2020
Fanokanana ny tempolin’i Durban Afrika Atsimo
Jolay 2020


Ny tempoly eo amin’ny fiainantsika

Fanokanana ny tempolin’i Durban Afrika Atsimo

“Ny zavatra nataon’ny tempolintsika ho an’ireo vahoaka tao Afrika Atsimo—sy ny Fiangonana ary ny filazantsara—dia ny nanandratra avo ny fijery sy ny tanjon’izy ireo.”

Isan-karazany ireo fanehoana tsiky, fifandraisan-tanana am-pitiavana, fifamihinana amin-kafanana ary fizarana sary raha nivory teo ivelan’ny tempolin’i Durban ireo Olomasin’ny Andro Farany maro nialoha sy taorian’ireo fivoriana telo nanokanana izany tamin’ny alahady 16 febroary.

Nanasongadina ireo palitao mainty sy lobaka fotsy ireo loko marevaka teny amin’ny fitafian’ny vehivavy sy teny amin’ireo fehitenda. Hita teny ny karazam-bolon-koditra manomboka amin’ny fotsy hoditra sy ny zarazara hoditra ka hatramin’ny mainty hoditra. Re teny ny fiteny anglisy sy pôrtogey kely ka hatramin’ireo mipiaka sy miato amin’ny fiteny xhosa sy zoulou ary ireo fitenim-poko hafa.

Izany rehetra izany dia maneho ny distrika mifangaron’ny tempolin’i Durban Afrika Atsimo sy i Lesotho ary i Mozambique. Izany rehetra izany dia maneho ny fifangaroan’ny fianakaviamben’ireo Olomasin’ny Andro Farany ao Afrika Atsimo sy ireo firenena manodidina izay tsy mitsaha-mitombo. Ary izany rehetra izany dia maneho ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra.

“Ny Fiangonana dia manana fomba tena tsara hanamaivanana ireo fahasamihafana ireo sy hamoronana kolontsaina araka ny filazantsara izay tsy mifandray amin’ireo fomban-drazana ireo ary tsy mifandray amin’ireo foko ireo,” hoy ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay niahy sy nandahateny tamin’ireo fivoriana telo nanokanana ary nanolotra ny vavaka fanokanana.

“Ny zavatra hitanareo tao ivelany dia ny fomba fampiraisan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy antsika, ary tena nahatsapa ho vahoaka iray aho androany.” Na manao ahoana na manao ahoana ny endriny, na manao ahoana na manao ahoany ny fiakanjony, dia vahoaka iray isika androany—ny vahoakan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.”

Fanokanana ny tempoly faharoa ao Afrika Atsimo

Tamin’ity fanokanana ity, tafiditra amin’izany ny lanonam-panokafana am-pahibemaso nametrahana ny vato fehizoro tany am-piandohan’ny fivoriana voalohany, dia ny tempolin’i Durban no tempoly am-perin’asa faha-168 an’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao ary fahadimy aty amin’ny kaontinantan’i Afrika.

Nandritra ireo 10 andro mialoha ny fanokanana dia niresaka tamin’ireo mpikambana, misiônera, tanora ary naman’ny Fiangonana tao amin’ny distrikan’ny tempoly ny Loholona Rasband sy Rahavavy Melanie Rasband vadiny, ka anisan’izany ny mpanjaka sy mpanjakavavy anankiroa tao Lesotho sy ny firenen’ny Zoulou.

“Ary na dia niaraka tamin’ny mpanjaka anankiroa aza aho, dia manana fahatsapana mahery vaika aho androany fa tonga teto isika mba hitsaoka sy hanome voninahitra an’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka,” hoy ny Loholona Rasband, izay niantso izany fahatsapana izany ho “ny tena fitahian’ny dianay.”

Nilaza Rahavavy Rasband fa ny tena nisongadina taminy dia ireo zanaka sy zafikely niaraka tamin’izy ireo tany amin’ny tempoly ka nahatsiaro fa “ny fianakaviana dia mandrakizay.”

