2021
Mahatsiaro an’ilay Zazakely tao Betlehema
Desambra 2021


HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Mahatsiaro an’ilay Zazakely tao Betlehema

Raha ny marina, rehefa mankalaza ny fahaterahan’i Kristy isika dia mahatsiaro ny zava-bita faran’izay manan-danja indrindra nandritra ny asa fanompoana nataon’i Kristy—ny Sorompanavotany.

Olona avy amina firenena maro sy firazanana samihafa ary koa antokom-pinoana samihafa no mankalaza ny fahaterahan’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjintsika isaky ny faha-25 ny volana desambra. Izany fankalazana izany izay atao hoe Krismasy dia tanterahina amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra ny fahaterahana, fihirana hira fitsaohana, famakian-teny, famerenana an-tsehatra ny zava-niseho tamin’izany fotoana izany, fanaovana hiran’ny Krismasy ary sakafo mafilotra.

Fa nahoana ary? Ndeha hodinihintsika kely ny zavatra izay fantatsika momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjintsika.

Tsy fantatra mazava tsara ny tena andro sy volana na taona nahaterahan’i Kristy. Fantatsika fa teraka roa arivo taona mahery lasa Izy ary mety ho nandritra ny lohataona tao anatin’ny volana martsa na aprily izany fa tsy nandritra ny volana desambra araka ny eritreritry ny maro amin’ny ankapobeny.

Ny zavatra azo antoka dia nateraky ny reny jiosy atao hoe Maria tao an-tanànan’i Betlehema any Jodia Izy. I Maria, izay virijiny iray ary reny nitondra vohoka iray tamin’ny fomba mahagaga, dia fofombadin’i Josefa. Tanàna iray ihany no niavian’izy ireo, Nazareta, izay manodidina ny 30 kilometatra atsimo andrefan’ny Ranomasin’i Galilia ary 150 kilometatra avaratr’i Betlehema (jereo ny Matio toko 1 sy Lioka toko 1 sy 2).

Ankoatra izany, na dia marina aza fa teraka tao anatina fianakaviana tsotsotra iray io ‘zazakely tao Betlehema’ io, dia tsy mety ny mihevitra fa ny fahaterahan’i Kristy teto amin’ny fiainana an-tany dia tranga manjavozavo sy tsy nambara mialoha. Ny mpaminany tany aloha dia nampianarina tamin’ny alalan’ny fanambarana ary naminany ny momba ny fiavian’ny Mesia iray izay hivoaka avy ao amin’ny mpianakavin’i Joda mba hanavotra ny olombelona rehetra (jereo, ohatra ny Isaia 7; 1 Nefia 11:13–20; Isaia 9; 2 Nefia 19; ary Mika 5:2). Avy eo, fotoana fohy talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy, sy nandritra izany, ary taorian’izany, dia nisehoan’ny iraka avy any an-danitra ireo olona izay mendrika (Maria, Josefa, Simeona ary Ana), ireo olona izay nanetry tena (ireo mpiandry ondry tany an-tsaha niambina ny ondriny), sy ireo olona izay nikatsaka ny famantarana ny Fahaterahany (ao anatin’izany ireo magy avy any atsinanana sy ireo Nefita sy Lamanita marin-toetra tany andrefana) ary koa ireo olona maro hafa (jereo ny Matio toko 2; Lioka toko 2; Helamàna 14:3–7; 3 Nefia 1:12–21).

Talohan’ny fanorenana an’izao tontolo izao dia nampahafantarin’ny Raintsika any An-danitra, ilay Rain’ny fanahintsika, ary nifanarahan’ny tsirairay avy amintsika fa i Kristy, ilay Mesia tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ilay Jehovah lehibe, dia hateraka eto amin’ity izao tontolo izao ity. Ny tanjona ambony indrindra teo amin’ny Fiainany dia ny handresy ny fahafatesana, ny ota ary amin’ny farany i satana, sy hampihavana antsika amin’Andriamanitra, ilay Ray sy amin’Izy tenany, Jesoa Kristy—Olona masina izay mitoetra any amin’ny toerana madio sy feno fifaliana ary feno fiadanana tanteraka; toeran’ny fahamasinana, dia ny Lanitra izany—ilay Fanjakana Selestialy (jereo ny Salamo 22; Isaia 53; Môsià 14-15; 1 Nefia 11; 2 Nefia 25:26).

