Hira
Sasinteny


Sasinteny

Ry zazalahy sy zazavavy malala isany:

Ity misy bokin-kira izay natao ho anareo manokana. Tena azonareo hiraina izy ireo na oviana na oviana, ary na aiza na aiza. Ny sasany amin’ireo hira ireo dia azonareo hiraina mba hanehoana fankasitrahana ny Ray any An-danitra, ary ny hafa kosa dia azo hiraina satria hoe mahafinaritra tsotra izao fotsiny ny mihira

Rehefa mihira ianareo dia mety hahatsapa zavatra tsara ao anaty. Ny Fanahy Masina dia manome anareo fahatsapana mafana mba hanampiana anareo hahatakatra hoe marina ireo teny sy ireo hafatra voarakitra ao anatin’ireo hira. Afaka mianatra ny filazantsara amin’izany fomba izany ianareo, ary dia hitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananareo arakaraka ny hianaranareo. Ho mora kokoa aminareo ny hahatadidy izay zavatra nianaranareo rehefa mihira mikasika izany ianareo. Ny feon’ny hira iray dia hanampy anareo hahatadidy ny tonony ary hampita ihany koa ny hafatr’ilay hira ho any am-ponareo. Ireo sary haingon’ny boky dia hanampy anareo koa hahita izay zavatra ampianaran’ilay hira. Rehefa hainareo ireo hira, dia hiaraka aminareo foana izany (toy ny namana tsara) ka hanampy anareo hanao safidy tsara sy ho sambatra.

Ny hira dia fiteny izay takatry ny rehetra. Ireo ankizy maneran-tany dia mihira ireo hira ireo ihany koa. Ny hira dia afaka ihany koa mampifandray ny lasa sy ny hoavy. Indray andro any dia mety hihira ireo hira ireo ho an’ireo zanakareo rahatrizay ianareo.

Ao amin’ity boky ity dia hahitana hira maromaro mahakasika saika izay lohahevitra rehetra hita ao amin’ny filazantsara. Ireo hira dia manazava izay zavatra inoantsika mikasika ny fiainana any an-danitra; mikasika ny vavaka sy ny fankasitrahana ary ny fanehoam-panajana; mikasika ny asa nanirahana ny Mpamonjy; mikasika ireo fitispiky ny filazantsara; mikasika ny maha-zava-dehibe ny tokantrano sy ny fianakaviana ary izay rehetra nolovaina tamin’ireo razambe; mikasika ny hakanton’ny zavaboary sy ny vaninandro; ary mikasika ny ilana mifaly sy manao fiaraha-mientana. Ny fizarana farany dia feon-kira izay azo tendrena mialoha na aorian’ny fivoriana iray na any an-trano mba hampisy tontolo feno fanehoam-panajana.

Indray andro any ianareo dia ho lasa mpitarika ato amin’ny Fiangonana sy eo amin’izao tontolo izao. Izay zavatra hianaranareo avy amin’ireto hira ireto dia hanampy anareo ho tonga mahatoky sy hanompy amim-pahamarinana. Ireo fahatsapana tsara izay entin’ireo hira dia hanome anareo fifaliana sy herim-po ary hanampy anareo hahatsiaro fa ianareo dia zanak’Andriamanitra.