Nampiany hoe: “Tena nanandratra antsika ho amin’ny ara-panahy ambonimbony kokoa ny mozika raha nipetraka isika ka nahatsapa ny Fanahy tsy nitsaha-nitombo tao amin’ny hira tsirairay.” “Ary ny fahafahana nihoby tamim-pankasitrahana hoe ‘Hosana’ ho an’ny Tompo sy ho an’ny Raintsika any An-danitra no iray amin’ny fitambaran’ireo fahatsapana nanananay.”

Ny Loholona Carl B. Cook ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, izay nanaraka an-dry Rasband mivady nandritra ny dian’izy ireo nanerana an’i Afrika Atsimo sy Lesotho niaraka tamin-dRahavavy Lynette Cook, dia nanamafy ny hasina sy ny lanjan’ireo Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ilay faritra.

“Ankasitrahanay tokoa ny hazavana eo amin’ny fijerin’ireo afrikanina. Tianay ny fomba fiainana sy ny fiasany ao anatin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Mankahery anay ny tsiky sy fifaliana tsy mihatsaravelatsihy asehony, amin’ny alalan’ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra sy ny fankasitrahany noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny. Manome aingam-panahy anay ny hatsaran’izy ireo. Nianatra zavatra betsaka avy tamin’izy ireo izahay.”

Ny fahitana ireo Olomasin’ny Andro Farany avy amin’ny fiaviana isan-karazany nifamihina, raha tsy hilaza ny fiarahan’izy ireo tao amin’ny toerana iray tahaka ny nataon’izy ireo tamin’ny alahady tao amin’ny tanin’ny tempoly, dia tena hafa amin’ny nisy tamin’ny faraparan’ny tapaky ny taonjato faha-20 tao Afrika Atsimo, izay nisian’ny fanavakavaham-bolon-koditra fatatra tamin’ny hoe apartheid nirongatra ka niteraka tsy fifampitokisana sy fahatezerana ary herisetra mihitsy aza teo amin’ireo fotsy hoditra sy mainty hoditra tao amin’ny firenena sy teo amin’ireo fokon’ny mainty hoditra.

I Percy “Chappy” Winstanley, filohan’ny tsatòka voalohany izay natsangana tamin’ny 1981 tao Durban ary tonga avy tany Johannesburg mba hanatrika ny fanokanana ny tempolin’i Durban, dia nampahatsiahy ireo mpikambana izay matetika nanao vy very ny ainy—indraindray mba hanampiana amin’ireo fivoriana sy fiaraha-mientana fanao.

Nilaza izy hoe: “Nanana mpanolotsaina avo iray izay izahay tao Cap-Oriental izay tsy maintsy niaritra mpihetraketraka nitora-bato ny fiarany rehefa mandeha manokatra ny trano fivoriana ny maraina. Avy eo dia tsy maintsy mbola hiverina izy [hanidy ny trano], ary dia mbola tonga indray ny tora-bato.”

Feno ahiahy ny mety hisian’ny ady an-trano ny fiainan’ny olona tao an-toerana 35 taona lasa izay, tamin’ny nitokanana ny tempolin’i Johannesburg Afrika Atsimo tamin’ny 1985.

“Mino amin’ny foko manontolo aho fa nasian’ny Tompo tempoly tao Johannesburg mba handravana ny apartheid,” hoy i Colin Bricknell, eveka sy filohan’ny tsatòka teo aloha tao Durban izay vao avy nahavita ny fanompoany nandritra ny telo taona niaraka tamin’i Jennifer Bricknell vadiny tamin’ny herintaona tamin’ny naha-filoha sy vadin’ny filohan’ny misiôna azy ireo. I Brad Bricknell zanak’izy ireo lahy no niahy ny varavarana misokatra sy ny kômitin’ny fanokanana ny tempolin’i Durban.

Ny fitombon’ireo Olomasina

Ny tempolin’i Johannesburg dia raisin’ireo Olomasin’ny Andro Farany ho nialoha lalana ireo fiovan’i Afrika Atsimo nandritra ny folo taona nanaraka ny fanokanana ny tempoly, tafiditra tamin’izany ny fanitsiana ny lalampanorenana, ny fanatsaharana ny apartheid, ary ny fihavanana sy ny fandriampahalemana ara-poko. Nampitahain’izy ireo tamin’ny tempolin’i Freiberg Alemana izy io, izay niasa tao ambadiky ny Ridao Vy taona maromaro talohan’ny nianjeran’ny rindrin’i Berlin sy ny kômonisma tany Eorôpa afovoany sy Eorôpa Atsinanana.

