2021
Ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra
Aogositra 2021


Ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra,” Liahona, aogositra 2021

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, aogositra 2021

Ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra

Mitahy antsika amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana Andriamanitra. Mety ho azon’ny olona rehetra ireo fitahian’ny fisoronana ireo.

Ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra. Ampiasainy io hery io mba hitahiana ny Zanany rehetra sy hanampiana azy ireo hiverina sy hiara-hiaina Aminy. Nomen’ Andriamanitra ireo Zanany eto an-tany ny fahefan’ny fisoronana. Afaka mitarika ny Fiangonana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana amin’ny alalan’io hery io, ary afaka manatanteraka ôrdônansy masina toy ny batisa izay manampy antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra ny mpihazona ny fisoronana. Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay mandray ny ôrdônansin’ny fisoronana amim-pahamendrehana sy mitandrina ny fanekempihavanana (fampanantenana masina) dia manana fahafahana hahazo ny herin’ Andriamanitra.

Sary
fanasan’ny Tompo

Nomena an’i Joseph Smith ny herin’ny fisoronana

Fony teto an-tany i Jesoa Kristy dia nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana. Nomeny ny Apôstôliny ihany koa izany hery izany. Maro ireo mpikambana izay nandao ny Fiangonana nandritra ireo taon-jato vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’izy ireo. Nanova ny filazantsara tamim-pahadisoana sy ny fomba fiasan’ny Fiangonana izy ireo. Tsy teto an-tany intsony ny fisoronan’ Andriamanitra. Tamin’ny taona 1829 dia naniraka an’ i Jaona Mpanao Batisa sy ireo Apôstôly Petera sy i Jakoba ary i Jaona i Jesoa mba hanome an’i Joseph Smith ny fisoronana. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany fikambanana eto ambonin’ny tany izay manana an’io fahefana avy tamin’Andriamanitra io.

Sary
Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka

Ny feon’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, nataon’i Linda Curley Christensen sy Michael T. Malm

Fanalahidin’ny Fisoronana

Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay hitarihana ny fampiasana ny fisoronana, toy ny fanomezana lalana ny hanaovana ôrdônansy. I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana. Ny Filohan’ny Fiangonana no hany olona eto an-tany afaka mampiasa ny fanalahidin’ny fisoronana mba hitarihana ny Fiangonana iray manontolo. Afaka mampiasa fanalahidy vitsivitsy mba hanaovana ny asan’ Andriamanitra ny olona sasany eo ambany fitarihany. Mampiasa fanalahidin’ny fisoronana mba hitarihana ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka sahanin’izy ireo ny mpitarika toy ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Satria avy amin’ny mpitarika manana fanalahidin’ny fisoronana ny antso, ireo lehilahy sy vehivavy izay manompo amina antso dia mampiasa fahefan’ny fisoronana rehefa eo am-panaovana ny andraikitr’izy ireo.

Fisoronana Melkizedeka sy Fisoronana Aharôna

Ny fisoronana dia mizara roa: ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fisoronana Aharôna. Amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka no hitarihan’ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana ny asa ara-panahy rehetra ao amin’ny Fiangonana, toy ny fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao ao amin’ny tempoly. Miasa eo ambany fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka ny Fisoronana Aharôna. Ampiasaina izany mba hanatanterahana ôrdônansy toy ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo.

Sary
batisa

Ireo fitahiana entin’ny Fisoronana

Amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ireo ôrdônansy Andriamanitra dia mamela ireo fitahian’ny fisoronana ho azon’ireo Zanany rehetra. Ahitana ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanasan’ny Tompo, ary ny ôrdônansin’ny tempoly izany fitahiana izany. Mandray fanomezana ny herin’ny fisoronana’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo ny lehilahy sy vehivavy izay efa vita fanafiana masina tany amin’ny tempoly. Afaka mandray tsodranon’ny fisoronana ho fanasitranana, sy fampaherezana, ary fitarihana ihany koa isika.

Sary
Mpivady vao any amin’ny tempoly

Inona no lazain’ny soratra masina momba ny fisoronana?

Ny fisoronana izay efa nisy tamin’ny andro fahiny ihany no misy amin’izao fotoana izao (jereo ny Mosesy 6: 7).

Ireo fanalahidin’ny fisoronana dia miantoka fa tontosaintsika amin’ny fomba mirindra ny asan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11).

Ireo lehilahy izay mihazona ny fisoronana dia afaka mampiasa izany “araka ireo fitsipiky ny fahamarinana” irery ihany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36).

Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–67 ny sasany amin’ny andraikitr’ireo izay mihazona ny fisoronana.