2021
Nanavotra antsika tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy
Aprily 2021


“Nanavotra antsika tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy,” Liahona, aprily 2021

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona aprily 2021

Nanavotra antsika tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy

Noho ny sorona nataony dia manana ny fahafahana hahita fiadanam-po sy fifaliana mandrakizay isika rehetra.

Sary
Ilay Fanasana Farany

I Kristy mamorina ny tany, nataon’i Robert T. Barrett

Antsointsika hoe Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy. Ny anton’izany dia noho Izy nanefa ny saran’ny fahotantsika ary nandresy ny herin’ny fahafatesana. Namonjy antsika Izy! Ny sorona nataony ho antsika, antsoina hoe Sorompanavotana, no zava-dehibe indrindra nitranga hatrizay. Noho Izy dia tsy fahafatesana no fiafarana. Noho Izy dia afaka mahazo famelana ny fahotantsika isika, lasa madio indray ary hitombo kokoa isan’andro.

I Jesoa Kristy no Lahimatoa

Niaina niaraka tamin’ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra isika talohan’ny nahatongavantsika tety an-tany. Amin’ny maha-Lahimatoa Azy dia nanampy tamin’ny famoronana an’ity tontolo mahafinaritra ity i Jesoa Kristy. Nofidìna ho Mpamonjy antsika Izy ary nanaiky ny ho teraka tety an-tany mba hahafahany manome ohatra tonga lafatra, hampianatra ny filazantsarany ary hamita ny Sorompanavotana ho antsika.

Sary
I Jesoa nivavaka tao Getsemane

O My Father (Raiko ô!), nataon’i Simon Dewey

Nanefa ny saran’ny fahotantsika i Jesoa Kristy

Rehefa fantatr’i Jesoa fa ho faty tsy ho ela izy dia nankany amin’ny saha antsoina hoe Getsemane Izy hivavaka. Nandritra io vavaka io dia nanomboka nanefa ny saran’ny otantsika Izy. Nijaly an-tsitrapo Izy mba hahatonga antsika ho tsy voatery hijaly—raha mibebaka isika. Rehefa miala amin’ny fahotantsika isika ka manaraka ny Mpamonjy kosa dia afaka mahita famelan-keloka sy fanasitranana. Noho izay niainany tao Getsemane dia takatr’i Jesoa tsara izany hoe toy ny ahoana isika tsirairay. Nahatsapa ny alahelontsika sy ny aretintsika ary ny fanaintainantsika rehetra Izy. Izany no ampahany voalohany amin’ny Sorompanavotana.

Sary
Fandevenana an’i Kristy

Ny fandevenana an’i Kristy, nataon’i Carl Heinrich Bloch

Nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy

Taorian’ny vavaka nataony tao Getsemane dia nisy namadika i Jesoa, nosamborina ary nohelohina ho faty tamin’ny hazofijaliana. Na dia mahery indrindra aza Izy, dia namela ny tenany ho faty teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa. Napetrak’ireo mpanaradia Azy tamim-pitiavana tao am-pasana Izy. Tsy fantatr’izy ireo fa na dia maty aza ny vatany dia mbola velona tao amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahiny. Telo andro taty aoriana dia velona indray i Jesoa ary nitsidika azy ireo, nanaporofo fa afaka mandresy ny fahafatesana Izy. Izany no nahafeno ny Sorompanavotana. Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, dia ho velona indray ny tsirairay amintsika aorian’ny fahafatesana.

Sary
I Kristy sy i Maria teo am-pasana

Velona Izy, nataon’i Simon Dewey

Ny hevitry ny Krismasy sy ny Paska

Ny ankabeazan’izao tontolo izao dia mankalaza fety roa izay manampy antsika hahatsiaro ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mandritra ny Krismasy dia mahatsiaro amim-pankasitrahana isika fa nanaiky an-tsitra-po ny iraka ho tonga ety an-tany i Jesoa, na dia ao anatin’izany aza ny fijaliana sy ny fahafatesana ho antsika. Mankalaza ny fandresen’ny Mpamonjy ny ota sy ny fahafatesana ny Paska, izay manome antsika fanantenana hoavim-pifaliana mandrakizay.

Sary
I Kristy miantso an’i Petera sy i Andrea

I Kristy miantso an’i Petera sy i Andrea, nataon’i James Taylor Harwood

Inona no lazain’ny soratra masina momba ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy?

Satria fantatr’i Jesoa tanteraka isika dia afaka “mamonjy” na manampy antsika Izy (jereo ny Almà 7:11–12).

Mahatakatra ny alahelontsika sy ny fahoriantsika ny Mpamonjy (jereo ny Isaia 53:2–5).

Nandefa an’i Jesoa hamonjy antsika Andriamanitra satria tia ny tsirairay amintsika Izy (jereo ny Jaona 3:16–17).

Nivavaka ho an’ny mpanaradia Azy i Jesoa, isan’izany isika, mba ho voaro amin’ny ratsy sy mba ho iray miaraka Aminy sy ny Ray any An-danitra (jereo Jaona 17).

Manasa antsika hanaraka Azy sy hiverina ho eo anatrehany ny Mpamonjy antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19, 23–24132:23).