2020
“[Tompo ô,] mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako”
Jona 2020


Hafatra ho An’ireo Mpitarika ao amin’ny Fisoronana eto An-toerana

“[Tompo ô,] mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako”

“Indraindray ny maro amintsika dia manontany tena raha ampy ny finoantsika, na manahy fotsiny tsotra izao raha toa isika ka manam-pinoana marina.”

Taona maro lasa izay dia nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo iray aho izay nihirana ilay fihirana ao amin’ny pejy 84 hoe “Ô ry Ray”, ary toa niteny mivantana tamiko ireto teny manaraka ireto:

Noho ‘lay tanjona lehibe

No nalehantsika ety

Tsy navela ho tsaroako

Izany fiainako tary.

Misy bitsika milaza

Fa vahiny aho ety

Toera-masina nisy ahy

Alohan’ny dia tety.1

Mino aho fa maro amintsika no afaka mampifandray ny tenany amin’ny tonon’io fihirana io. Misy fotoana izay hibitsihan’ny zavatra iray tsy fantatra amintsika izany, hoe vahiny isika ety. Nijery ny mason’ny maro tamin’ireo rahalahiko sy anabaviko aho, na tato am-piangonana na tany ivelany, ary nahatsapa fa efa fantatro tany amin’ny toeran-kafa izy ireo. Raha ny marina dia efa nisy fotoana nandalovako teo akaikin’ny olona iray, dia nijanona sy niverin-dalana aho ka nanontany hoe: “Mifankalala ve isika.”

Mahafantatra isika rehetra fa talohan’ny nankanesantsika teto an-tany mba honina eto dia niara-niaina tamin’ny Raintsika any An-danitra isika. Nihiakam-pifaliana isika rehefa nampahafantarina mikasika ilay fahafahana be voninahitra mba hankety an-tany! Amin’izao fotoana maha-eto an-tany antsika izao, ary indrindra fa amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia manana ilay tombontsoa masina amin’ny fahafantarana fa afaka tokoa ny hiverina any amin’io “Toera-masina” io isika. Ny vaovao mahafaly dia miandry ny fiverenantsika amim-pandresena Izy. Ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo no zavatra iray takin’izany.

Tsy maintsy hisy andro izay hahatsapana fa toy ny hoe maharitra sy mandreraka ny dia, kanefa rehefa manana finoana mafy orina isika dia manana fahafahana ny ho tody soa amin’ny fiverenantsika any. Maro tokoa ireo fotoana izay nihaonantsika tamin’ny hafa nandritra ilay dia izay nametraka ilay fanontaniana hoe: “Fa maninona ety aho, ary rehefa mifarana ny fiainako dia ho aiza aho?” Namaly io fanontaniana io ny Mpamonjy rehefa nilaza hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”2

Avy eo dia mety hanontany ny olona iray hoe: “Ahoana no hikolokoloako na hampitomboako ny finoako an’i Jesoa Kristy Tompo?” Ilay raim-pianakaviana ao amin’ny Marka 9:24 dia nihiaka hoe: “[Tompo ô,] mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako.” Mino aho fa indraindray ny maro amintsika dia manana fahatsapana tahaka ny an’io raim-pianakaviana io: indraindray isika dia manontany tena raha ampy ny finoantsika, na manahy fotsiny tsotra izao raha toa isika ka manam-pinoana marina. Te handroso zavatra tsotra vitsivitsy izay azontsika atao aho mba hampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Manàna faniriana

Mianatra isika ao amin’ny Almà 32:27 fa “. . . na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ ny ampahany amin’ ny teniko.” Mihoatra lavitra ny nofinofy fotsiny izany. Izy io kosa dia fananana fahatsapana mahery vaika hoe te hahazo zavatra iray, ary eto izy dia faniriana ny hanana finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Toy izao no nilazan’ny Filoha Russell M. Nelson mpaminany malalantsika izany vao tsy ela akory izay: “Rehefa miresaka momba ny finoana isika—ilay finoana izay afaka mamindra tendrombohitra—dia tsy miresaka finoana amin’ny ankapobeny fa ilay finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Afaka mihamatanjaka ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo rehefa mianatra momba Azy sy miaina araka ny fivavahantsika isika. Nataon’ny Tompo hanampiana antsika hampitombo ny finoantsika ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.”3

