Hira
Fampiasana ny bokin-kira


Fampiasana ny bokin-kira

>Ny tanjon’ity bokin-kira ity dia ny hampianatra ireo ankizy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira.

Fomba fampianarana hira an’ireo ankizy

Ny ankizy dia mihamahay hira iray rehefa henony hirain’olona imbetsaka ilay hira. Rehefa hanomboka hampianatra hira iray dia atombohy amin’ny fihirana izany hira izany amin’ireo ankizy. Ampandraiso anjara ireo ankizy amin’ny alalalan’ny fametrahana fanontaniana mikasika ilay hira ka miteraka fanamby ho an’ny sainy.

  1. Aoka hahay ilay hira ny tenanao. Fantaro tsara ireo tonony sy ny feony amin’ny alalan’ny fitendrena ilay hira eo amin’ny pianô, na ny fihainoana azy amin’ny kasety, na ny fitadiavana olona iray hihira na hitendry izany ho anao. Fantaro izay hafatra hampitain’ireo tonony. Manontania tena ny amin’izay fomba azonao hampiasana izay andinin-tsoratra masina ery amin’ny faran’ilay hira rehefa manomana ianao na mampianatra ilay hira. Mitadiava teny manan-danja sy teny izay miady rima, ary ireo teny ihany koa izay mety tsy ho takatr’ireo ankizy ny dikany na mety tsy ho hainy ny manonona azy. Mariho ny endrik’ilay feon-kira sy ny gadona raha misy fiverimberenana ka hanamora ny fianarana ilay hira. Averimbereno hatrany ilay hira mandra-pahaizanao azy tsara.

  2. Manaova Drafitra.

    1. Sariho ny sain’ireo ankizy—amin’ny alalan’ny fampiasana zavatra kely ohatra, na sary, na andinin-tsoratra masina, na zavatra niainana iray, na koa hoe bitsibitsika fotsiny.

    2. Amporisiho ireo ankizy hihaino ilay hira. Mametraha fanontaniana izay hanampy ireo ankizy hahatakatra ilay hafatry ny filazantsara—kendreo ny fomba hametrahana ilay fanontaniana mba hahafahan’ireo ankizy mahita ny valiny rehefa mihira ilay hira ianao.

    3. Asao ireo ankizy hihira ireo andalana izay mamaly ireo fanontaniana. Ovaovao ny hafainganan’ny gadona sy ny hamafin’ny feo mba hampisy dikany bebe kokoa. Asao ireo ankizy hihaino ny fihiran’izy ireo ka tsy asiana mozika. Kendreo mba hipetraka tsara ireo ankizy ary hijery tsara anao.

    4. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao, na mamakia fijoroana ho vavolombelona voarakitra ao amin’ireo soratra masina.

Fomba fanisiana fiovaovana eo amin’ny fihirana

  1. Mampiasà teny hafa ho solon’ny tonony mba hahatonga ilay hira ho sahaza kokoa amin’ny trangan-javatra sasantsasany.

  2. Mampianara hira sady mampiasa ireo fihetsika asaina atao, na asaivo manampy anao ireo ankizy hamorona fihetsika eny amin’ny toerana voalaza.

  3. Manendre antokon’ankizy vitsivitsy mba hihira ireo fizarana samihafa na ireo andininy samihafa.

  4. Ampiasao ireo hira izay misy ampahany roa hiraina miaraka.

  5. Mandrindrà hira mifangaro ahitana hira roa na mihoatra izay mampita hafatra mitovy.

  6. Asaivo misy ankizy iray mihira irery, na asaivo misy vondron’ankizy mihira fiverenan-kira iray.

  7. Asaivo manao mmm na mihira hira maromaro ireo ankizy mba ho feon-kira mialoha ny fotoana.

Fomba fitarihana hira

Ny fahavitrihanao sy ny fiomananao ary ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia hanampy eo amin’ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo ankizy mikasika ny filazantsara.

Rehefa manomboka mianatra hira iray ireo ankizy, dia ampio izy ireo hanaraka ny fitarihana ny hira amin’ny fanaovana fomba fitarihana izay manaraka ny haavon’ny feo. Izany dia atao amin’ny alalany fampiakarana na ny fampidinana ny tananao arakaraka ny haavon’ny feo mandritra ilay feon-kira. Afaka somary mandroso sy mihemotra kely koa ny tananao mba hanehoana ny halavan’ireo naoty, sady mampiseho ny fingadonan’ilay feon-kira no mampiseho ny fitarihana.

Rehefa hain’ireo ankizy ilay hira dia afaka mampiasa ilay endrika fitarihana hira mahazatra manaraka ny paika araka izay hita eo amin’ny pejy manaraka, na fampifangaroana ny fitarihana araka ny haavon’ny feo sy ny fitarihana araka ny paika.

