2021
Ny anaran’ny Fiangonany
Ôktôbra 2021


“Ny anaran’ny Fiangonany,” Ho zatovo mahery!, ôkt. 2021.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! ôktôbra 2021

Ny anaran’ny Fiangonany

Misy dikany ao ambadiky ny anarana izay nomen’i Jesoa Kristy ny Fiangonany.

Sary
I Jesoa Kristy Mpiandry ondry tsara

ny fiangonako

Fiangonana—vondron’olona izay mino zavatra mitovy sy miara-mitsaoka. An’i Jesoa Kristy ity Fiangonana ity. Izy no nanorina izany. Izy no mitarika izany. Azy izany.

hiantsoana

Nambaran’i Jesoa Kristy antsika ny anarana tiany hiantsoan’ny vahoakany ny Fiangonany. Koa toy izany no iantsoantsika azy—ary izany no tokony hangatahantsika amin-katsaram-panahy mba hiantsoan’ny hafa azy. Avy amin’i Jesoa Kristy io anarana io.

andro farany

Andro farany—ny andro farany izay iainantsika; ny fotoana mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany. Naverin’i Jesoa Kristy eto an-tany ny Fiangonany amin’izao fotoana farany izao. Izany dia hanampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviany fanindroany.

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

(Jereo ny “ny fiangonako.”) Io no ampahany voalohany amin’ny anarana nomen’ny Mpamonjy ny Fiangonany. Antsoiny hoe “Ny Fiangonana” izany satria Izy no nanangana izany. Ary nasiany ny anarany eo amin’izany.

Andro farany

(Jereo ny “andro farany.”) Ity no ampahany manaraka amin’ny anaran’ny Fiangonana. Izany dia maneho tsotra izao fa ity no Fiangonana naveriny ho amin’izao andro izao, fa tsy ilay iray naoriny tany aloha tany.

Olomasina

Olomasina—teny iray midika hoe “olona izay masina.” Io no ampahany farany amin’ny anaran’ny Fiangonana. Manondro ireo mpikamban’ny Fiangonana izany. Afaka manadio antsika sy mahatonga antsika tsy hisy pentina i Jesoa Kristy. Ary omeny ny Fanahy Masina isika mba hampatanjaka antsika rehefa miezaka ny hanao izay nandidiany isika. Raha manam-pinoana Azy sy manohy miezaka isika, dia hamasininy isika. Hataony Olomasina isika.