2017
Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy
May 2017


Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy

Isaky ny mahatsapa ianao fa asaina manao zavatra sarotra, dia eritrereto ny Tompo izay mijery tsara anao sy tia anao ary manasa anao hanaraka Azy.

Taona vitsivitsy lasa izay dia nantsoina ho filohan’ny Misiônan’i Spokane Washington izaho sy i Jaqcui vadiko. Sady natahotra izahay no faly rehefa niditra teo amin’ny sahan’ny misiôna nanoloana ilay andraikitra mba hiara-hiasa amin’ireo misiônera tanora marobe izay tena miavaka. Maro samy hafa ny fiavian’izy ireo ary vetivety dia lasa toy ny tena zanakay izy ireo.

Na dia tao tsara aza ny ankamaroan’izy ireo, dia nisy vitsivitsy tamin’izy ireo no nanana olana tamin’ny zavatra lehibe nandrasana tamin’izy ireo amin’ny antsony. Tsaroako nisy misiônera iray niteny tamiko hoe: “Filoha a! Tsy tia olona tsotra izao aho.” Nisy sasantsasany nilaza tamiko fa tsy nanam-paniriana izy ireo hanaraka ireo fitsipika mifehy ny misiônera izay somary hentitra. Sahiran-tsaina aho ary nanontany tena hoe inona no azonay atao mba hanovana ny fon’ireo misiônera vitsy ireo, izay tsy mbola nianatra ny fifaliana azo avy amin’ny fankatoavana.

Indray andro raha nitondra fiara nidina namakivaky saham-barim-bazaha tena kanto teo anelanelan’ny sisintanin’i Washington-Idaho ny tenako, dia nihaino ny horonam-peon’ny Testamenta Vaovao. Rehefa nihaino ilay tantara efa fantatro tsara aho momba ilay zatovolahy manan-karena, izay nanatona ny Mpamonjy mba hanontany hoe inona no tokony hataony mba hahazoany ny fiainana mandrakizay, dia nandray fanambarana ho an’ny tenako manokana aho izay tsy nampoizina kanefa tena lalim-paka ary lasa fahatsiarovana masina ho ahy izany ankehitriny.

Rehefa nandre an’i Jesoa nitanisa ireo didy aho sy nandre ilay zatovolahy namaly hoe efa narahiny avokoa ireo zavatra rehetra ireo hatramin’ ny nahakely azy, dia nohainoko ny fanitsiana nataon’ny Mpamonjy tamin’ny hatsaram-panahy hoe: “Diso zavatra iray loha hianao: … amidio izay rehetra anananao, … ary avia hanaraka Ahy.”1 Kanjo gaga aho, fa ny zavatra reko kosa dia teny anankivalo talohan’izany ampahany amin’ilay andininy izany izay toa tsy mbola reko na novakiko mihitsy hatrizay. Toy ny hoe nampiana ho ao amin’ny soratra masina izany izy ireo. Nahalanjona ahy ilay fahatakarana nentanim-panahy izay nipoitra avy eo.

Inona ary ireo teny anankivalo izay nisy akony lehibe ireo? Henoy ary dia ho hita raha vitanareo ny mamantatra ireo teny toa mahazatra ireo, izay tsy hita ao amin’ny fitantarana ny Filazantsara hafa raha tsy ao amin’ny Filazantsara araka an’i Marka irery ihany:

“Nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona … ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?

“Ary hoy Jesoa taminy: …

“Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao.

“Ary hoy izy … : Mpampianatra ô, izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.

Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha hianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.”2

“Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy.

Rehefa nandre ireo teny ireo aho, dia nisy sary mazava tsara tao an-tsaiko naneho ny Tompo nijanona sy nijery tsara io zatovolahy io. Nijery tsara, toy ny hoe nibanjina lalina sy niditra hatrany anaty fanahiny, ka nahafantatra ny hatsarany sy ny zavatra mety ho vitany, ary koa nahita izay tena nilainy indrindra.

Avy eo dia ireto teny tsotra ireto no tohiny: Jesoa dia tia azy. Nahatsapa fitiavana sy fitserana lehibe ho an’ity zatovolahy vanona ity Izy, ary noho ny fitiavany, sy tamin’ io fitiavana io, dia mbola nangataka zavatra fanampiny taminy aza i Jesoa. Nataoko sary an-tsaina ny mety ho fahatsapan’io zatovolahy io hoe heniky ny fitiavana lehibe toy izany, eny fa na dia nangatahina hanao zavatra tena sarotra aza, dia ny mivarotra izay rehetra ananany sy hanome izany ho an’ny malahelo.

Tamin’io fotoana io, dia nahafantatra aho fa tsy ny fon’ireo misiôneranay sasantsasany fotsiny ihany no nila fiovana. Fa ny foko ihany koa. Tsy toy izao intsony ny fanontaniana mipetraka: “Inona no hataon’ny filohan’ny misiôna iray sahirana mba hanatsarana ny fitondrantenan’ny misiônera iray izay manana olana?” Fa ny fanontaniana mipetraka kosa dia hoe: “Ahoana no ahafahako ho lasa feno fitiavana tahaka ny an’i Kristy, mba ahafahan’ny misiônera iray mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny alalako ka hananany faniriana hiova?” Ahoana no ahafahako mijery azy tsara tahaka ny nijeren’ny Tompo ilay zatovolahy, sy mahita azy ireo amin’ny maha tena izy azy ireo sy amin’izay mety hahatongavan’izy ireo, fa tsy amin’izay zavatra ataony na tsy ataony fotsiny ihany? Ahoana no ahafahako ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa?

“Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy.”

Nanomboka teo, rehefa nanoloana misiônera iray izay nanana olana amin’ny fankatoavana aho, dia nahita tao am-poko zatovolahy na zatovovavy mahatoky izay nanatanteraka ny faniriany hanao asa fitoriana. Avy eo aho dia afaka nilaza tamin’ny fahatsapana rehetra izay mety hananan’ny ray aman-dreny feno fitiavana manao hoe:3 “Ry Elder na Soeur, raha tsy tia anao aho, dia tsy ho niraharaha izay zavatra mitranga amin’ny asa fitoriana ataonao. Kanefa aho tena tia anao, ary satria tiako ianao, dia miahy ny amin’izay ahatongavanao aho. Noho izany dia manasa anao aho hanova ireo zavatra izay sarotra aminao ka ho lasa ilay olona izay tian’ny Tompo hahatongavanao.”

Isak’izay hanao dinidika amin’ny misiônera aho, dia mivavaka aloha mba hananako fiantrana sy mba hahafahako mahita ny elder sy ny rahavavy tsirairay tahaka ny fahitan’ny Tompo azy.

Mialoha ireo fihaonambem-paritra, rehefa miarahaba ny misiônera tsirairay izaho sy ny Rahavavy Palmer, dia mijanona kely aho ary mijery lalina azy ireo amin’ny masony, mijery tsara azy ireo, ka manadihady ny ao am-pony, ary avy eo dia azo antoka tanteraka fa heniky ny fitiavana lehibe ho an’ireo zanaka sarobidin’ Andriamanitra ireo aho.

Nianatra lesona maro izay nanova ny fiainako aho tamin’izany zavatra niainako manokana avy amin’ny Marka toko faha-10 izany. Ireto ny lesona efatra amin’izany izay inoako fa hanampy antsika tsirairay:

  1. Rehefa mianatra ny mijery ny hafa tahaka ny fahitan’ny Tompo azy ireo isika fa tsy amin’ ny fijerintsika manokana, dia hitombo ny fitiavantsika azy ireo ary toy izany koa ny faniriantsika hanampy azy ireo. Hahita ny fahafahan’ny hafa ho lasa lavitra isika, izay mety tsy ho hitan’izy ireo akory. Rehefa manana fitiavana araka an’i Kristy isika dia tsy hatahotra ny hiteny amim-pahasahiana, satria “ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra.”4 Ary tsy hilavo lefona mihitsy isika, rehefa mahatsiaro fa ireo izay tena sarotra tiavina no tena mila fitiavana indrindra.

  2. Tsy misy fampianarana na fianarana tena izy ho vita ao anatin’ny fahasorenana sy fahatezerana, ary tsy hiova ny fo rehefa tsy eo ny fitiavana. Rehefa manatanteraka ny andraikitsika isika, na amin’ny maha-ray aman-dreny izany, na amin’ny maha-mpampianatra, na amin’ny maha-mpitarika, dia tsy hisy mihitsy ny tena fampianarana, raha tsy ao anatin’ny tontolo feno fahatokisana ihany fa tsy tontolo feno fanamelohana. Ny tokantranontsika dia tokony ho toeram-pialofana azo antoka hatrany ho an’ireo zanatsika, fa tsy toerana tsy mahatamàna tsy akory.

  3. Tsy tokony hoesorina mihitsy ny fitiavana rehefa misy zanaka na namana na fianakaviana izay tsy miaina araka izay andrandraintsika aminy. Tsy fantatsika ny zava-nitranga tamin’ilay zatovolahy taorian’ny nandehanany tamin’alahelo, kanefa izaho mahatoky fa mbola tia azy tanteraka i Jesoa na dia nisafidy ny lalana tsotra kokoa aza izy. Angamba amin’ny fiainany ao aoriana, rehefa hitany fa zava-poana ny harem-beny, dia mety nahatsiaro izy ka nanao araka ilay traikefa miavaka izay niainany rehefa nijery tsara azy ny Tompo, ka nitia azy, ary nanasa azy hanaraka Azy.

  4. Satria tia antsika Izy, dia miandrandra zavatra maro avy amintsika. Raha manetry tena isika, dia horaisintsika ho porofon’ny fitiavany tanteraka antsika ny fanasan’ny Tompo antsika mba hibebaka sy hahafoy tena ary hanompo. Rehefa dinihina, ny fanasana mba hibebaka dia fanasana ihany koa handray ny famelan-keloka sy fiadanana izay fanomezana mahagaga. Noho izany: “aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony hianao; Fa izay tian’i Jehovah no faizany.”5

Ry rahalahy sy anabaviko malala isany, ankehitriny isaky ny mahatsapa ianao fa asaina manao zavatra sarotra: miala amin’ny fahazaran-dratsy na fiankinan-doha, mamela ny fanarahana ny zavatr’izao tontolo izao, mamoy ny fanaovana zavatra iray mahafinaritra satria Sabata ny andro, mamela olona iray izay nanao ratsy taminao, dia eritrereto ny Tompo izay mijery tsara anao sy mitia anao ary manasa anao hamela ny zavatra hafa rehetra ka hanaraka Azy. Ary misaora Azy noho ny fitiavany anao izay ampy hanasany anao hanao misimisy kokoa.

Mijoro vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, ary miandrandra ilay andro izay hamihinany antsika tsirairay amin’ny sandriny, mijery tsara antsika ary mandrakotra antsika amin’ny fitiavany izay tanteraka. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.