2021
Inona no atao hoe Ny Andriamanitra?
Jona 2021


“Inona no atao hoe Ny Andriamanitra?,” Liahona, Jona 2021

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, Jona 2021

Inona no atao hoe Ny Andriamanitra?

Olona telo miavaka manana tanjona iray ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina.

Sary
Fahitana Voalohany

Sombiny avy amin’ny Fahitana Voalohany, nataon’i Jon McNaughton

Nisy tonian’ny famoahan-gazety iray nanontany ny Mpaminany Joseph Smith indray mandeha hoe inona no inoan’ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ho valin’izay dia nanoratra fanambarana mikasika ireo zavatra inoana miisa 13 izay antsointsika hoe ny Fanekem-pinoana ny Mpaminany. Hoy ny fanambarana voalohany hoe: “Mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina” (Fanekem-pinoana 1:1). Ireo telo ireo no mandrafitra ilay antsointsika hoe Ny Andriamanitra.

Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay

Manana vatana nofo sy taolana nitsangana tamin’ny maty Andriamanitra. Izy no Rain’ny fanahintsika. Tiany amin’ny fitiavana tanteraka ireo zanany tsirairay. Tanteraka Izy, manana ny fahefana rehetra ary mahafantatra ny zava-drehetra. Marina sy mamindra fo ary tsara fanahy Izy. Fanahy niaina niaraka tamin’ Andriamanitra isika talohan’ny nahaterahantsika. Nandefa antsika teto an-tany Izy hianatra sy hivoatra. Ny fanirian’ Andriamanitra lehibe indrindra dia ny hiverenan’ireo zanany tsirairay avy hiara-hiaina Aminy indray aorian’ny fahafatesantsika. Mampianatra antsika Andriamanitra fa tsy maintsy manaraka an’i Jesoa Kristy isika mba hiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra.

Sary
I Jesoa Kristy mitory ao amin’ny tontolon’ny fanahy

I Kristy mitory ao amin’ny tontolon’ny fanahy, nataon’i Robert T. Barrett

Jesoa Kristy

Manana vatana nofo sy taolana nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Izy no Zanaka Lahimatoan’ Andriamanitra. Talohan’ny nahaterahantsika dia nofidin’ Andriamanitra ho Mpamonjy antsika Izy. Midika izany fa tonga teto an-tany i Jesoa mba ho ohatra ho antsika, hampianatra ny filazantsarany, hanonitra ny fahotantsika ary hanafaka antsika amin’ny fahafatesana. Afaka ny ho voavela heloka amin’ny fahotantsika isika rehefa mibebaka noho i Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy ihany koa dia nijaly tamin’ny zavatra maro mba hahafahany mahatakatra izay mahazo antsika sy manampy antsika. Maty i Jesoa Kristy ary velona indray, mba hahafahan’ny olona rehetra ho velona indray.

Sary
fandevenana an’i Kristy

Sary avy amin’ny Getty Images

Ny Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina dia mpikambana iray ao amin’ Ny Andriamanitra izay tsy manana vatana nofo. Fanahy Izy. Afaka mifandray mivantana amin’ny fanahintsika ny Fanahy Masina. Mijoro ho vavolombelona amintsika Izy fa tena misy Andriamanitra ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Ny Fanahy Masina dia mpitondra hafatr’ Andriamanitra manome antsika fahatsapana fitiavana, fitarihana na fiononana. Rehefa vita batisa sy noraisina ho mpikambana isika dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Aorian’ny batisantsika dia afaka mijanona miaraka amintsika foana ny Fanahy Masina rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika.

Sary
Fahitana Voalohany

Fahitana Voalohany, nataon’i Walter Rane

Ny Fahitana Voalohany azon’i Joseph Smith

Rehefa nandeha ny fotoana dia misavoritaka momba Ny Andriamanitra ny olona. Tsy niombon-kevitra ny olona momba ny hoe toa iza Andriamanitra, sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Izany no antony iray nahatonga ny Fahitana Voalohany azon’i Joseph Smith ho zava-dehibe tokoa. Hitany fa manana vatana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary olona roa samy hafa.

Sary
Mihaino

Mihaino, nataon’i Michael Jarvis Nelson

Samy hafa nefa iray

Ny soratra masina sy ny mpaminany maoderina dia mampianatra antsika fa olona miavaka manana tanjona iray Andriamanitra, i Jesoa Kristy, ary ny Fanahy Masina, dia ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizaintsika izany (jereo ny Mosesy 1:39 ). Tahaka ireo mpikambana ao amin’ny ekipa iray ihany, dia miara-miasa manampy antsika isan’andro Izy Ireo. Afaka mahatsapa ho akaiky kokoa Azy ireo isika rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika sy misafidy ny marina.

Soratra masina momba Ny Andriamanitra

  • Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia iray amin’ny tanjona (jereo ny Jaona 10:30).

  • Niresaka tamin’ny Zanany ny Ray any An-danitra (jereo ny Matio 3:16–17).

  • Niresaka tamin’ny Rainy i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 11:41).

  • I Jesoa Kristy dia nivavaka ho antsika mba ho iray toy izany koa indray andro any (jereo ny Jaona 17:11).

  • Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:17).

  • Mijoro ho vavolombelona ny Fanahy Masina fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika (jereo ny Jaona 15:26).