2021
Nanome anarana ny Fiangonany i Jesoa Kristy
Ôktôbra 2021


“Nanome anarana ny Fiangonany i Jesoa Kristy,” Namana, ôkt. 2021.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana ôktôbra 2021

Nanome anarana ny Fiangonany i Jesoa Kristy

Sary
Jesoa Kristy
Sary
Joseph Smith

Nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph Smith ny anarana hiantsoana ny Fiangonana. Nilaza Izy fa hantsoina hoe “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” izany.

Sary
Trano fiangonana

Ny teny hoe Jesoa Kristy no ampahany manan-danja indrindra ao anatin’ny anaran’ny Fiangonana. Satria Fiangonan’i Jesoa Kristy izany dia antsoina amin’ny anarany.

Sary
Ankizy mihazona tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna

Ny hoe Olomasin’ny Andro Farany dia midika hoe ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.

Sary
Vehivavy sy zaza mijery ny fihaonambe maneran-tany

Nampianatra ireo mpaminany sy apôstôly fa manan-danja ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonana. Manampy ny hafa hahafantatra izany fa isika dia mino an’i Jesoa Kristy.

Sary
Ankizy mibanjina sary hosodoko misy an’i Jesoa Kristy

Rehefa manontany ahy ny hafa hoe inona no zavatra inoako dia afaka milaza aho hoe, “Mino an’i Jesoa Kristy aho. Mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho.”

Pejy lokoina

Mino an’i Jesoa Kristy aho

Sary
Ankizy mihazona sarin’i Jesoa Kristy

Tsindrio eo amin’ilay sary raha hisintona.

Sary nataon’i Apryl Stott

Inona no manampy anao hianatra momba an’i Jesoa?