2020
Ny tempoly: Ilay tandindona lehibe manamarika ny maha-mpikambana antsika
Jolay 2020


Hafatra ho An’ireo Mpitarika ao amin’ny Fisoronana eto An-toerana

Ny tempoly: Ilay tandindona lehibe manamarika ny maha-mpikambana antsika

“Manampy antsika hampivoatra ny tenantsika ny fanahy izay tsapantsika ao amin’ny tempoly, ary afaka mahatsapa ny tena fisian’ny sorompanavotan’ny mpamonjy sy ny hery ary ny fanantenana izany eo amin’ny fiainantsika tsirairay isika.”

Tamin’ny 6 jona 1994, ny ampitson’ny andro nanokanana an’i Howard W. Hunter ho Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia nanome fanasana anankiroa ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana izy. Hoy izy namporisika tamin’ny halemem-panahy hoe: “Voalohany indrindra, dia te-hanasa ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra aho mba hiaina amim-pifantohana misimisy kokoa amin’ny fiainana sy ny ohatr’i Jesoa Kristy Tompo, indrindra fa amin’ny fitiavana sy ny fanantenana ary ny fangorahana izay nasehony, ary faharoa dia te hanasa ny mpikamban’ny Fiangonana ihany koa aho mba hametraka ny tempolin’ny Tompo ho tandindona lehibe indrindra maneho ny maha-mpikambana azy ireo sy ho toerana masina hanaovan’izy ireo ny fanekempihavanany masina indrindra. Ny faniriana lalina indrindra ao am-poko dia ny mba hahamendrika ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra handeha ho any amin’ny tempoly.”1

Nanomboka tamin’izay dia nitodika tany amin’ny tranon’ny Tompo ny eritreritro rehetra. Tamin’izany fotoana izany dia vao telo taona monja no naha-mpikamban’ny Fiangonana ahy ary izay no fotoana voalohany nijereko mpaminany velona tamin’ny fahitalavitra. Raikitra ato am-poko mandraka androany io tranga io. Dimy ambin’ny folo taona taty aoriana, tamin’ny 2009, dia niditra voalohany indrindra tao amin’ny tempoly niaraka tamin’ny vadiko aho mba hanatanteraka ny fanafiana masina sy ny famehezana anay. Tamin’izay aho no nahazo fijoroana ho vavolombelona lalina kokoa momba ny fahamarinan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Tompo, satria i Joseph Smith, ilay Mpaminany, dia tsy afaka namorona izany rehetra izany noho izy olona iray izay zara raha nandia fianarana. Fa misy kosa Olona Faratampony izay nanambara taminy ireo zavatra rehetra ireo.

Noho izany dia nanomboka nanao ezaka mba hitondrana ireo zanako ho any amin’ny tranon’ny Tompo aho mba hofehezina amin’ny maha-mpianakavy anay. Ny zoma 15 aogositra 2014 dia nankany amin’ny tempoly izaho sy Rahavavy Kongolo niaraka tamin’ireo zanakay roa, ary nofehezina taminay izy ireo. Traikefa tsy hay hadinoina izany. Nijanona telo herinandro tao Afrika Atsimo izahay ary nandamina fotoana mba hankanesanay tao amin’ny tempoly in-efatra isan-kerinandro sy hanatrika fivoriana anankiroa isan’andro farafahakeliny. Manampy antsika hampivoatra ny tenantsika ny Fanahy izay tsapantsika ao amin’ny tempoly, ary afaka mahatsapa ny tena fisian’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny hery ary ny fanantenana izany eo amin’ny fiainantsika tsirairay isika.

I Linda K. Burton, izay Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana nanomboka tamin’ny 2012 ka hatramin’ny 2017 dia niteny hoe: “Afaka mahazo fitaomam-panahy sy fanambarana isika any amin’ny tempoly—ary koa hery hiatrehana ireo olan’ny fiainana”2.

Rehefa nantsoina ho filohan’ny Tsatòkan’i Lubumbashi ao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Kongo aho dia fantatro fa raha te ho mpitarika tsara ny olona iray dia tokony ho efa tany amin’ny tempoly mba handray ôrdônansy masina. Indray mandeha, nandritra ny fivoriana iray ho an’ny mpitarika dia nangataka aho hoe mba hahafahanay “mametraka ny tempoly ho tandindona lehibe indrindra maneho ny maha-mpikambana anay”, dia tokony hifandamina izahay mba ho any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fanaovana tahirim-bola. Nanaraka io sosokevitra io ny mpitarika vitsivitsy, ary tamin’ny 2015 dia nanao dia nankany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny vadinay izahay, niainga avy tao Lubumbashi nankany Johannesbourg. Nanao dia isan-taona nankany amin’ny tempoly izahay tao anatin’ireo roa taona manaraka.

