2020
Manompo amin’ny alalan’ireo hetsika ataon’ny Fiangonana
Jolay 2020


“Manompo amin’ny alalan’ireo hetsika ataon’ny Fiangonana,” Liahona, Jolay 2020

Sary
manompo

Sarin’ireo zatovolahy manangana trano lay nalain’i Bud Corkin; sarin’ny zatovovavy mandamina latabatra nalain’i Sherie Price McFarland; sary lafika avy tao amin’ny Getty Images

Fitsipika momba ny Fanompoana, jolay 2020

Manompo amin’ny alalan’ireo hetsika ataon’ny Fiangonana

Fanamarihan’ny mpanoratra: Ity lahatsoratra ity dia natao talohan’ny valanaretina COVID-19. Ny sasany amin’ireo sosokevitra eto ambany dia tsy ho azo ampiharina mandritra ny fotoana fihibohana fa ho azo ampiharina kosa rehefa miverina indray ireo fivoriana sy fiaraha-mientan’ny Fiangonana. Raha ilaina dia ampifanaraho amin’ireo toromarika omen’ny Fiangonana sy ny fitondram-panjakana ireto sosokevitra ireto.

Ny fomba iray ahafahantsika manompo ireo mpikambana mpiara-mivavaka amintsika sy ny mpiara-belona amintsika ary ny namantsika dia amin’ny alalan’ireo hetsika ataon’ny Fiangonana. Na ianao mandrafitra hetsika manodidina ireo filana na ny zavatra mahaliana ny olona tompoinao na manasa azy ireo handray anjara amin’ireo hetsika na asa fanompoana ny hafa, ny hetsika eo anivon’ny paroasy, na tsatòka, na itambaran’ny tsatòka maro aza, dia afaka manome fomba manan-danja sy mampiala voly hanomezana vahana ny firaisan-kina sy hampaherezana ireo mpikambana.

Ny hetsika ataon’ny Fiangonana ihany koa dia afaka manokatra ny varavarana ho amin’ny fahafahana maro hanompoana. Ohatra, ny hetsika ataon’ny Fiangonana dia afaka manome fahafahana handray anjara amin’ny tetik’asa fanompoana izay mitahy ny hafa sy manorina fifandraisana tsara eo amin’ny fiaraha-monina. Ny hetsika ataon’ny Fiangonana dia afaka ny ho fahafahana ihany koa hanatonana ireo mpikamban’ny Fiangonana efa malaindaina sy ireo namana avy amin’ny antokom-pinoana hafa na namana tsy manana antokom-pinoana.

Ny fampidirana olona maro ao amin’ireo hetsika ataon’ny Fiangonana dia mamorona fahafahana ho an’ ny Tompo mba hitahy sy hampahery ny paroasintsika sy ny sampana misy antsika, ny mpiara-belona amintsika, ary ny fiaraha-monina misy antsika.

Manorina fifandraisana tsara

Antomotra ny ririnina ary tsy hitan’i David Dickson ny fomba hihazonana ny fianakaviany ho mafana.

Vao nifindra tao Fredonia, tanàna ambanivohitra ao Arizona, Etazonia izay toerana karakaina voahodidina hantsana sy ireo ahitra maniry amin’ny tany maina i David sy ny vadiny ary ireo zanany vavy anankiroa.

Ny trano izay nofain-dry Dickson dia niantehitra tamin’ny fatana kitay iray ho loharanon-kafanana. Nahatsikaritra haingana i David fa fahaiza-manao nilaina ny fanangonana kitay satria ny ririnina any Fredonia dia feno oram-panala sy ranomandry.

“Tsy nanana kitay mihitsy na tsofa na mba fahalalana momba ny fampiasana izany akory aho!” Hoy i David. “Tsy haiko hoe inona no hataoko.”

Nisy mpikambana vitsivitsy tao amin’ny paroasy nanontany an’i David raha toa ka nanana hazo ampy entina miatrika ny ririnina ny fianakaviany. “Tsy ela akory tamin’izy ireo dia fantany fa tsy nanana aho,” hoy i David. “Nanolotra ny fanampiany hanangona hazo avy eo ny kôlejin’ny loholona. Heniky ny fankasitrahana aho no nanaiky ny fanoloran-tenan’izy ireo.”

Tsy ela dia fantatr’i David fa io dia fanangonana hazo io dia anisan’ireo hetsika maro fanao ao amin’ny paroasy izay tsara omana sy tsara fandrafetana ary be mpandray anjara. Indray sabotsy maraina i David sy ny kôlejin’ny loholona ary ireo mpikambana hafa tao amin’ny paroasy dia nitanjozotra nankany amin’ireo tendrombohitra niaraka tamin’ireo fiara vaventy mitarika remorque.

“Tao anatin’ny tolakandro iray monja, izay isaorako noho ireo fitaovana sy fahaiza-manao nananan’izy ireo, dia nanolotra ny fianakavianay antontan-kazo izay naharitra anay nandritra ny ampahany lehibe tamin’ny ririnina anankiroa ireo mpikambana tao amin’ny paroasy,” hoy i David. “Fa ny tena manan-danja dia nianatra izay rehetra nilaiko fantarina momba ny fanangonana hazo aho. Tamin’ny fotoana nandaozanay an’i Fredonia dia nahay nihazona tsofa aho, ary nanampy tamin’ireo hetsika maro hafa tsy tambo isaina fanangonana hazo izay nataon’ny paroasy.”

