy malalantsika isika.

Isika rehetra dia samy efa nahatsapa avokoa ny fanantenana fa indray andro any isika dia afaka hahatsapa indray ilay fitiavana mafanan’ilay fianakaviana tena tiantsika sy tsy andrintsika ny hamihina azy indray.

Fantatry ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ny ao am-pontsika. Ny tanjony dia ny hanome fifaliana ho antsika (jereo ny 2 Nefia 2:25). Ary nanao fanomezana ny Zanany Lahy Izy noho izany mba hahatanteraka ny fifaliana amin’ny famehezana ny fianakaviana izay mitohy mandrakizay. Koa satria noravan’ny Mpamonjy ny famatoran’ny fahafatesana dia hitsangana amin’ny maty isika. Koa satria nanao sorona Izy hanonerana ny fahotantsika dia afaka ny ho lasa mendriky ny fanjakana selestialy izay toerana hamehezana mandrakizay ireo fianakaviana amin’ny fitiavana isika.

Nandefa an’i Elia Mpaminany tamin’i Joseph Smith ny Mpamonjy mba hamerina ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’ny laoniny (jereo ny F&F 110). Niaraka tamin’ireo fanalahidy ireo ny herin’ny famehezana, izay manolotra ny fanomezan’ Andriamanitra lehibe indrindra ho an’ny zanany—dia fiainana mandrakizay ao amin’ny fianakaviana voafehy miaraka mandrakizay.

Izany dia fanomezana azon’ny zanak’ Andriamanaitra tsirairay tonga eto an-tany takiana. Iray ampahatelon’ny zanany ara-panahy no nandà izany fanomezany izany tany amin’ny tontolon’ny fanahy. Vokatry ny tsy fahampian’ny finoana, ary avy eo ny fikomiana mivantana dia nisafidy ny tsy hahalala mihitsy ny fifaliana entin’ilay fanomezan’ny Ray any An-danitra, dia ny fianakaviana mandrakizay, izy ireo.

Ho antsika izay nandalo izany fitsapana lehibe izany tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana ary hita mendrika ny handray ny fanomezan’ny vatana mety maty, dia mbola tsy maintsy ataontsika ny safidy lehiben’ny fiainana mandrakizay. Raha notahiana isika ka nahita ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny dia afaka misafidy ny hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izay hahatonga antsika ho mendriky ny fiainana mandrakizay. Raha maharitra amin’izany fahatokiana izany isika dia hanamafy ny fanantenana sy ny fahatokiantsika ny Fanahy Masina fa ao amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika ary hiaina miaraka amin’ny fianakaviana mandrakizay any amin’ny fanjakana selestialy.

Ny olona sasany dia mety tsy hahatsapa fanantenana loatra ny hahazo izany fifaliana mandrakizay izany. Mety misy ray aman-dreny, zanaka, rahalahy, ary anabavy izay nanao safidy toa tsy hahamendrika azy ireo ny fiainana mandrakizay. Mety hanontany tena mihitsy aza ianao raha toa ka efa hita ho mendrika tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Nisy mpaminanin’ Andriamanitra iray nanolotra torohevitra ho ahy indray andro ka izany dia nitondra fiadanana ho ahy. Nanahy aho hoe ny safidin’ny sasany dia mety tsy hahatonga ny fianakavianay ho mandrakizay. Nilaza izy hoe: “Tsy ny tena olana no mampanahy anao. Miaina mba ho mendriky ny fanjakana selestialy fotsiny ianao dia hahafinaritra kokoa mihoatra ny azonao eritreretina ny momba ny fianakavianao.”

Ho an’ireo rehetra izay mihena ny fanantenany noho ny zavatra iainany manokana na ny vady aman-janany—na ny tsy fananany izany—dia zaraiko aminareo ny fijoroako ho vavolombelona fa: ny Ray any An-danitra dia mahalala sy tia anareo amin’ny maha-zanany ara-panahy anareo. Fony ianareo mbola niaraka taminy sy niaraka tamin’ny Zanany Lahy Tokana talohan’ity fiainana ity dia napetrak’ Izy Ireo tao am-ponareo ny fanantenana fa hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo. Noho ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay miasa ao aminareo ary noho ny Fanahy Masina izay mitarika anareo dia afaka mahatsapa ianareo ankehitriny ary hahatsapa any amin’ilay fiainan-ko avy ilay fitiavan’ny fianakaviana izay irian’ny Rainareo sy ny Zanany Malalany ho azonareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miaina ho mendriky ny fanjakana selestialy ianareo dia ho azonareo ilay fampanantenan’ilay faminaniana hoe “hahafinaritra kokoa mihoatra ny azonao eritreretina ny momba ny fianakavianao.”

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Hanombohana azy dia tantarao amin’ireo izay ampianarinao ny fotoana iray naha feno fankasitrahana anao noho ny fanantenana ny fianakaviana mandrakizay. Asao izy ireo hisaintsaina ireo fotoana izay nahatsapan’izy ireo fankasitrahana noho ny fianakaviana mandrakizay. Anontanio izy ireo raha toa ka te-hizara izany. Azonao atao avy eo ny manasa azy ireo hieritreritra fomba hivoarana ka hiainana ho mendrika kokoa ny fanjakana selestialy mba hahazoan’izy ireo ilay fampanantenan’ilay faminaniana hoe “hahafinaritra kokoa mihoatra ny azonao eritreretina ny momba ny fianakavianao.”