2017
Misiônera tsaratsara kokoa, mpampianatra tsaratsara kokoa
May 2017


Misiônera tsaratsara kokoa, mpampianatra tsaratsara kokoa

Nandray fiofanana mikasika ny fomba hahatongavana ho misiônera tsaratsara kokoa sy mpampianatra tsaratsara kokoa nandritra ny fampitana mivantana maneran-tany iray ny elder sy soeur miisa 71.000 eo ho eo izay manompo ao amin’ny misiôna miisa 422. Nisy fanovana nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nambara nandritra ilay fampiofanana. Misy fandaharam-potoana vaovao iray izay arahana isan’andro hanome fahalalahana bebe kokoa an’ireo misiônera hanovaova ny fomba hampiasany ny fotoany ary hanome azy ireo fahafahana bebe kokoa hampifanaraka ny toe-javatra iainany amin’ilay faritra izay hanompoany.

Ny tanjon’ilay fandaharam-potoana malalaka kokoa dia ny hanampy ireo misiônera hampitombo ny vokatra azo isan’andro, hametraka tanjona nentanim-panahy kokoa, hanao drafitra mahomby kokoa, ho salama kokoa, ary hampiasa ny fahafahana misafidin’izy ireo mba handraisany fanapahan-kevitra tsara ny amin’ny fomba tsara indrindra hampiasany ny fotoany. Izany ihany koa dia hamela azy ireo hiasa elaela kokoa any ivelan’ny tranony.

Ny fiovana hafa nambara dia ny fampihenana ny isan’ireo “indicateurs clés” izay ampiasain’ny misiônera mba hanaovany tatitra momba ny fivoarana eo amin’ny asany. Nampahatsiahivina an’ireo misiônera fa ny fitsipika rehetra ao amin’ny Torio ny filazantsarako dia manan-danja ka tokony hampiharina.