2021
Ny asa atao any amin’ny tempoly
Ôktôbra 2021


“Asan’ny tempoly,” Liahona, ôktôbra 2021

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona ôktôbra 2021

Ny asa atao any amin’ny tempoly

Tranon’ny Tompo ny tempoly. Afaka mandray ôrdônansy sy manao fanekempihavanana Aminy isika any amin’ireo tempoliny. Afaka manatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambentsika ihany koa isika any amin’ny tempoly.

Sary
tempoly

Sarin’ny Tempolin’i Barranquilla any Kôlômbia, nataon’i Bruno Lima

Hatramin’izay ny Tompo dia nandidy ny vahoakany hanangana tempoly. Ny tempoly dia toerana masina izay ahafahantsika mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra, sy mandray ôrdônansy, ary manao fifanekena Aminy. Manangana tempoly maneran-tany ny Fiangonana ankehitriny mba hahafahan’ny olona maro kokoa hatrany mahazo ireo fitahiana ireo.

Sary
Vehivavy eo anoloan’ny tempoly

Sarina vehivavy eo anoloan’ny Tempolin’i Tendrombohitr’i Oquirrh Utah, nataon’i Nexeo sy i Matthew Reier

Ny Fanafiana Masina

Afaka mandeha any amin’ny tempoly mba handray ireo ôrdônansy sy hanao fanekempihavanana, na fifanekena, amin’ Andriamanitra ireo mpikamban’ny Fiangonana izay miaina amim-pahamarinana. Ôrdônansy iray raisintsika any amin’ny tempoly ny fanafiana masina. Ny andian-teny hoe fanafiana masina dia midika hoe “fanomezana”. Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra. Amin’io ôrdônansy io isika dia mianatra momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena antsika, ary manao fanekempihavanana isika ny hitandrina ireo didin’ Andriamanitra. Raha mahatoky amin’ireo fanekempihavana ataontsika isika dia hitahy antsika Andriamanitra.

Sary
Mpivady eo anoloan’ny tempoly

Sarina mpivady mandehandeha eo akaikin’ny Tempolin’i Manila Filipina, nataon’i Cristina Smith

Famehezana ho iray ny fianakaviana

Ny fanambadiana atao any amin’ny tempoly dia antsoina ihany koa hoe famehezana. Rehefa voafehy any amin’ny tempoly ny mpivady iray ka mitandrina ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo dia ho mpivady mandrakizay izy ireo. Raha miteraka izy ireo, dia ho voafehy amin’izy ireo ihany koa ireo zanany. Ireo ray aman-dreny izay fehezina taorian’ny nananan’izy ireo zanaka dia afaka ny hofehezina amin’izy ireo ireo zanany. Raha miaina amim-pahamarinana izy ireo dia ho fianakaviana iray mandrakizay.

Sary
Toerana fanaovana batisa ao amin’ny Tempolin’i Lisbonne any Pôrtogaly

Sarin’ny Tempolin’i Lisbonne any Pôrtogaly, nataon’i Leslie Nilsson

Asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra

Manao ny asan’ny tantaram-pianakaviana isika mba hahafantarana momba ireo razambentsika. Avy eo isika dia manatanteraka ny asa atao any amin’ny tempoly isoloana tena azy ireo. Ataontsika ho azy ireo ireo ôrdônansy rehetra izay ilain’ny velona: batisa, fandraisana ho mpikambana, fandraisana ny fisoronana (ho an’ireo lehilahy), sy ny fanafiana masina, ary ny famehezana. Afaka misafidy izy ireo avy eo raha tiany ny hanaiky ireny ôrdônansy ireny. Amin’io fomba io no ahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra misitraka ireo fitahian’ny filazantsara.

Sary
fianakaviana eo anoloan’ny tempoly

Sarina fianakaviana eo anoloan’ny Tempolin’i Philadelphie any Pennsylvanie, nataon’i Cody Bell

Ireo fitahian’ny asa atao any amin’ny tempoly

Raha mitandrina ireo fanekempihavana ataontsika any amin’ny tempoly isika dia ho voatahy sy ho voaro, ary hampatanjahina. Hanana ny herin’ny fisoronana hiaraka amintsika isika. Ho iray mandrakizay ny fianakaviantsika.

Ny tempoly ihany koa dia toerana iray hahazoana fiadanana sy fanambarana. Rehefa manao ny asa atao any amin’ny tempoly isika dia afaka mandray fitarihana ara-panahy sy mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.