2023
Sokafy ny fonaohidiran’ny Fanahy Masina
Aprily 2023


“Sokafy ny fonao hidiran’ny Fanahy Masina,” Ho zatovo mahery!, apr. 2023

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, aprily 2023

Sokafy ny fonaohidiran’ny Fanahy Masina

Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao dia misaotra ny Raintsika any An-danitra aho noho ny nanomezany ny Zanakalahy malalany, izay tonga an-tsitrapo teto an-tany mba ho Mpanavotra antsika. Feno fankasitrahana aho mahafantatra fa nanao sorona ho an’ny fahotantsika Izy ary nitsangana tamin’ny maty. Isan’andro aho dia voatahy noho ny fahafantarako fa, noho ny Sorompanavotany, dia afaka ny hitsangana amin’ny maty aho indray andro any, hiaina mandrakizay ao anatin’ny fianakaviana be fitiavana.

Fantatro ireo zavatra ireo amin’ny alalan’ilay hany fomba ahafantsika tsirairay mahafantatra azy ireo. Efa niresaka tato an-tsaiko sy tato am-poko ny Fanahy Masina fa marina izany, tsy indray mandeha ihany fa matetika.

Manana ny Fanahy Masina ho namana isika, ilay fampanantenana tsy hay sandaina. Ny adidintsika dia ny misafidy ny hanokatra ny fontsika handraisana fitarihana ara-panahy tsy tapaka sy fampiononana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mandritra ny androm-piainana.

Sary
voninkazo

Sary nataon’i Emily E. Jones

Ny safidy voalohany dia ny manetry tena eo anoloan’ Andriamanitra.

Sary
tanan’olona eo am-pivavahana

Ny faharoa dia ny mivavaka sady manam-pinoana an’i Jesoa Kristy Tompo.

Sary
tondroavaratra

Ny fahatelo dia ny mankatò tanteraka.

Sary
endrika fo

Ary ny fahefatra dia ny mivavaka mba hahafantatra ny filàna sy ny ao am-pon’ny hafa ary ny fomba hanampiana azy ireo ho an’ny Tompo.

Mivavaka amin’ny foko manontolo aho ny mba handrenesanareo ny feon’ny Fanahy, izay alefa aminareo amin-kalalan-tanana. Ary mivavaka aho ny mba hanokafanareo foana ny fonareo mba handray ny Fanahy mba hanananareo fifaliana amin’ny fananana Azy ho namana mandrakariva.