2023
Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesoa
Aprily 2023


“Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesoa,” Namana, apr. 2023, 46–47.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, aprily 2023

Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesoa

Sary
Miara-mipetraka amin’i Maria sy i Marta ary i Lazarosy i Jesoa

Sary nataon’i Apryl Stott

Nanana rahalahy atao hoe Lazarosy i Maria sy i Marta. Naman’i Jesoa Kristy izy ireo.

Sary
Jesoa mamihina an’i Maria sy i Marta

Narary mafy i Lazarosy. Tsy ela dia maty izy. Nalahelo i Maria sy i Marta. Rehefa tonga i Jesoa dia niara-nitomany tamin’izy ireo.

Sary
Jesoa mijoro eo amin’ny fasan’i Lazarosy

Dia nandeha niaraka tamin’izy ireo nankany amin’ny fasan’i Lazarosy i Jesoa. Hoy Izy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha.”

Sary
Jesoa manampy an’i Lazarosy hivoaka ny fasana

Nitsangana i Lazarosy ary nivoaka ny fasana. Velona indray Izy! Noho i Jesoa, idia ho velona indray koa isika rehetra!

Pejy holokoina

Velona i Jesoa Kristy.

Sary
Pejy holokoina maneho ankizy mihazona sarin’i Jesoa

Sary nataon’i Apryl Stott

Ahoana no ahatsiarovanao an’i Jesoa mandritra ny vanim-potoan’ny Paska?