“Nisy dikany betsaka tsy tamin’ny mpikambana ihany fa tamin’i Afrika Atsimo iray manontolo ilay tempoly,” hoy i Colin Bricknell, sady nanamarika fa ny trano fisoloana akanjo itambarana ho an’ireo mpampiasa dia mifanohitra amin’ny fomban’ny apartheid tamin’ny fisokafan’ny tempoly.

Ary ankehitriny dia manana tempoly fanampiny i Afrika Atsimo, izay vavolombelona iray faharoa maneho ny filazantsara sy ny fitombon’ny Fiangonana ary ny fiorenany tsara ao amin’ny firenena, ary koa fahafahana lehibe iray hitahiana ny fiainan’ireo Olomasin’ny Andro Farany.

Tao anatin’ny folo taona dia toa fanamby iray amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly ny halaviran-toerana, tsy ho an’ireo Olomasina tao Durban ihany fa ho an’ny mpikambana rehetra ao Afrika Atsimo mihitsy. Tamin’ny voalohany ny “fandehanana any amin’ny tempoly” dia fanaovana sidina 9.000 kilaometatra mankany amin’ny tempoly akaiky indrindra, tany Angletera. Taty aoriana i Afrika Atsimo dia voatondro ho ao amin’ny distrikan’ny tempoly iray nambara tao Sao Paulo, Brésil, mbola ao amin’ny tapany atsimon’ny tany ihany saingy mbola teo amin’ny 7.500 kilaometatra teo ary efa ho ilabolatany iray mihitsy.

Tany amin’ny taona 1970 tany ry Bricknell dia nahavoahangona vola ampy hitondrana ny fianakaviany hofehezina any amin’ny tempoly. Saingy rehefa nangataka fanomezana avy amin’ireo mpikambana tao Afrika Atsimo ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana mba hanampiana amin’ny famatsiam-bola ny fanorenana ny tempolin’i Sao Paulo, dia nafoin’ilay fianakaviana ny vola voahangony ho amin’ny diany.

“Narotsakay avokoa izay rehetra voahangonay ho amin’izany dian’ny fianakavianay izany,” hoy i Jennifer Bricknell. “Ary tao anatin’ny dimy taona dia nanana ny vola nitondrana ny zanakay dimy tany amin’ny tempolin’i Salt Lake izahay.”

Na dia tamin’ny fisian’ny tempoly voalohany tao Afrika Atsimo tao Johannesburg aza dia mbola nila nandeha adiny fito na valo amin’ny fiara ireo mpikambana ao amin’ny faritr’i Durban, izay nampananosarotra ny fandehanana mitsaoka any amin’ny tempoly. Matetika ireo mpivady tanora dia nanao ny lanonam-panabadiany vao maraina any Durban, ary avy eo dia nandeha haingana tany Johannesburg io andro io ihany mba hofehezina any amin’ny tempoly, mba hanarahana ilay fitsipiky ny Fiangonana hoe andro iray ihany tamin’zany fotoana izany.

Ireo tanora avy ao Durban sy ireo faritra manodidina dia manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ary lasa olom-baovao rehefa miverina, hoy i Colin Bricknell. Saingy rehefa tafaverina izy ireo, izay matetika hany mpikambana ao amin’ny fianakaviany, dia mahita fa sarotra ny mandeha matetika any amin’ny tempolin’i Johannesburg, ary misy tsy afaka mihitsy, ka manomboka mivily lalana ary lasa malaina avy eo. Ankehitriny ny tempolin’i Durban dia manome toerana iray fanampiny ho fitsaohana sy fankeherezana ary fiorenana.

Ny fanokanana ny tempolin’i Durban dia toy ny fodiana an-trano ho an’ny Loholona sy Rahavavy Cook izay efa nipetraka tany Afrika Atsimo nandritra ny dimy taona raha nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana, tafiditra amin’izany ireo telo taona farany naha-filoha azy. Niahy ny fangadiana ny fototry ny tempolin’i Durban izy tamin’ny 6 aprily 2016.

