2021
Ahoana no ahafahako mahafantatra fa maheno ny feon’ny Tompo aho amin’ny fiainako?
Febroary 2021


“Ahoana no ahafahako mahafantatra fa maheno ny feon’ny Tompo aho amin’ny fiainako?” Ho zatovo mahery! 29 feb. 2021.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, febroary 2021

Ahoana no ahafahako mahafantatra fa maheno ny feon’ny Tompo aho amin’ny fiainako?

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba “hisaintsaina lalina sy matetika” momba ny fomba ahenoantsika an’i Jesoa Kristy sy “hanaovantsika dingana manokana mba haheno Azy bebe kokoa sy matetika kokoa” ( (“‘How Do You #HearHim?’ A Special Invitation,” Feb. 26, 2020, blog.ChurchofJesusChrist.org).

Afaka maheno Azy amin’ny alalan’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona isika. Fa tsy ny fihainoana na famakiana ireo teny ireo fotsiny ihany no manan-danja mahatonga izany. Nanazava ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Ny feoko no miteny [ireo teny ireo] aminareo; satria omena anareo amin’ ny alalan’ ny Fanahiko ireto … ;

“Koa afaka mijoro ho vavolombelona ianareo fa efa nahare ny feoko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:35–36).

Ho fanampin’izany, ny fikatsahana ny haheno Azy dia tsy zavatra izay ataontsika tsindraindray. Nilaza ny Filoha Nelson hoe, “Mila ezaka an-tsitrapo sy tsy tapaka izany” (“Henoy Izy,” Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, apr. 2020 [Liahona, mey 2020, 89]).

Rehefa mandalina sy mivavaka sy mitsaoka sy manompo ary mankatò ireo didin’ny Tompo ianareo dia hitahy anareo amin’ny Fanahiny Izy, ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hiova ianareo. Aorian’izany dia afaka hahafantatra ianareo fa efa nandre ny feony.