2010–2019
Manompo
Aprily 2018


Manompo

Hampihatra fomba iray vaovao kokoa sy masina kokoa hikarakarana sy hanompoana ny hafa isika.

Misaotra anareo ry Loholona Gong sy Loholona Soares tamin’ny fanehoam-pinoanareo vokatry ny fo. Tena feno fankasitrahana ihany koa izahay ny aminareo sy ny vadinareo.

Ry rahalahy sy anabavy malala, mikatsaka fitarihana tsy tapaka avy amin’ny Tompo izahay ny amin’ny fomba ahafahantsika manampy ireo mpikambantsika hitandrina ireo didin’ Andriamanitra, indrindra fa ireo didy roa lehibe ny hitia an’ Andriamanitra sy ireo namantsika.1

Amam-bolana maro no nikatsahanay fomba iray tsaratsara kokoa hanompoana hamaliana ny filana ara-panahy sy ara-batan’ireo olontsika amin’ny fomban’ny Mpamonjy.

Nanao fanapahan-kevitra izahay ny hiala amin’ny fampianarana sy ny famangiana isan-tokantrano araka izay nahafantarantsika azy ireny. Ho solony dia hampihatra fomba iray vaovao kokoa sy masina kokoa hikarakarana sy hanompoana ny hafa isika. Ireny ezaka ireny dia antsointsika hoe “manompo.”

Ireo ezaka fanompoana mahomby kokoa dia tontosaina amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavana voajanahary ananan’ireo ranabavy sy ny hery tsy manan-tsahalan’ny fisoronana. Ilaintsika rehetra ny fiarovana toy izany amin’ireo fanangolen’ilay fahavalo.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Rahavavy Jean B. Bingham, Filoha Maneran-tanin’ny Fikambanana Ifanampiana dia hanazava ny fomba fiasan’ireo rahalahy voatondro ao amin’ny fisoronana sy ireo ranabavy voatondro ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, manomboka izao, ny amin’ny fanompoana sy ny fiahiana ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy no mikambana amin’ny fankatoavana ireo hafatr’izy ireo. Amim-pankasitrahana sy amim-bavaka no hanokafantsika ity fizarana vaovao ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana ity. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.