Halalino ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly velona

Afaka ny hitombo ary hitombo ny finoantsika rehefa miezaka ny handalina ny soratra masina isan’andro isika ary rehefa miezaka ny hahalala tsara ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôliny. Fony aho zazalahy teo am-pitomboana, dia niara-nipetraka tamin’ny renibeko. Sady tsy nahay namaky teny izy no tsy nahay nanoratra, kanefa tia ny soratra masina izy. Nankany am-piangonana izy isaky ny alahady ary nanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina novakina mafy. Ary rehefa nody tany an-trano izy dia nasainy namerimberina namaky izany taminy aho.

Indray alina raha namaky ny 1 Samoela toko faha-3, dia tojo soratra masina izay tsy nampitombina sy nampanontany tena ahy aho. Namaky momba ny fomba niantsoana an’i Samoela ho mpaminany aho. Nampifoha zavatra iray tato anatiko izany soratra masina izany. Raha ny marina dia nanomboka nametra-panontaniana ny amin’ny antony tsy niantsoan’Andriamanitra mpaminany intsony amin’izao androntsika izao aho nanomboka tamin’izay. Nanomboka tamin’ny fanontaniana ireo mpitandrina tao amin’ny fiangonan’ny fianakaviako aho, ary noho izy ireo tsy afaka nilaza afa-tsy ny hoe niteny Andriamanitra dia izay no antony ananantsika ny Baiboly, dia nanomboka nikaroka tany an-kafa aho. Taorian’izay aho dia nanomboka nikaroka fiangonana iray izay mino Andriamanitra iray izay niresaka tamin’ireo zanany tamin’ny alalan’ny mpaminany sy apôstôly tahaka izay nataony tamin’i Samoela fahiny.

Vao 10 na 11 taona monja aho tamin’ny fotoana nanombohako io fikarohana io, izay nahatonga ahy nitety fiangonana mandra-pihaonako tamin’ny misiônera fony aho zatovo. Tsotra ny fanontaniana napetrako tamin’izy ireo tamin’ny fihaonanay voalohany hoe “Mino Andriamanitra iray miteny ve ianareo? “Eny” maredona tsara ny valinteny nomen’izy ireo, ary avy eo izy ireo dia nizara tamiko ny fomba niantsoan’ny Ray any An-danitra an’i Joseph Smith sy namerenany tamin’ny laoniny ny fiangonany tamin’ny alalany. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho noho izay valinteny tsotra izay, ary nahazo fitahiana maro be tamin’ny alalan’ireo fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly velona aho tao anatin’ny taona maro. Nanampy ahy hampitombo ny finoako sy ny fijoroana ho vavolombelona nananako momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ny torohevitr’izy ireo. Ny fanaovana zavatra tsotra dia ny fandalinana soratra masina isan’andro araka izay nampianarin’ny renibeko dia nanampy ahy izaho samirery, sy amin’izao maha-raim-pianakaviana ahy izao, eo am-piezahanay mivady mampianatra ireo zanakay ny hasarobidin’ny fandalinana soratra masina isan’andro.

Mibebaha isan’andro ary raiso amim-pahamendrehana isan-kerinandro ny fanasan’ny Tompo

Mba hahafahantsika mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana isan-kerinandro dia zava-dehibe ny hanarahantsika ny torohevitry ny Filoha Nelson rehefa nampianatra izy hoe: “. . . rehefa mangataka ahy sy ianao i Jesoa mba hibebaka, dia manasa antsika Izy mba hanova ny saintsika, ny fahalalantsika, ny fanahintsika, eny, fa na dia ny fomba fiaina aza. Mangataka antsika Izy mba hanova ny fomba fanehoantsika fitiavana, ny fomba fanompoantsika, ny fomba fandaniantsika ny fotoantsika, ny fomba fitondrantsika ny vadintsika, ny fomba fampianarantsika ny zanatsika, eny fa na dia ny fomba fikarakarantsika ny vatantsika aza.”4 Raha misy amintsika mibaby fahotana tsy nibabohana dia tiako ny hanolotra fanasana ho anareo mba hihaino ny torohevitry ny Mpaminany. Raha manao izany isika dia mampitodika ny fifantohantsika ho any amin’i Kristy, izay fototra marina sy azo antoka ho antsika sy hampiasa ny Sorompanavotany, izay hitarika antsika hitady fahasitranana sy fiadanana ary fampiononana marina. Rehefa mampihatra finoana isika mba hitondra antsika ho amin’ny fibebahana, dia hitombo ny finoantsika.