Ny hetsika ataon’ny paroasy tahaka itony dia tsy vitan’ny hoe manorina fifandraisana tsara eo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana fotsiny fa manorina fifandraisana tsara ihany koa eo amin’ny olona tsirairay ao amin’ny fiaraha-monina.

“Tsaroako ny vehivavy iray tsy mpikamban’ny Fiangonana izay vaovao teo amin’ilay faritra,” hoy i David. “Nionona tamin’ny fandorana hazo tao an-tranony izy mba hahazoana hafanana. Raha vantany vao fantatray ny zavatra manjo azy dia nataonay izay nananany hazo ampy hiatrehany ny ririnina. Tena heniky ny fankasitrahana izy ka zara raha afaka niteny.”

Ireo ezaka natao entina nanompoana tao Fredonia dia nanome antoka fa voaro sy mafana tsara ny tsirairay mandritra ny ririnina.

Manolo-tanana ny hafa

Raha nanao asa fitoriana tany Roumanie i Meg Yost sy ny namany mpiara-mitory dia namangy matetika fianakaviana iray izay efa tsy nandeha niangona nandritra ny fotoana ela. “Ry Stanica no anisan’ireo mpikamban’ny Fiangonana voalohany indrindra tao Roumanie,” hoy i Meg, “ary tianay izy ireo.”

Rehefa tonga ny fotoana hanomanana hetsika hataon’ny sampana dia nanapa-kevitra ireo mpitarika ny hanaovan’ny sampana “Takarivan’ny mpamaky lay.” Izany dia takariva hanaovana fankalazana an’ireo mpamaky lay izay namakivaky an’i Etazonia ho ao amin’ny lohasahan’i Salt Lake. Ho fahafahana hanomezana voninahitra an’ireo mpamaky lain’ny Fiangonana tao Roumanie ihany koa izany.

“Neritreretinay fa ho fomba tena tsara ho an’ireo mpikambana sasany izany hijoroany ho vavolombelona ny amin’ny fiovam-pony sy ny fomba fahitany ny fitombon’ny Fiangonana tao Roumanie,” hoy i Meg. “Avy hatrany izahay dia nieritreritra fa tokony handray anjara ny fianakaviana Stanica. Nasainay izy ireo mba handray anjara, ary tena faly izy ireo!”

Tamin’ny alina hanaovana ilay hetsika dia mbola tsy tonga ry Stanica tamin’ny fotoana nanombohana.

“Natahotra izahay hoe tsy ho tonga ry zareo,” hoy i Meg. “Sady ara-potoana tsara ry zareo no niditra ny varavarana. Nizara fijoroana ho vavolombelona tena tsara momba ny filazantsara sy ny Fiangonana ry Stanica. Nikorana niaraka tamin’ireo mpikambana izay tsy hitan’izy ireo efa ela ihany koa ry zareo.

Nandray an-dry Stanica an-tanan-droa tsara ireo mpikambana tao amin’ilay sampana. Ny alahady manaraka izay dia faly ery i Meg nahita an-dRahavavy Stanica tany am-piangonana.

“Rehefa nitsidika ilay sampana aho volana vitsivitsy taty aoriana dia mbola tonga foana izy!” Hoy i Meg. “Ny fahafahany nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany sy nahatsapa ho nandray anjara sy nilaina tao amin’ilay sampana no tena nanampy azy.”

Sosokevitra 4 entina manompo amin’ny alalan’ireo hetsika ataon’ny Fiangonana

  • Manomana hetsika izay mifanentana amin’ny zavatra ilaina: Ny hetsika dia fomba tsara hanatanterahana filana maro isan-karazany. Azo omanina mba hanatanterahana filana manokana ananan’ny olona iray na andian’olona izany. Tokony hahatanteraka ny zavatra ilain’ireo izay mandray anjara ihany koa izany, na izany filana izany dia ny hifankahalalan’ny tsirairay bebe kokoa, na hianatra bebe kokoa momba ny filazantsara, na hahatsapa ny Fanahy.

  • Asao ny tsirairay: Rehefa manomana hetsika ianao dia manaova ezaka manokana hanasana ireo izay hahazo tombontsoa amin’ny fandraisana anjara amin’izany. Tsarovy ireo mpikambana vaovao, ireo mpikambana malaindaina, ireo zatovo, ireo tanora tsy manambady, ireo olona manana fahasembanana, ary ireo olona avy amin’ny finoana hafa. Asao izy ireo ka ataovy ao an-tsaina ny tena tombontsoan’izy ireo indrindra, ary asehoy fa tena tianao ho tonga izy ireo.

  • Amporisiho handray anjara: Haharay zavatra betsaka kokoa avy amin’ny hetsika ireo olona asainao raha toa ka hanana ny fahafahana mba handray anjara izy ireo. Ny fomba iray handrisihana ny fandraisana anjara dia ny fanasana ny tsirairay hampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananany sy ny fahaiza-manaony ary ny talentany mandritra ilay hetsika.

  • Raiso tsara ny tsirairay: Raha toa ka manatrika hetsika ireo namanao dia ataovy izay azonao atao hahatonga azy ireo hahatsapa ho voaray tsara. Toy izany koa rehefa mahita olona tsy fantatrao ianao dia aoka ho tsara fanahy aminy ary raiso tsara ihany koa izy ireo.