Fomba fitendrena rehefa misy mihira

Misy fiantraikany eo amin’ny fomba fihiran’ny ankizy hira ny fomba fitendrena izany. Tokony hanampy ireo feo ianao fa tsy hanakona izany. Maro amin’ireo hira ao amin’ity boky ity no sahaza tsara ho an’ny feon-kira mialoha ny fotoana na aorian’ny fotoana. Ny fitendrena ny hira izay tokony hianaran’ireo ankizy hatao feon-kira mialoha ny fotoana dia afaka manampy azy ireo ho zatra amin’ny feon’ilay hira.

Fanaovana tahadika ny hira

Ireo hira izay ahitana ny fanamarihana hoe “© (taona) IRI” eny amin’ny farany, sy ireo hira tsy misy fanamarihana mikasika ny zon’ny mpamorona, ary ireo sary rehetra sy ireo lahatsoratra hafa ao amin’ity boky ity dia azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana na ao an-tokantrano ka tsy itadiavam-bola”. Ireo hira izay misy hoe “ity hira ity dia azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana na ao an-tokantrano ka tsy atao hitadiavam-bola” dia azo adika raha hampiasaina araka izay voalaza. Raha ahitana fanamarihana momba ny zon’ny mpamorona ilay hira, dia tokony hita eo amin’ny tahadika tsirairay izay atao izany fanamarihana izany.

Ireo hira ao amin’ny pejy 24 sy 113 dia ahitana fameran-jo noho ny zon’ny mpamorona ka tsy azo atao tahadika.

Ny mampiavaka ity bokin-kira ity

Mariky ny tempo

Ny mariky ny hafainganan’ny ngadona dia hita eo ankavia eo ambonin’ny hira tsirairay ho toromarika ho an’ny tempo. Ohatra, ny hoe

= 56–72 dia manambara fa mety tsara ny mihira an’ity hira ity amin’ny paika eo anelanelan’ny 56 sy 72 isa-minitra (naoty noire iray isaky ny paika). Mampiasà famataranandro misy sahaza manoro ny segondra. Ny sahaza manoro ny segondra dia haneho ny paika 60 na segondra 60 isa-minitra.

Fonosana maneho my feon-kira fampidirana
Sary
Beginning introduction
Sary
Introduction ending

Ireo fonosana manondro feon-kira fampidirana azo atao dia hita eo ambonin’ny andalana ahitana ny feo voalohany raha toa ka tsy misy feo fampidirana voarafitra manokana ilay hira.

Fanondroana ireo rantsantanana ampiasaina rehefa mitendry

Ireo tarehimarika maneho ny fampiasana ireo rantsantanana dia amin’ny ankapobeny hita eo ankavia somary ambanin’ireo naoty. Ny fanondroana ny rantsantanana ampiasaina dia manampy hamantatra ny toerana hametrahana ny tanana rehefa hanomboka hitendry, sady manoro hoe aiza no tokony hamindra tanana, ary manoro koa ny fomba fitendrena ireo ampahany sarotra tendrena.

Sary
Fingering markings

Fanazavana Ireo Marika Famantarana Sy Ireo Teny Fampiasa

Sary
Bass clef

Ny fitoerana naoty ahitana ny clef de fa amin’ny ankapobeny dia ahitana ny feon-kira tendrena amin’ny tanana havia, ambany kokoa noho ny Do afovoany.

Sary
Treble clef

Ny fitoerana naoty ahitana ny clef de sol amin’ny ankapobeny dia ahitana ny feo voalohany sy ny feo fanampiny tendrena amin’ny tanana havanana, ambony kokoa noho ny Do afovoany.

Sary
Time signature

Ny mariky ny paika dia omena any am-boalohan’ny hira tsirairay. Ny tarehimarika ambony dia maneho ny isan’ny paika isaky ny mesure (na refy iray). Ny tarehimarika ambany kosa dia milaza ny karazana naoty mifanaraka amin’ny paika iray.

Sary
Natural sign

Ny bécarre dia manafoana dièse na bémol.

Sary
Triplet

Ho an’ny triolet dia tendrena ao anatin’ny paika iray ireo naoty telo. (Jereo ny “Mamirata,”, p. 96.)

8va

Ny 8va eo ambonin’ny portée ambony dia midika fa tendrena octave iray ambony ireo naoty.

Sary
Fermata

Ny point d’orgue dia fiatoana na fihazonana. Mazàna dia tohizana ilay naoty ka halavaina ampiana ny antsasaky ny tokony ho izy.

Sary
Accents

Ny temps fort dia maneho fa tokony hasiana tsindrim-peo ireo naoty na ireo accords.

