2021
Ny Tenin’ny Fahendrena
Aogositra 2021


“Ny Tenin’ny Fahendrena,” Namana, aog. 2021.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, aogositra 2021

Ny Tenin’ny Fahendrena

Sary
I Joseph Smith mampianatra vondron-dehilahy

Nanao fivoriana i Joseph Smith mba hampianarana ny olona momba ny filazantsara. Matetika ireo lehilahy no mifoka sigara sy mihinana paraky.

Sary
I Joseph sy i Emma Smith

Nampanahy an’i Emma Smith izany. Mampisy korontana sy fako be ny setroka sy ny paraky, ary nisy zavatra tsy nilamina momba izany. Nanontany tena i Emma sy i Joseph ny amin’izay mety ho tsapan’ Andriamanitra momba izany.

Sary
I Joseph Smith mivavaka

Nivavaka i Joseph, dia namaly ny Tompo. Nampitandrina ny mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo ny amin’ny sigara sy ny paraky. Nilaza Izy fa tsy tsara ho an’ny vatantsika izany. Nampitandrina azy ireo ihany koa Izy ny amin’ny fisotroana dite sy kafe ary toaka.

Sary
anana

Nilaza Andriamanitra ny hihinanana voankazo, sy legioma ary sakafo hafa mahasalama. Antsointsika hoe ny Tenin’ny Fahendrena ireo fampianarana ireo.

Sary
Ankizivavy mihinana

Afaka miaina ny Tenin’ny Fahendrena aho. Hitahy ahy ny Ray any An-danitra rehefa mikarakara ny vatako aho.

Pejy lokoina

Afaka mikarakara ny vatako aho

Sary
Ankizy mitsambikina amin’ny tady

Inona no ataonao mba hikarakaranao ny vatanao?

Tsindrio eo amin’ilay sary raha hisintona.

Sary nataon’i Apryl Stott