2021
Mahita hery hamelana ny hafa
Jona 2021


“Mahita hery hamelana ny hafa,” Ho zatovo mahery!, Jona 2021, 10–11.

Avia, hanaraka Ahy

Mahita hery hamelana ny hafa

Nandidy antsika ny Tompo mba hamela ny hafa. Hanampy antsika hitandrina ny didiny Izy, ka anisan’izany ity iray ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10

Sary
vehivavy mijery olona manolotra ny tanany aminy

Sary nataon’i Jim Madsen

Toa sarotra kokoa ve ny mitandrina ny didy sasany noho ny hafa?

Ity misy didy iray mampitahotra olona maro: “Izaho Tompo, dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10).

Andraso hoe! Tokony hamela ny olon-drehetra izay nanao ny tsy mety tamintsika ve isika? Mba ho vita ve izany?!

Zavatra iray ny mamela ny olona iray izay nanao teny mahery taminao na noho ny fakana ilay mofo farany teo amin’ny latabatra fisakafoana. Fa ahoana kosa ny momba ireo ratra lalina? Ireo fandratrana lehibe mety hanakorontana na mety hanova mihitsy ny fiainantsika?

Indraindray ny fahaizana mamela ny olona iray izay nandratra antsika mafy dia mety tsy ho takatsika manokana.

Ity ny vaovao tsara: Rehefa miaraka amin’ny fanampian’i Jesoa Kristy dia tsy ho voafetra amin’ny zavatra izay vitantsika samirery ihany isika.

Ny fanampiana nilainy

Nahita ny hery nangatahany tamin’ Andriamanitra mba hanampy azy hamela olona ny Kristiana iray mpivavaka be avy any Holandy antsoina hoe Corrie ten Boom.

Nogadraina tao amin’ny toerana fampitobiana babo izy sy i Betsy rahavaviny, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Niaritra fanararaotana mampivarahontsana avy amin’ireo mpiambina ny fonja Nazi i Corrie sy ny hafa. I Betsy rahavaviny aza maty mihitsy vokatry ny fanararaotana natao taminy. Tafavoaka velona i Corrie.

Taorian’ny ady dia nahita ny hery manasitran’ny famelana ny hafa i Corrie. Matetika izy no nizara ny hafany ampahibemaso. Indray andro anefa dia notsapana mafy ny teniny.

Taorian’ny kabary ampahibemaso dia nanatona an’i Corrie ny iray tamin’ireo mpiambina ny fonja mahery setra indrindra tao amin’ireo toby.

Nolazainy tamin’i Corrie fa lasa Kristiana izy hatramin’ny niafaran’ny ady ary nibebaka tamin’ny zavatra mahatsiravina nataony tamin’ny naha mpiambina ny fonja azy izy.

Nanolotra ny tanany izy ary niteny hoe: -Hamela ahy ve ianao?-

Na eo aza ny zavatra rehetra nianarany sy nozarainy momba ny famelana ny hafa dia tsy afaka nanaiky ny tanan’ity lehilahy ity manokana i Corrie sy namela azy, tsy avy amin’ny herin’ny tenany manokana mihitsy.

Nanoratra izy avy eo hoe, “Na dia namaivay tao anatiko aza ireo eritreritra tezitra sy te hamaly faty dia hitako ny maha fahotana azy ireny. … Ry Jesoa Tompo, hoy aho nivavaka, mamelà ahy ary ampio aho hamela azy.

“Niezaka nitsiky aho, [ary] nitolona mba hanangana ny tanako. Tsy vitako izany. Tsy nahatsapa na inona na inona aho, na dia hafanana na fiantrana faran’izay bitika aza. Dia nanao vavaka mangina am-po indray aho. Jesoa ô, tsy mahavita mamela azy aho. Omeo ahy ny famelan-keloka avy Aminao.

“Rehefa nandray ny tanany aho dia nitranga ny zavatra faran’izay tsy nampino indrindra. Toa nisy herinaratra nandalo avy tamin’ny soroko nidina ny sandriko sy niampita ny tanako avy taty amiko nankany aminy, raha nitsiry tao am-poko ny fitiavana ity olona tsy fantatra ity, ary saika nanenika ahy manontolo.

“Ary hitako ihany koa fa tsy miankina amin’ny famelantsika intsony na koa amin’ny fahatsarantsika, ny fanasitranana izao tontolo izao fa miankina amin’ny Azy. Rehefa miteny amintsika Izy mba hitia ny fahavalontsika, dia manome ilay fitiavana ihany koa miaraka amin’ilay didy.”1

Eo Andriamanitra hanampy anao hitandrina ny didiny, ao anatin’izany ny didy hamela ny hafa, na dia sarotra aza izany. Afaka manampy anao Izy toy ny nanampiany an’i Corrie ten Boom.

Ny fanasitranana mendrika anao

Sarotra ny fiainana. Mikorontana izany. Ary tena feno olona manana fahafahana misafidy nomen’ Andriamanitra.

Mandritra ireo fotoana izay anaovan’ny olona iray safidy izay maharary anao mafy, na tsy fanahy iniana akory aza dia afaka mahazo hery manasitrana ianao rehefa mivavaka mangataka fanampiana sy miezaka mba hamela.

Ny famelana ny hafa dia mitondra fanasitranana ho an’ny fanahinao. Miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra, rehefa mamela ny olona iray izay nanao ratsy taminao ianao, dia manala ny enta-mavesatra mahatsiravina eo an-tsorokao izay mety hanakana anao. Na dia tsapa fa sarotra aza ny lalana mankany amin’ny tena fanasitranana, dia tsy voatery handeha irery velively ianao, rehefa miaraka amin’ Andriamanitra.