Fantatro fa rehefa mijanona ho mahatoky amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana nataontsika isika dia hotarihina amin’ny fitaomam-panahy fa tsy amin’ny fahitan’ny masontsika, ary hahazo ny herin’ny fisoronana isika mba hitarihantsika bebe kokoa amim-pahazotoana ireo zanak’Andriamanitra eo ambany fitandremantsika. Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Petera 5:1–3 hoe: “Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman’ny loholona sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo [araka an’Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.”

Hoy ny mpaminanin’ny Tompo, ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Nahoana isika no mila mandeha tsy tapaka any amin’ny tempoly? Satria mitombo be hatrany hatrany ny fanafihan’ny fahavalo, na amin’ny heriny izany na amin’ny karazany. Tsy mbola lehibe toy izao ny filantsika mandeha matetika tsy tapaka any amin’ny tempoly. Nampanantena aho tamin’izay, ary mbola hamafisiko izany fampanantenana izany amin’izao, fa ny olona izay manamboatra fotoana mba hihaonana matetika amin’ny Tompo, ho ao amin’ny tranony masina, ary hihazona izany fotoana izany tsy hiovaova, dia hahazo fahagagana”3. Ny fandehanana any amin’ny tempoly dia mamela antsika ho eo anatrehan’ny Tompo, mba hotarihiny, ary handray ny fitaomam-panahy ilaintsika mba hitarihana ireo zanany amin’ireo andraikitra isan-karazany izay sahanintsika. Mbola hindrana ny tenin’ny mpaminanin’ny Tompo indray aho izay niteny hoe: “Ny fankatoavana ireo fanekempihavanana masina natao tany amin’ny tempoly dia mahamendrika antsika hahazo ny fiainana mandrakizay—izay fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny olombelona”4. Ny fanekempihavanana dia fampanantenana, fifanarahana eo amin’ny Ray any An-danitra sy ireo zanany. Andriamanitra no mametraka ireo fepetra, izay ekentsika. Rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana ireo isika dia mendrika ny hahazo ireo fitahian’ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay.

Hoy ny Loholona David A. Bednar ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana izay tanterahina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia fantsona nankatoavina izay ahafahan’ireo fitahiana sy ny herin’ny lanitra mirotsaka eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay”5.

Rehefa notohanana ho Mpaminanin’ny Tompo ny Filoha Nelson dia nangataka ny mpikamban’ny Fiangonana mba “hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana” izy. Nanazava izy hoe: “Ny fanoloran-tenanareo hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo dia mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana mankany amin’ny fitahiana ara-panahy sy ny tombontsoa manokana rehetra izay afaka ny ho azon’ny olona”6.

Manome hery antsika ny Tompo hanoherana ny fahavalontsika, araka ny voarakitra ao amin’ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:24–26 hoe: “Mangataka Anao izahay Ray Masina ô, mba hampiorina ny vahoaka izay efa hidera sy hitana amim-panajana ny anarany sy ny toerany eo imason’ Andriamanitra ao amin’ ity trano ity ho an’ ireo taranaka rehetra sy ho mandrakizay. Mba tsy hisy fiadiana voamboatra hamelezana azy ireo ka hiroborobo; mba hianjeran’ izay mihady lavaka ho azy ireo ao amin’ izany; mba tsy hisy tsikombakomban’ ny faharatsiana hanan-kery hitsangana ao amin’ ity trano ity ka handresy ny vahoakanao izay hametrahana ny anaranao ao amin’ ity trano ity.”

Rehefa mankany amin’ny tempolin’ny Tompo isika dia tsy maintsy manomana ny tenantsika ara-panahy sy ara-batana satria hanao fotoana amin’ny Tompo isika, araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 3:16–17 manao hoe: “Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra, dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia hianareo izany.” Izany dia midika fa ny vatantsika, izay tempolin’ny Fanahin’ny Tompo, dia miditra ny tempoly, izay tranon’ny Tompo, ary toy izany no hahazoantsika fiarovana sy fitahiana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tena tranon’ny Tompo tokoa ny tempoly. Raha manamboatra fotoana isika ary mijanona ho mahatoky amin’ny alalan’ny fijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, tahaka izay nolazain’ny Filoha Nelson, dia hahazo ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo olomasina mahatoky.

Nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra i Pungwe S. Kongolo tamin’ny aprily 2018. Vadin’i Séraphine Mugo Ngwezya izy. Manan-janaka roa izy ireo. Mipetraka ao Lubumbashi, ao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Kongo ny Loholona sy Rahavavy Kongolo.

Naoty

  1. Enseignments des presidents de l’Église : Howard W. Hunter ; « Vie et ministère de Howard W. Hunter » [2015], 1.

  2. Linda K. Burton, “Vita omana tamin’ny fomba izay tsy fahita na oviana na oviana”, Liahona, Nôv. 2014, 111.

  3. Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely”, Liahona, Nôv. 2018, 113.

  4. Russell M. Nelson “Miomana amin’ireo Fitahiana avy amin’ny Tempoly,” Liahona, Ôkt. 2001, 42.

  5. David A. Bednar, “Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo”, Liahona, Mey 2016, 60.

  6. Russell M. Nelson “Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, Aprily 2018, 7.