2021
Fitsidihana nataon’i Jaona Mpanao Batisa
Febroary 2021


“Fitsidihana nataon’i Jaona Mpanao Batisa,” Namana, febroary 2021

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, febroary 2021

Fitsidihana nataon’i Jaona Mpanao Batisa

Sary
I Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mivavaka

Sary nataon’i Apryl Stott

Indray andro dia nanana fanontaniana iray i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Ahoana no fomba tena mety fanaovana batisa? Nivavaka izy ireo mba hahafantatra ny valiny.

Sary
Jaona Mpanao Batisa

Nisy anjely tonga. Jaona Mpanao Batisa ilay izy. Izy no nanao batisa an’i Jesoa. Nilaza tamin’izy ireo Izy fa mila ny fisoronana izy ireo mba hanaovana batisa olona.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa manome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith

Nanome tsodrano an’i Joseph sy i Oliver i Jaona. Nomeny azy ireo ny fisoronana. Izao izy ireo dia afaka manao batisa olona amin’ny fomba nanaovana batisa an’i Jesoa.

Sary
i Oliver Cowdery manao batisa an’i Joseph Smith

Nataon’i Joseph batisa tao amin’ny renirano i Oliver. Avy eo dia nataon’i Oliver batisa i Joseph. Taty aoriana dia natao batisa ihany koa ny olon-kafa maro.

Sary
ray manao batisa ny zanany vavy

Tafaverina eto an-tany ny fisoronana satria namaly ny vavak’ i Joseph Smith ny Ray any An-danitra! Azo atao batisa tahaka an’i Jesoa aho.

Pejy holokoina

Azo atao batisa isika

Sary
A pencil drawing of Joseph baptizing Oliver Cowdery.

Inona no azonao atao mba hanarahana an’i Jesoa Kristy?