Mivavaha

Amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana antsika, dia tsy vitan’ny hoe manana faniriana ny hifandray Aminy amin’ny alalan’ny vavaka fotsiny isika, fa Izy koa dia maniry ny hitahy antsika rehefa manatona Azy amim-panetren-tena sy amin’ny fo feno faniriana isika. Mahafantatra ny ahiahy sy ny olantsika Izy. Mahafantatra tanteraka ny fanirian’ny fontsika lalina Izy ary amin’ny maha-Ray be fitiavana Azy dia te-hahare vaovao momba antsika Izy. Afaka manatona ny Ray any An-danitra isika ary tokony hanatona Azy sy hangataka Azy mba hanome antsika finoana bebe kokoa.

Efa elaela izay raha nanatrika fihaonamben’ny tsatòka aho, rehefa nohiraina ny hira famaranana, dia nahazo fitaomam-panahy hijery ny amboaram-peo aho. Tsy hay lazaina ny hakanton’ny feon’ireo mpikambana tao amin’ilay amboaram-peo ary voaravaky ny tsiky mahafinaritra ny tarehin’izy ireo. Nahita ranabavy iray nanganohano tao amin’ny laharana tao aoriana tao aho ary nieritreritra fa nampihetsi-po azy angamba ilay hira izay nohiraina: “Homba anao hatrany anie ny Ray.” Raha vantany vao vita ny vavaka famaranana dia nitsangana haingana aho ary nanatona io ranabavy tao amin’ny amboaram-peo io Nahatsapa aho fa tokony hisaotra azy noho ny anjara biriky nentiny tamin’ny aim-panahy izay tsapa tamin’ilay fihaonambe.

Nanontaniako izy raha toa ka nanana heviny manokana ho azy ilay fihirana izay nohirainay. Nanaiky tamin’ny lohany izy dia nilaza tamin-dranomaso izay nikoriana teo amin’ireo takolany hoe: “Maty herinandro vitsy lasa izay ny vadiko, ary ohatra an’ny hoe tsy ampy izay fa namoy ny zanakay vavy izay teo ho eo amin’ny roa taona teo indray aho. Ny zanako vavy izay eo ho eo amin’ny folo taona eo sisa no tavela. Nandinika aho hoe tokony hihira tao amin’ny amboaram-peo ve aho sa tsia, saingy rehefa nohiraina ny hira famaranana androany, dia tsapako ho nanatrika teo ny vadiko sy ny zanakay vavy.” Dia nofaranany tamin’ny filazana hoe “Nangataka zavatra roa tamin’ny Raiko any An-danitra aho: ny voalohany dia ny mba hampatanjahany ny finoako an’i Jesoa Kristy ary avy eo ny hanomezany ahy fahatakarana momba ny Fitsanganana amin’ny maty masina. Ny faharoa dia ny mba hanatonan’ny mpiandraikitra mpiahy ahy sy ny mba hilazany zavatra izay hampatanjaka ny finoako.” Tsy tadidiko hoe nisy zavatra nolazaiko an’io ranabavy malala io, kanefa tadidiko ny fomba nampatanjahana ny finoako tamin’ny alalan’ny finoany mafy orina sy tamin’ny alalan’ny naha-valin’ny vavaka nataoko ny vavaka izay nataony. Talohan’io fihaonambe io dia nivavaka aho mba hotarihina tany amin’ny olona iray izay hananako fahafahana mba hotompoina, kanefa raha ny fijeriko azy dia izy indray no nanompo ahy tamin’io andro io.

