2023
Hevitra 25 hanazavana izao tontolo izao
Desambra 2023


Vaovao eo an-toerana

Hevitra 25 hanazavana izao tontolo izao

Amin’ity vanim-potoan’ny Krismasy ity dia mitadiava fomba hanampiana ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Kristy amin’ny alalan’ny fanompoana.

Ireto misy hevitra dimy amby roapolo ahafahana manomboka izany Mety hahita zavatra vitsivitsy ato amin’ity lisitra ity ianao izay azonao anampiana ny hevitrao manokana!

  1. Mihomehy miaraka amin’ny namana.

  2. Miantso olona alahelovanao.

  3. Mitondra sakafo maivana fanampiny ho an’olona iray izay mila izany.

  4. Manamboatra karatra Krismasy ao an-trano ho an’ny namana iray.

  5. Manomana fotoana iarahana manokana amina olona iray akaikin’ny fo.

  6. Mamela olona iray tsy fantatrao hialoha anao ao anatin’ny filaharana iray.

  7. Mianatra miteny hoe “Mirary Krismasy sambatra” amin’ny fiteny hafa.

  8. Mizara rohy ahafahana miditra ao amin’ny hira Krismasy izay tianao ao amin’ny tamba-jotran-tserasera.

  9. Mifona amin’ny olona iray.

  10. Mamita zavatra iray ao anatin’ny lisitry ny zavatra ataon’ny olona iray akaikin’ny fo.

  11. Mandefa teny kely fisaorana ho an’ny olona iray mpiasan’ny fahasalamana.

  12. Manampy olona hikaroka ny tetiaran’ny fianakaviany.

  13. Mandefa sary iray mirakitra fahatsiarovana mamy any amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana.

  14. Mandoka ny mpiara-belona aminao.

  15. Mamela olona hafa haneho hatsaram-panahy aminao.

  16. Mamantatra ny fomba ankalazan’ny kolontsaina iray hafa ny Krismasy.

  17. Manampy olona ankamamiana iray hanadio ny tranony.

  18. Manasa ny hafa hamonjy fankalazana Krismasy.

  19. Mametraka fanomezana eo an-tokonam-baravaran’ny mpifanolo-bodorindrina iray.

  20. Mijery ny L’enfant Christ miaraka amin’ny fianakaviana na namana.

  21. Miaraka mikarakara sakafo amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana.

  22. Manasa mpifanolo-bodirindrina iray hamonjy fotoam-pivavahana.

  23. Miresaka amina mpifanolo-bodirindrina zokiolona iray.

  24. Manolo-tena hampianatra fahaiza-manao vaovao amin’ny olona iray.

  25. Mamela heloka olona.