2021
Nilaza tamintsika Andriamanitra mba hatao batisa
Febroary 2021


“Nilaza tamintsika Andriamanitra mba hatao batisa,” Liahona, febroary 2021

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, febroary 2021

Nilaza tamintsika Andriamanitra mba hatao batisa

Namela ohatra ny amin’ny fanaovana batisa amin’ny alalan’ny olona iray izay manana ny fahefan’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Na dia tsy manana antsipiriany maro momba ny fiainana manokan’i Jesoa Kristy aza isika dia mahafantatra kosa fa Izy dia natao batisa teo amin’ny faha-telopolo taonany (jereo ny Lioka 3:23). Ireto misy zavatra maromaro izay ianarantsika momba ny batisa avy amin’ny ohatra nasehony.

Ho an’ny olon-drehetra

Tian’ny Raintsika any An-danitra hatao batisa isika rehefa ampy taona sy matotra tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:42). Tonga lafatra i Jesoa, saingy mbola nisafidy ny hatao batisa Izy mba hanaraka ny didin’ Andriamanitra (jereo ny Matio 3:13–17; 2 Nefia 31:7). Na dia ireo izay efa maty aza dia mbola afaka manaiky ny batisa. Manolotra izany ho azy ireo isika rehefa atao batisa ho azy ireo any amin’ny tempoly. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15–18.)

Sary
batisa

Tanterahina amin’ny alalan’ny fahefana

Tsy olon-tsotra fotsiny no nanao batisa an’i Jesoa. Izy dia nandeha manokana tany amin’i Jaona havany, izay nanana ny fahefan’ny Fisoronana avy tamin’ Andriamanitra. Very tsy teto an-tany intsony izany fahefana izany taorian’ny nahafatesan’i Jesoa sy ny namonoana an’ireo mpianany. Ary avy eo, tamin’ny 1829, dia niseho tamin’i Joseph Smith i Jaona Mpanao Batisa ary nanome azy fahefana mba hanaovana batisa amin’ny anaran’ Andriamanitra. Noho izany famerenana amin’ny laoniny izany dia azo atao batisa amin’ny alalan’izany fahefana izany isika ankehitriny.

Sary
Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna

Fampanantenana ifanaovan’olon-droa

Ny batisa dia ahitana fampanantenana ifanaovan’olon-droa, na koa fanekempihavanana, ifanaovantsika sy Andriamanitra. Mampanantena isika fa:

  1. Hitondra ny anaran’ i Kristy eo amintsika.

  2. Hahatsiaro Azy mandrakariva.

  3. Hitandrina ny didiny.

Ho setrin’izany dia mampanantena Andriamanitra fa hiaraka amintsika mandrakariva ny Fanahiny. Mampahatsiahy antsika an’io fanekempihavanana io isan-kerinandro ireo teny ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79.)

Sary
fianakaviana ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ampahany manan-danja amin’ny batisa ny fandraisana ny Fanahy Masina

Niseho tamin’ny endriky ny voromailala ny Fanahy Masina taorian’ny nanaovana batisa an’i Jesoa (jereo ny 2 Nefia 31: 8). Ankehitriny, rehefa vita batisa ny olona dia raisina ho mpikambana. Izany dia midika fa mandray tsodrano manokana izy ireo izay anasana azy ireo mba handray ny fanomezana ny Fanahy Masina izay manadio ara-panahy (jereo ny 2 Nefia 31:17). Afaka mampitandrina antsika amin’ny loza, mankahery antsika, mitarika antsika mba hanao safidy tsara, ary hanampy antsika hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:6).

Sary
vehivavy iray raisina ho mpikambana

Afaka mibebaka mandrakariva isika

Fantatr’ Andriamanitra fa hanao fahadisoana isika. Na dia eo aza ireo ezaka tsara indrindra ataontsika dia mbola hanota isika ka tsy hahavita hitandrina ny fanekena nataontsika tamin’ny batisa. Noho izany dia manome ny tsirairay amintsika ny fahafahana mba hibebaka Izy. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13.) Isan’andro isika dia afaka manao izay farany vitantsika mba hifonana sy hanitsiana ny ratsy izay mety ho vitantsika. Afaka mivavaka ary mangataka ny famindram-pon’ny Tompo isika. Ary aorian’izany, rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo amin’ny fo mietry isika dia afaka ny hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika (jereo ny 3 Nefia 18: 11).

Sary
Vehivavy iray mivavaka eo akaikin’ny fandriana

Inona no lazain’ny soratra masina momba ny Batisa?

Tokony hanampy ireo zanany ho amin’ny batisa ny ray aman-dreny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25).

Tsy mila atao batisa ireo izay latsaky ny valo taona (jereo ny Môrônia).

Rehefa atao batisa isika dia mampanantena fa “hiara-malahelo amin’izay malahelo… ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy antsika.” (Môzià 18:9).