2021
Ny Fisoronan’ Andriamanitra
Aogositra 2021


“Ny Fisoronan’Andriamanitra,” Ho zatovo mahery! aog. 2021, 20–21.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! Aogositra 2021

Ny Fisoronan’ Andriamanitra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84

Ny zavatra tokony ho fantatry ny zatovo tsirairay momba ny fisoronana sy ny fifandraisan’izy ireo amin’izany.

Sary
zatovo

Mba efa tsikaritrareo ve fa mety mampisavorovoro ny teny iray rehefa ampiasaina amin’ny fomba anankiroa? Ohatra, amin’ny fiteny anglisy ny teny hoe earth dia sady entina ilazana ny planeta izay itoerantsika no milaza ny vovoka izay diavintsika. Samy marina avokoa izy roroa, saingy ny zavatra izay tianao holazaina rehefa mampiasa ilay voambolana dia miankina amin’ny votoatin-dresaka amin’ny fotoana iresahana. Ary vao mainka manampy trotraka izany ny hoe raha midika hoe planeta ny earth, dia mbola misy hevitra hoe vovoka ihany izany satria misy vovoka eo amin’ny planeta.

Famaritana ny voambolana hoe Fisoronana

Ny hoe fisoronana dia voambolana iray izay ampiasaintsika eo anivon’ny Fiangonana amin’ny fomba anankiroa. Entina ilazana ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra manontolo izany voambolana izany. Na izany aza anefa, isika ihany koa dia mampiasa ny teny hoe fisoronana amin’ny fomba voafetra—entina hilazana ny “hery sy fahefana izay omen’ Andriamanitra ny olona mpihazona ny fisoronana voatendry mba hiasany amin’ny zavatra rehetra ilaina ho famonjena ireo zanak’ Andriamanitra.”1

Tsy ny herin’ Andriamanitra iray manontolo no fisoronana nomena ny lehilahy. Ity tabilao manaraka ity dia maneho izany hevitra izany.

Ao amin’io tabilao io dia ahitanao ohatra vitsivitsy momba ny herin’ Andriamanitra, izay tsy manam-petra sy tsy misy fetra. Mahita ohatra vitsivitsy mikasika ny hery sy ny fahefan’ny fisoronan’ Andriamanitra izay omeny ny lehilahy mendrika mba hitarihany ny raharaha ao amin’ny Fiangonan’i Kristy ihany koa ianao ao anatin’izany.

Ohatra vitsivitsy momba ny fahefan’ny Fisoronana eo amin’ny fiainanao

Ireo fitahiana rehetra avy amin’ny fisoronana dia mety ho azon’ireo zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny Ray any An-danitra rehetra. Ny lisitra faharoa dia maneho fotsiny ireo fitahiana izay tonga aminao amin’ny alalan’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana na olona iray izay efa nomena ny fahefan’ny fisoronana.

Izany no lamina napetrak’ Andriamanitra ho an’ny fanorenana sy ny fitantanana ny Fiangonany eto an-tany. Ny ohatra hafa amin’ny fahefan’ny fisoronan’ Andriamanitra dia ny filohan’ny kôlejin’ny diakona iray na mpampianatra izay manana fanalahidy mba hitarihana ny asan’ny kôlejiny, ny tsodranon’ny ray iray omena ao amin’ny tokantrano iray ary ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly.

Ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny Fisoronana

Na dia omena ny lehilahy irery ihany aza ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana, ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava fitsipika iray manan-danja: “Ny fisoronana dia hery sy fahefan’ Andriamanitra izay ankinina amin’olon-kafa amim-pitokisana mba hampiasaina amin’ny asan’ Andriamanitra sy ho tombontsoan’ireo zanany rehetra. Ny Fisoronana dia tsy ireo izay notendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana na ireo izay mampiasa ny fahefan’izany. Tsy ireo lehilahy mihazona ny fisoronana no atao hoe fisoronana. … Ny lehilahy notendrena dia tsy tokony hantsointsika hoe ny fisoronana.2

Na dia tsy tendrena ho amin’ny fisoronana aza ny vehivavy, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe: “rehefa atokana ianao hanompo amin’ny antso iray eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana … dia omena fahefan’ny fisoronana hanao an’io antso io.”3 Ny ohatra sasantsany amin’izany dia ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy, rahavavy misiônera mitory ny filazantsara, mpitarika eo anivon’ny paroasy sy tsatòka izay efa natokana mba hampianatra sy hitarika ary ireo mpanao ôrdônansy ao amin’ny tempoly.

Mitahy ny olona tsirairay ny herin’ny Fisoronana

Ireo fitahiana izay raisinareo zatovolahy sy zatovovavy dia anareo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana izay ataonareo mandritra ny batisa sy ireo fanekempihavanana izay hataonareo ao amin’ny tempoly. Na dia tsy manana mpihazona ny fisoronana aza ianareo ao an-tokantranonareo dia mbola afaka ny ho voatahy amin’ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo rehefa mitandrina ny fanekempihavanana izay efa nataonareo Taminy (jereo ny 1 Nefia 14:14).

Rehefa miaina araka ny fanekempihavanana izay nataontsika isika dia mandray fitahiana izay mankahery sy mitahy antsika. Manasa anareo izahay mba hisaintsaina momba ireo fitahian’ny fisoronana eo amin’ny fiainanareo, dia ny fitahiana izay tonga noho ny herin’ny fisoronana tsisy fetra sy ireo izay tonga manokana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izay omena sy isoloana tena ao amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra.

Fanamarihana

  1. Dale G. Renlund sy Ruth Lybbert Renlund, The Melchizedek Priesthood: Understanding the Doctrine, Living the Principles (2018), 11.

  2. Dallin H. Oaks, “Ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidy,” fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, apr. 2020 ( Liahona, mey 2020, 69).

  3. Filoha Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôkt. 2019 ( Liahona, nôv. 2019, 78).