2021
Nizara ny filazantsara ireo misiônera
Aprily 2021


“Nizara ny filazantsara ireo misiônera,” Namana, aprily 2021

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, aprily 2021

Nizara ny filazantsara ireo misiônera

Sary
Misiônera roa tamin’ny taonjato faha-19

Sary nataon’i Apryl Stott

Taorian’ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna dia niantso misiônera Andriamanitra mba handeha hampianatra olona maro kokoa momba izany.

Sary
Nametraka tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna i Samuel Smith

I Samuel, rahalahin’i Joseph Smith, dia nitondra kitapo feno tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna mba hozaraina. Vory ny olona nihaino azy nampianatra.

Sary
Misiônera nampianatra tany amin’ireo nosy Pasifika tamin’ny taonjato faha-19

Nisy misiônera hafa nampianatra olona tany Eorôpa. Ny sasany nampianatra ny olona nonina tany amin’ireo nosy.

Sary
Misiônera vehivavy tany Angletera tamin’ny taonjato faha-19

Taty aoriana, ireo rahavavy misiônera ôfisialy voalohany dia nantsoina hanompo tany Angletera.

Sary
Ankizy eny amin’ny kianja filalaovana, mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Afaka ny ho misiônera koa aho. Afaka mizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa aho.

Pejy lokoina

Afaka mizara ny filazantsara aho

Sary
Ankizy miaraka amin’ny sarin’i Jesoa

Ahoana no ahafahanao milaza amin’ny hafa momba an’i Jesosy Kristy?