“Efatra taona lasa izay izaho sy Rahavavy Cook dia nihanika ny tendrombohitra hanorenana ny tempolin’i Durban, niaraka tamin’ny olona maro izay nanatrika ny fangadiana ny fototra,” hoy izy raha nampahatsiahy ilay andro mahafinaritra sy mazava.

“Nahatsapa ho talanjona izahay raha nipetraka teo amin’izany havoana ngazana izany. Nijery ny lohasaha sy ny ranomasina izahay ary nahatsapa fa ao anatin’ny taona vitsivitsy, dia hisy tempoly hitsangana eo amin’izany tany izany. Ny fananana tombontsoa masina hiverina amin’ny fanokanana ny tempolin’i Durban izay naorina ho an’ny Tompo dia mampanetry tena tokoa. Tena feno fifaliana ny tenako.”

Tempoly iray hafa, antony iray hafa

Nanatevin-daharana ireo mpitarika nanao ny fitsidihana ireo Fitopololahy Manampahefana Ambony telo mamaritra ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra, dia ny Loholona S. Mark Palmer sy ny Loholona Joseph W. Sitati ary ny Loholona Joni L. Koch, niaraka tamin’ny vadin’izy ireo avy. Teo ihany koa ny Loholona Kevin R. Duncan, Fitopololahy Manampahefana Ambony sy tale mpanatanteraka ao amin’ny Departemantan’ny Tempoly.

Rehefa misy tempoly vaovao akaiky kokoa dia misy fahafahana vaovao tonga: mitsaoka imbetsaka kokoa, manao asan’ny tempoly bebe kokoa ho an’ireo razambe efa maty ary manompo matetika bebe kokoa ho mpanatanteraka ôrdônansy na manolo-tena hiasa ao amin’ny tempoly.

Hoy i Winstanley hoe: “Ho an’ireo mpikambana dia zavatra tokony hianarany sy hotakariny izany, ny hoe ny tempoly dia toerana hitsaohana sy haleha matetika, izay ahafahana manavao ireo fanekempihavanana natao. Mila ianaran’izy ireo izany dingana izany tahaka ny nataonay tany Johannesburg, fa ny fandehanana any amin’ny tempoly dia tsy fitsidihana indray mandeha fotsiny fa dingana mitohy hitsaohana sy hanompoana.”

Nilaza ny Loholona Cook hoe: “Mahafaly ahy ny mieritreritra ireo olona izay hameno ny tempoly, izay miasa sy manompo ary mampandroso ny asan’ny Tompo ety an-tany sy ho an’ireo izay any ambadiky ny voaly. Fitahiana lehibe ho an’ny olona eto izany, sy ho antsika tsirairay izay mifaly ato amin’ity tempoly ity. Tsy ho toy ny taloha intsony ny fiainantsika.”

I Bricknell sy i Winstanley ary ny hafa dia manantena ny tempolin’i Durban tsy hitondra fitahiana sy fahafahana ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana fotsiny fa hitondra fiantraikany tsara ihany koa eo amin’ny vahoaka sy ny tany, tahaka ny fahitana ny tempolin’i Johannesburg sy ireo tsodrano notononon’ny Filoha Gordon B. Hinckley tamin’ny fanokanana izany ho nitarika ny fihavanana sy ny fandriampahalemana tao Afrika Atsimo.

Ny fisian’ny tempoly faharoa angamba dia mety hanohana ireo mpikamban’ny Fiangonana eo am-pikatsahan’izy ireo fianarana sy asa tsara kokoa amin’ny alalan’ny BYU-Pathway maneran-tany na ny fandaharan’asan’ny fizakan-tena an’ny Fiangonana, na hanamaivana ny fahasarotan’ny toe-karem-pirenena na hanampy ny olona amin’ny fomba hafa, hoy i Bricknell.

“Tempoly hafa izany ary antony iray hafa. Ny Tompo no mifehy ny fotoany, ilay ‘drafitra masina’ araka ny lazain’ny Loholona Rasband,” hoy izy. “Ny zavatra nataon’ny tempolintsika tao Afrika Atsimo—sy ny Fiangonana ary ny filazantsara—dia ny nanandratra avo ny fijery sy ny tanjon’izy ireo.”