2021
Zazalahy kely iray no nilaina hamonjena tanàna iray
Aprily 2021


“Zazalahy kely iray no nilaina hamonjena tanàna iray,” Ho zatovo mahery! apr. 2021, 10–11.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, aprily 2021

Zazalahy kely iray no nilaina hamonjena tanàna iray

Vao 12 taona monja i Tom Fanene, kanefa rehefa tratry ny aretina mandripaka ny tanànany tao Samoa, dia nasaina nanao zavatra lehibe izy.

Sary
Nosy Samoana ahitana zazalahy manampy ny mponina marary

Sary nataon’i James Madsen; sary avy amin’ny Getty Images

Araka ny lazain’ny fanevann’ny zatovo amin’ity taona ity, ianareo dia “mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe [iray]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33). Manerana ny tantaran’ny Fiangonana dia matetika no zatovo no nitana andraikitra lehibe nandritra ny fotoan-tsarotra teo amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Indro misy ohatra anankiray.

Valanaretina tany amin’ny nosy

Maherin’ny 100 taona lasa izay, tany amin’ny Nosy Samoana any amin’ny Ranomasimbe Pasifika, dia nisy zazalahy iray nantsoina hoe Tom Fanene nanampy be nandritra ny toe-javatra nihatra aman’aina teo amin’ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesosy Kristy an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

I Tom dia nipetraka tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Sauniatu, izay natsangan’ny Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ilay faritra ho toerana hivorian’izy ireo sy hanorenana fiarahamonina iray. Toy ny Olomasin’ Andriamanitra amin’ny fotoana sy toerana hafa dia niaina fitsapana ary koa fahagagana izy ireo rehefa niara-niasa nanangana ny fanjakan’ Andriamanitra. Nisy fitsapana iray tonga tamin’ny 1918, rehefa nisy areti-mandringana gripa tonga tao amin’ilay tanàna.

Raha vantany vao tonga ilay aretina, dia nahatsiravina, ary niely haingana izany. Saika ny tsirairay tamin’ireo mponina manodidina ny 400 no tsy afa-nitsangana teo am-pandriana noho izany. Ny roa tamin’izy ireo ihany no natanjaka ka afaka nivezivezy: lehilahy antitra iray sy i Tom 12 taona.

Finoana sy asa mafy

Ny fianakavian’i Tom dia efa nampihatra finoana teo anatrehan’ny aretina tany aloha ary nahita fahagagana vokatr’izany. I Ailama zandrin’i Tom dia narary taona vitsivitsy talohan’izay. Nanonofy i Elisala rainy, ka nahazo torolalana miavaka momba izay tokony hatao hikarakarana an’i Ailama teo anatrehan’izany: mitadiava hazo wili-wili, alao ny hodi-kazo sasany ary totohy hahazoana ny ranony. Nanao izany i Elisala ary nitondra ny ranony tany amin’ i Ailama, izay nisotro izany ary tsy ela dia sitrana. Hitan’i Tom koa fa afaka manampy amin’ny fandresena ny aretina ny fanaovana asa amim-pinoana.

Nandritra ny valanaretina gripa tamin’ny 1918 dia naneho finoana i Tom rehefa niasa mafy hikarakarana ny olona tao an-tanàna. “Isa-maraina dia nitety isan-trano aho mba hanome sakafo sy hanadio ny olona ary hahitana hoe iza no maty,” hoy izy.

Naka rano roa siny avy tamin’ny loharano izy ary nitondra rano ho an’ny isan-trano. Nihanika hazo voanio izy, naka voanio, namoafy izany, ary nanangona ny ranom-boankazo hoentina any amin’ireo marary. Novonoiny daholo koa ny akoho tao an-tanàna nanaovana lasopy ho an’ny fianakaviana tsirairay.

Mitondra fiovana

Nandritra io valanaretina io dia manodidina ny ampahefatry ny olona rehetra tao Samoa no matin’ilay gripa. Ny sasany tamin’ireo olona tao amin’ny tanànan’i Tom dia maty ihany koa. Nanampy nandavaka fasana i Tom ary nandevina ny 20 mahery tamin’izy ireo, anisan’izany i Elisala rainy.

Saingy noho ny asa mafy nataon’i Tom sy ny fikarakarany tamim-pitiavana dia maro ny olona tao amin’ny tanànany no tafavoaka velona. Nitondra fiovana lehibe ho an’ireo olona ireo sy ny fananganana ny fanjakan’ny Tompo tao Samoa izy. Izy dia “nandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe iray.”

Ary dia toy izany koa ianareo, amin’ny fomba ataonareo manokana.

Mety tsy voantso hanao ireo karazana zavatra nataon’i Tom ianareo, fa raha ny marina, dia maneho finoana amin’ny fomba isan-karazany izay hitondra fiovana lehibe aminareo, sy amin’ny hafa, ary amin’ny asa fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo.

Manome ohatra ho an’ny fianakavianareo, ho an’ny namanareo ary ireo olona hafa ianareo amin’ny fanehoana hatsaran-toetra, faharetana, sy hatsaram-panahy ary fitiavana. Manompo ny hafa ianareo. Mazoto amin’ny fandalinana soratra masina sy ny vavaka ianareo. Mizara ireo fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ianareo.

Nandritra iny taona lasa iny dia maro taminareo no efa nanao ireo zavatra ireo sady niaritra ireo vokatry ny valanaretina iray. Mety tsy nantsaka rano sy nitady voanio ary nikarakara olona 400 mba hahazo fahasalamana indray ianareo, kanefa nitondra fampiononana, fanantenana, sy fifaliana ary fiadanana ho an’olona tamin’ny fomba maro hafa ianareo.

Tsy dia misy dikany ny taonanareo raha oharina amin’ny finoanareo sy ny fahavononanareo hiasa sy hanompo ny hafa. Ireo ohatra avy amin’ny lasa, toa ny an’i Tom Fanene, dia afaka manampy anareo hahita fa ilaina amin’ny fandatsahana ny fanorenana ny asa lehiben’ Andriamanitra ianareo.