2017
Loholona Brian K. Taylor
May 2017


Loholona Brian K. Taylor

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Elder Brian K. Taylor

I Brian King Taylor dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 1 aprily 2017.

Ny Loholona Taylor dia teraka tamin’ny 1964 tao Ogden, Utah, Etazonia, zanak’i Lowell Moon sy i Marie King Taylor. Lehibe tany akaikikaikin’i Kaysville izy, zaza fahefatra tao amin’ny fianakaviana iray nisy zanaka dimy izay tia nanjono sy nanao fanatanjahan-tena.

Nahazo vatsim-pianarana hilalaovana basketball tao amin’ ny Utah State University tao Logan Utah i Craig zokiny lahy, ary niezaka nanapa-kevitra raha toa ka handeha hanao asa fitoriana na hanohy ny asany tao amin’ny oniversite.

“Indray alina rehefa nisakafo dia hoy aho [taminy] hoe -E! raha mandeha manao asa fitoriana ianao dia handeha hanao asa fitoriana aho-” hoy ny Loholona Taylor nitantara. Samy nanompo avokoa izy mirahalahy, ary ny Loholona Taylor dia nandeha tany amin’ny Misiônan’i Seville Espagne.

Talohan’ny asa fitoriany dia nilalao tao amin’ny ekipa mpilalao basketball an’ny Brigham Young University ny Loholona Taylor nanomboka tamin’ny 1982 ka hatramin’ny 1984 niaraka tamin’i Devin G. Durrant, izay mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany amin’izao fotoana izao.

Nihaona tamin’i Jill Featherstone, ilay ho vadiny ihany koa izy tao BYU. Nampianatra ny kilasin’ny fotopampianaran’ny filazantsara tao amin’ny paroasin’ny mpianatra nisy azy izy. Rehefa nasain’ny anadahiny ny Filoha Taylor dia nitsidika ny kilasiny ka nihaona taminy. Lasa nisy tantaram-pitiavana nandrobona teo amin’izy ireo, ka nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 30 aprily 1987. Manan-janaka fito izy ireo.

Rahavavy Taylor no vavitokana tamin’ireo zanaka fiton’ ny Loholona Vaughn J. Featherstone, izay Manampahefana Ambony nisaorana tamim-boninahitra, sy Rahavavy Merlene Featherstone. “Olona tena nahay nandray tsara sy tsara fanahy tsotra izao izy ireo,” hoy ny Loholona Taylor raha niresaka ireo havam-badiny. “Nahatsapa ho tiana avy hatrany aho.”

Noho ny fananany mari-pahaizana maîtrise avy tao BYU dia nanangana orinasa maromaro ny Loholona Taylor, ka tafiditra ao anatin’izany ny orinasa iray izay nanamboatra logiciel handrindrana ireo antso vonjimaika teo amin’ireo orinasa misahana ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.

Efa mpampianatra institiota, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, filohan’ny Zatovolahin’ny paroasy, filohan’ny tsatòka izy, ary tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Fitopololahy dia filohan’ny Misiônan’i Texas Dallas izy.