Sary
Staccato

Ny marika staccato eo ambonin’ny naoty iray na eo ambaniny dia midika fa tokony hotendren’ilay mpitendry pianô amin’ny fomba mitsatotsatoka io naoty io.

Sary
Slur

Ny liaison dia maneho hoe oviana no naoty roa samy hafa haavo no ampiasaina ho an’ny vaninteny iray.

Sary
Repeat bars

Ny feon-kira eo anelanelan’ny marika fiverenana dia tendrena in-droa. Raha marika tokana ihany no omena dia miverena hatrany amin’ny fiantombohan’ilay hira.

Sary
Tie

Ny liaison (eo anelanelan’ny naoty roa mitovy haavo) dia manoro anao fa tendrena na hiraina indray mandeha ihany io naoty io ary tazonina mandritra ny faharetan’ireo naoty roa atambatra. Indraindray misy naoty mitambatra amin’ny andininy iray amin’ilay hira ary tsy mitambatra amin’ny andininy iray hafa.

Sary
Crescendo

Ny Crescendo dia midika fa mihamafy tsikelikely ilay feon-kira.

Sary
Decrescendo

Ny decrescendo dia midika fa mihamalefaka tsikelikely ilay feon-kira.

Sary
More than one ending

Misy hira sasany ahitana famaranana mihoatra noho ny iray. Rehefa amin’ny voalohany dia ampiasao ireo mesures eo amin’ny famaranana voalohany. Miverena araka izay voalaza, ka dingano ny famaranana voalohany fa ny famaranana faharoa no ampiasao araka ny toromarika.

fine

Io marika io dia midika hoe “tapitra” (finale).

D.C. al fine

Ny Da capo al fine dia midika hoe miverena hatrany am-boalohany ary tendreo hatramin’ny teny hoe fine.

D.S. al fine

>Ny Dal segno al fine dia midika hoe miverena eo amin’ilay marika

ary tendreo hatreo amin’ny hoe fine.

rit.

Ny Ritardando dia midika hoe atao mihamiadana tsikelikely ilay feon-kira. (Jereo ny “Nalefany ny Zanany,”, p. 20.)

a tempo

Ireo teny ireo dia manondro miverina amin’ny hafainganany tany ifotony ilay feon-kira.

valin-kira

Ny valin-kira (descant)dia ampahan-kira fanampiny tsy voatery atao, izay amin’ny feo hafa azo hiraina ka ahitana tonony hafa mihitsy. Azo atao ny mitendry ny valin-kira atao feon-java-maneno fotsiny.

obbligato

Ny obbligato dia ampahan-peon-kira fanampiny tsy voatery atao, izay natao ho an’ny zava-maneno ka hita eo ambonin’ny feo voalohany. Indraindray io feon-kira io dia azo hiraina ka ny tonon’ny feo voalohany ihany no ampiasaina.

ostinato

Ny ostinato dia endri-kira miverimberina (matetika naoty karazany roa ihany) izayhiraina miaraka amin’ilay hira. (Jereo ny “Hihaino hatrany aho,”, p. 71.)

hira atao mifanenjika

Misy andiany iray manomboka ilay hira, ary rehefa misy mesure misy tarehimarika dia manomboka arakaraka izay ireo andiany hafa. Ezaho tsy asiana feon-javamaneno rehefa mihira hira atao mifanenjika.

Hira misy ampahany roa

Ny hira misy ampahany roa dia ahitana feon-kira roa samy hafa izay azo hiraina miaraka.

Sary
Phrase mark

Ny mariky ny andiana naoty dia manambara fa tokony hampifandraisina ireo naoty ireo na atao misosa tsara ny fitendrena azy ireo.

Sary
Rolled effect

Mba hahazoana feo migodogodona na toy ny harpe, dia tendreo tsirairay an-kisesy avy any ambany no miakatra ireo naoty fa tsy tendrena miaraka.

Fomba fitarihana hira mahazatra

Ny fitarihana paika roa

Sary
Modeli me dy lëvizje të dorës

Ampiasaina ho an’ireo hira misy marika 2/2, 2/4, na 6/8

Ny fitarihana paika telo

Sary
Modeli me tri lëvizje të dorës

Ampiasaina ho an’ireo hira misy marika 3/4 na 9/8

Ny fitarihana paika efatra

Sary
Modeli me katër lëvizje të dorës

Ampiasaina ho an’ireo hira misy marika 4/4 na 12/8

Ny fitarihana paika enina

Sary
Modeli me gjashtë lëvizje të dorës

Ampiasaina ho an’ireo hira misy marika 6/8

Tabilao manazava ireo accords

Raha tsy misy pianô na clavier dia azo atao ny mampiasa gitara na zava-maneno hafa. Ampiasao ireo accords voatondro eo ambonin’ny feo voalohany.

Sary
Skica e Akordeve