2021
Nanavotra ny toe-draharaha ry Rollins mpirahavavy tamin’io andro io!
Jona 2021


“Nanavotra ny toe-draharaha ry Rollins mpirahavavy tamin’io andro io!” Namana, Jona 2021

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, Jona 2021

Nanavotra ny toe-draharaha ry Rollins mpirahavavy tamin’io andro io!

Sary
I Joseph Smith mijery taratasy

Sary nataon’i Apryl Stott

Nilaza tamin’ny Mpaminany Joseph Smith zavatra manan-danja maro hanampiana antsika i Jesoa Kristy. Nanangana milina fanontam-pirinty ny Fiangonana hanontana ny tenin’i Jesoa. Amin’izay ny olona afaka mamaky azy ireo.

Sary
lehilahy manipy taratasy

Indray andro nisy andiana lehilahy tezitra tonga. Nopotehan’izy ireo ilay milina fanontam-pirinty. Narian’izy ireo teny amin’ny arabe ireo pejin’ny soratra masina.

Sary
tovovavy mihazakazaka miaraka amin’ny taratasy

Nahita ny zava-nitranga ny mpirahavavy antsoina hoe Mary Elizabeth sy Caroline Rollins. Nihazakazaka izy ireo ary nanangona ireo pejy teo an-tànany.

Sary
tovovavy miafina ao amin’ny tanin-katsaka

Niafina tany anaty tanin-katsaka ireo tovovavy mandra-pialan’ireo lehilahy. Nanavotra ny soratra masina izy ireo! Lasa ampahany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireo soratra masina ireo taty aoriana

Sary
tovovavy sy ny renibeny mamaky soratra masina ao anaty fiara fitaterana

Afaka mamaky ny soratra masina aho. Afaka ny ho mahery fo sy hijoro amin’ny zavatra inoako aho.

Pejy lokoina

Afaka ny ho mahery fo aho

Sary
zaza mahazo tsindrona

Inona no manampy anao hahery fo?