Raha toa ka tsy teraka ity zazakely tao Betlehema ity dia ho tafasaraka mandrakizay tamin’ny Ray sy ny Zanaka isika tsirairay. Tsy ho nahazo ny fifaliana mandrakizay isika, fa ho voailika ho ao amin’ny toetry ny fahoriana tsy manam-pahataperana kosa.

Soa ihany fa tsy izany no nitranga, satria i Kristy tamin’ny alalan’ny fiainany tonga lafatra, ireo fampianarany feno fitiavana, ireo ôrdônansin’ny famonjena, sy ireo fanekempihavana manome hery ary ireo fisehoan’ny hery lehibe sy tsy manam-petra—voalohany tao Getsemane, avy eo teo amin’ny hazo fijaliana, ary farany, tamin’ny Fitsanganany tamin’ny maty rehefa niakatra tany amin’ny Ray Izy, amin’ny maha-Mpamonjy antsika sy Mpanavotra antsika sy Mpitsara ary Mpisolovava antsika Azy—dia nampihavana antsika tamin’Andriamanitra ary nahatanteraka ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana (jereo ny 2 Nefia toko 9; Almà toko 11 sy 40).

Ny Krismasy, mihoatra noho izay fotoana rehetra mandritra ny taona, no vanim-potoana izay saika ny olon-drehetra no voasintona ao anatina faniriana lalina, na fangetahetana mihitsy aza, mba ho ao anatina fianakaviana iray sy hiaraka hiaina ny Krismasy sy ny fankalazana izany amin’izy ireo.

Nanomboka tamin’ny fianakaviana ny drafitr’Andriamanitra—voalohany, ny an’ny Raintsika any an-danitra, fianakaviana any an-danitra mandrakizay (izay nisy fotoana nisy antsika rehetra), narahin’i Maria sy ny fianakaviany, ary farany, ny fianakaviantsika tsirairay avy manokana. Na dia tsy isika rehetra eto amin’ny fiainana an-tany aza no manambady sy manan-janaka na manana fianakaviana sambatra sy miray hina, dia marina anefa ny hoe—raha toa ka tena maniry izany isika sy manaraka araka ny tokony ho izy ny drafitr’Andriamanitra—dia ho azontsika ireo fitahiana ireo, amin’ny fotoana mety amin’ny Tompo.

Rehefa mieritreritra isika, ny Krismasy dia tena fotoana fankalazana ny fianakaviana, ho an’ny fianakaviana. Raha ny marina, rehefa mankalaza ny fahaterahan’i Kristy isika dia mahatsiaro ny zava-bita faran’izay manan-danja indrindra nandritra ny asa fanompoana nataon’i Kristy—ny Sorompanavotany. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra dia tafapetraka ireo fepetra ahafahan’ny olombelona mahazo fifaliana sy fahasambarana tsy tapaka eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson tao anatin’ny lahateny iray izay nitondra ny lohateny hoe, “Tonga avy amin’ny fanarahana ny Mpamonjy ny fahombiazan’ny fianakaviana”, izay natao nandritra ny dia iray natao tany Kenya, fa “ny antony manokana hanorenana fianakaviana sy hamehezana miaraka an’ireo fianakaviana ireo any amin’ny tempoly masina dia ny [mba] hahafahantsika ho mendrika ny hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra aorian’ny nahavitantsika ireo dingana rehetra teto amin’ny fiainana an-tany.”

Ny vavaka izay ataonay, mandritra ity vanim-potoana feno fitahiana ity dia ny mba hankafizanareo miaraka amin’ny fianakavianareo sy ireo olona akaikin’ny fonareo ny Krismasy ao anatin’ny fahatsiarovana masina ny fahaterahan’i Jesoa Kristy Tompontsika feno fitahiana, sy ny fiainany, ny asa fanompoana nataony, ary ny Sorompanavotany amin’ny maha-Mpisolovava antsika Azy amin’ny Rainy—ilay Rain’ny rehetra.

Miarahaba antsika nahatratra ny Krismasy!

Nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony i Christoffel Golden tamin’ny Martsa 2001. I Diane Norma Hulbert no vadiny; ary manan-janaka efatra izy ireo.