Ao anatin’ireo olana eo amin’ny fiainana izay lalovantsika dia zava-dehibe ny hanatonantsika ny Ray any An-danitra iray izay mahalala ny zavatra rehetra sy hikatsahantsika ny fahendreny sy ny fahatakaran-javatra mba hoentintsika miatrika na inona na inona olana mety atrehantsika. Mety ho tonga amin’ny endri-javatra toy ny aretina, ny famoizana havan-tiana, ny fahadisoam-panantenana lalina amin’ny vady na ny namana, ny fahasahiranambe amin’ny fitadiavana izay ho namana mandrakizay, na ny tsindry eo amin’ny lafiny ara-bola ao an-tokantrano mihitsy aza ireo olana. Mandritra ny fotoam-pitsapana toy izany, dia na lasa matanjaka ny finoantsika na kila forehitra ka mahatonga antsika hihataka amin’ireo zavatra izay sarobidy tamintsika teo aloha. Ry namako malala, na inona na inona mitranga, dia aza miala amin’ny Iray Masin’i Isiraely, fa enga kosa anie isika ka hanaraka ilay fanasana izay nomeny an’ireo izay tao Jerosalema rehefa nilaza Izy hoe: “Andeha hanaraka Ahy”5. Fantatro fa raha mivavaka amin’ny Ray isika, amin’ny anaran’i Kristy, dia afaka ny hitombo ary hitombo eo anivon’ireo olana izay mety ho hitantsika manodidina antsika ny finoantsika. Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny iray tamin’ireo lahateny nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany hoe: “Ao anatin’ny safotofotom-piainana tsy mitsahatra amin’izao androntsika izao dia aoka isika hiezaka hahita an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika sy ny finoantsika ary ny fanompoantsika.”6

Asa fanompoana

Rehefa manolo-tanana mba hanompo ireo zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra isika dia hitombo ny finoantsika. Mahafantatra zatovolahy iray aho izay antsoina hoe Gofaone Lebang, izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana fony izy teo amin’ny 16 taona teo. Misy zavatra mampiavaka io zatovolahy io: teraka niaraka tamin’ny fahasembanana ara-batana izy, izany hoe nampiasa seza misy kodiarana foana izy hatramin’ny naha-zazakely azy. Mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo mafana fo sy feno finoana hatrany rahalahy Lebang hatramin’izay. Nanapa-kevitra ny hanompo amin’ny fotoana feno amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanasoavana izy. Nantsoina hiasa tao amin’ny Misiônan’i Johannesbourg Afrika Atsimo izy. Tsy mbola nahita olona tsara mihoatra azy aho. Nahita zavatra mampahery holazaina tamin’ireo izay nifanerasera taminy rehetra foana izy. Taty aoriana dia nanana fahafahana hiara-hanompo taminy tao amin’ny Fiadidian’ny Kôlejin’ny Loholona nisy anay aho ary avy eo dia tao amin’ny Filankevitra Avo. Tao anatin’ireo taona maro dia tsy mbola nahare azy nitaraina na nimonomonona momba ny fahasembanany ara-batana mihitsy aho na dia indray mandeha aza, fa nahita azy mandrakariva kosa nandroso tamim-pinoana. Nampitombo ny finoan’ireo rehetra izay niara-nanompo taminy sy nanompo azy ny fahavononany hanompo. Taona maro aty aoriana dia mbola toy izany ihany izy: manolo-tanana sy manompo ny hafa amin’ny fomba isan-karazany izy.

Nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra i Clement M. Matswagothata tamin’ny aprily 2018. Vadin’i Busisiwe Novelty Buthelezi izy ary manan-janaka telo. Mipetraka any Gaborone ao Botswana ny Loholona sy ny Rahavavy Matswagothata.

Naoty

  1. “Ô ry Ray,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 84.

  2. Jaona 14:6.

  3. Russell M. Nelson, “Avelao ny finoanareo hiseho,” Liahona, mey 2014, 29.

  4. Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67.

  5. Lioka 18:22.

  6. Jeffrey R. Holland, “Ny hafatra sy ny dikany ary ny olona,” Liahona, nôvambra 2019, 6.