2023
Finoana an’i Jesoa Kristy
Aprily 2023


“Finoana an’i Jesoa Kristy,” Liahona, apr. 2023.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, aprily 2023

Finoana an’i Jesoa Kristy

Sary
mombamomba an’i Jesoa

Jesoa Kristy, nataon’i Harry Anderson

Ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy no fitsipika voalohan’ny filazantsara (jereo ny Fanekem-pinoana 1:4). Ny finoantsika dia hanampy antsika hanao safidy izay hitondra antsika hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra. Afaka miasa mba hanamafisana ny finoantsika mandritra ny fiainantsika isika.

Sary
ankizy sy zatovo mivory manodidina boky iray

Inona no atao hoe Finoana?

Ny hoe finoana dia finoana na fatokisana mafy orina zavatra iray. Ny fananana finoana dia fanantenana sy finoana zavatra marina, na dia tsy hitantsika na tsy takatsika tanteraka aza izany (jereo ny Hebreo 11:1; Almà 32:21).

Sary
sarin’i Jesoa Kristy

Sombin-tsary avy amin’ny Christ and the Rich Young Ruler (I Kristy sy ilay tanora mpanan-karena), nataon’i Heinrich Hofmann

Finoana mifototra amin’i Jesoa Kristy

Mba hitarika ho amin’ny famonjena, dia tsy maintsy mifantoka amin’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy ny finoantsika. Ny fananana finoana an’i Kristy dia midika hoe manana fatokiana Azy. Midika ho fiankinana Aminy tanteraka izany—fatokiana ny heriny, ny faharanitan-tsainy ary ny fitiavany. Tafiditra ao anatin’izany koa ny finoana sy ny fanarahana ny fampianarany.

Sary
mpivady mandalina ny soratra masina

Mampitombo ny finoantsika

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny finoana, kanefa tsy maintsy mikatsaka izany isika ary miezaka mafy mba hampatanjaka izany. Afaka mampitombo ny finoantsika isika amin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany. Mampatanjaka ny finoantsika ihany koa isika rehefa miaina amim-pahamarinana sy mitandrina ny fanekempihavanantsika.

Miaina amim-pinoana

Ny finoana dia mihoatra lavitra ny hoe mino fotsiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’izany finoana izany. Asehontsika amin’ny fomba fiainantsika ny finoantsika. Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mandrisika antsika hanaraka ny ohatra tonga lafatra nasehony. Ny finoantsika dia mitarika antsika hankatò ny didy sy hibebaka amin’ny fahotantsika ary hanao sy hitandrina fanekempihavanana.

Sary
Jesoa manasitrana lehilahy jamba iray

Afaka mitarika ho amin’ny fahagagana ny finoana

Ny finoana marina dia mitondra fahagagana izay mety ahitana fahitana, nofy, fanasitranana, ary fanomezam-pahasoavana hafa avy amin’ Andriamanitra. Ny soratra masina dia mirakitra tantara maro momba ny olona izay nahazo fahagagana avy amin’ny Tompo noho ny finoan’izy ireo Azy. Jereo ny hoe “Fahagagana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hahitana ohatra vitsivitsy.

Afaka mitondra fiadanana ny finoana

Ny fananana finoana an’ Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjeny dia afaka mampatanjaka antsika mandritra ireo fanamby atrehantsika. Ny finoana dia afaka manome hery antsika handroso sy hiatrika amin-kerimpo ny fahasahiranantsika. Na dia toa tsy azo antoka aza ny hoavy dia afaka manome fiadanana ho antsika ny finoantsika ny Mpamonjy.

Sary
ray mitazona ny zanany eo am-pijerena ny sary hosodoko maneho an’i Jesoa

Mitarika amin’ny famonjena ny finoana an’i Jesoa Kristy

Ny fampiharana ny finoana an’i Kristy dia hitarika ho amin’ny famonjena antsika. Nanomana ny lalana hahazoantsika ny fiainana mandrakizay i Kristy. Rehefa miaina araka ny finoantsika Azy isika dia afaka ny ho voavela ny fahotantsika ary hiverina hiara-hiaina amin’ Andriamanitra indray.