2020
Dingana iray am-pinoana
Jona 2020


Pejy eo an-toerana

Dingana iray am-pinoana

“Nanao dingana iray tam-pinoana i Johnny: nanapa-kevitra ny hitady vola izy ary hiomana hanao asa fitoriana.”

Ny fampitomboana ny finoantsika dia matetika manomboka amin’ny fampiharana finoana ny Mpamonjy antsika sy ny fampanantenany hoe ho voatahy isika rehefa mitandrina ny didiny. Ity tantara manaraka ity izay hita tao amin’ny Ivon-toeran’ny Tantaram-pianakaviana ao Johannesbourg dia tena maneho tsara io fahamarinana io.

Fony i Johnny Poo Shuping enina ambin’ny folo taona dia nihaona tamin’ny misiônera avy ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Nahasarika azy ny hazavana nentin’izy ireo. Hoy izy: “Nitady olona hampianarina izy ireo dia nahita ahy. Nifanao fotoana izahay, dia nanomboka teo ny fifohazako ara-panahy.”

Tsy ela akory taorian’ny nanombohan’izy ireo ireo lesona anefa dia nampahatsiahy an’i Johnny ny rainy fa mpikambana amin’ny fiangonana hafa ny fianakaviany. Tsy nety namela an’i Johnny hatao batisa izy ary nanizingizina ny handehanany any amin’ny fiangonan’ny fianakaviany. Farany dia tonga tamin’ny marimaritra iraisana i Johnny sy ny rainy hoe: Mamonjy ny fiangonan’ny fianakaviany aloha i Johnny vao mahazo lalana mamonjy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Hoy izy: “Noho izany dia nifoha aloha isaky ny alahady aho nandritra ny roa taona manaraka izay mba hanatrika ny fotoam-bavaka amin’ny 7 ora maraina ao amin’ny trano fiangonana ao an-tanàna ary dia mihazakazaka haingana avy eo . . . mba ho tonga ara-potoana amin’ireo fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny an’ny fisoronana.

Rehefa ampy taona handehanana mitory ny filazantsara i Johnny dia nahavita ny taona voalohany tamin’ny fianarana tany amin’ny oniversite. Noho ny naoty tsara azony dia nahazo fanampiana ara-bola izy hanefana ny fianarany. Kanefa raha manajanona ny fianarany izy handehanana mitory ny filazantsara dia tsy ho azony ny vatsim-pianarany, ary ho zava-poana ny asa rehetra nataony hahazoana naoty tsara. Nanao dingana iray am-pinoana i Johnny: nanapa-kevitra ny hitady vola izy ary hiomana hanao asa fitoriana.

Na dia tsy nahazo fanohanana aza izy tao an-trano dia nankamamiany ny fanohanana sy ny fankaherezana nataon’ny fianakaviana tao am-piangonana. Feno fankasitrahana izy noho ny andraikitra lehibe nosahanin’izy ireo teo amin’ny fiainany nandritra ny roa taona izay niomanany hanao asa fitoriana. Nientanentana efa hitovy aminy mihitsy izy ireo rehefa nandefa ny taratasiny fangatahana hanao asa fitoriana sy rehefa nandray ny antsony ho ao amin’ny misiônan’i Uganda Kampala izy.

Nanompo tamim-pahavitrihana i Johnny, ary nanitatra ny fotoany tany mihitsy aza. Saingy fantany nony farany fa tsy maintsy mody izy, hanarina ny fifandraisany amin’ny fianakaviany ary hijery ny tokony hatao mahakasika ny fianarana.

Rehefa niverina izy—rehefa avy nampihatra finoana tamin’ny alalan’ny fisafidianana ny hiomana, ary avy eo dia nitory ny filazantsara—dia nisoratra anarana tany amin’ny oniversite i Johnny, sady fantany ihany fa manana trosa be avy tamin’ireo taona teo aloha izy, satria tsy noraisiny ny vatsim-pianarany tamin’ny nandehanany. Hoy izy: “Na dia somary kivy sady tsy nahafantatra izay hatao aza aho dia nahatsapa indray maraina fa tokony hankany amin’ny toeram-pianarana mba hijery hoe ohatrinona no tokony haloako.

“Navoakan’ilay ramatoa tao amin’ny foibe fitantanana ny kaonty dia nojereko haingana izany hitadiavana ny fizarana hoe -tokony haloa- teo amin’ilay faktiora. Tsy hitako izany. Ny zavatra hitako teo dia hoe -trosa.- Nanontaniako ilay ramatoa teo amin’ny birao mba hanazava amiko ny dikan’izany. Nojereny tamin’ny antsipiriany ary nahita izy fa nisy fandaharan’asa misahana fanampiana ara-bola nahita ireo naotiko ary talanjona tamin’ny zavatra hitany dia nandoa ny totalim-bola rehetra tokony ho naloako tamin’ilay sekoly.

“Ankoatra izany, ny vola voatanisa eo amin’ilay hoe -trosa- dia vola tokony homena ahy noho ireo naotiko tsara. Izany ka famindram-po! Nipetraka teo aho, heniky ny fahatalanjonana nieritreritra fa afa-trosa aho ary gaga noho ny -famindram-po izay nomeny ho ahy.-1

“Tsaroako ny fampanantenan’ny Filoha Ezra Taft Benson hoe -ireo izay mametraka ny Tompo ho lohalaharana dia hahita fa hilamina araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra.-2 Niainako ny fahamarinan’izany fampanantenana izany.”

Nahazo mari-pahaizana amim-boninahitra momba ny fifandraisana i Johnny taty aoriana ary nanangana ny orinasany manokana. Nankatò ny didy hitory ny filazantsara izy ary tsy nanenina velively tamin’ny nanaovany dingana iray tam-pinoana sy tamin’ny natokisany ny Tompo.

Naoty

  1. « Merveilleux l’amour », Cantiques, no. 117.

  2. Enseignements des présidents de l’Église, Ezra Taft Benson, [2014], 40.