Ny soratra masina
Môzià 3


Toko 3

Nanohy ny lahateniny i Benjamina Mpanjaka—Hanompo ny olona ao amin’ny tabernakely tanimanga ny Tompo Tsitoha—Hivoaka ny mason-koditra rehetra ny ra rehefa hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao Izy—Ny Azy no hany anarana izay iavian’ny famonjena—Afaka nanaisotra ny maha-nofo azy ny olona ary nanjary Olomasina tamin’ny alalan’ny sorompanavotana—Ho toy ny farihy afo sy solifara ny fijalian’ny olon-dratsy. Tokony ho 124 taona talohan’i Kristy.

1 Ary koa ry rahalahiko, te hisintona ny sainareo aho fa somary manana hotenenina misimisy aminareo aho; fa indro, manan-javatra holazaina anareo aho momba izay ho avy.

2 Ary ny zavatra izay holazaiko anareo dia nampahafantarin’ny anjely iray avy amin’ Andriamanitra ahy. Ary hoy izy tamiko: Mifohaza; dia nifoha aho, ary indro nijoro nanoloana ahy izy.

3 Ary hoy izy tamiko: Mifohaza ary henoy ny teny izay holazaiko anao; fa indro, efa tonga aho hilaza aminao vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe.

4 Fa efa nandre ny fivavakao ny Tompo ary efa nitsara ny fahamarinanao sy efa naniraka ahy hilaza aminao fa mahazo mifaly ianao; ary mahazo milaza amin’ny olonao ianao mba ho feno fifaliana koa izy.

5 Fa indro, avy ny fotoana ary tsy dia lavitra loatra izany, ka ny Tompo Tsitoha izay manjaka, izay nisy ary misy hatrizay ka ho mandrakizay, dia hidina amin-kery avy any an-danitra ho eo anivon’ny zanak’olombelona sy honina ao amin’ny tabernakely tanimanga sy handeha eo anivon’ny olona ary hanao fahagagana lehibe toy ny fanasitranana ny marary, ny fananganana ny maty, ny fampandehanana ny mandringa, ny fampahiratana ny jamba, ny fampahaladiana ny marenina, ary ny fanasitranana ny karazan’aretina rehetra.

6 Ary horoahiny hiala ny devoly, na ny fanahy ratsy izay mitoetra ao am-pon’ny zanak’olombelona.

7 Ary indro hiaretany ny fakam-panahy sy ny fanaintainan’ny vatana, dia hanoanana, hetaheta ary harerahana na dia mihoatra noho izay azon’ny olona zakaina aza izany kanefa tsy hatramin’ny fahafatesana; fa indro mivoaka ny mason-koditra rehetra ny ra, fa ho lehibe loatra ny fitaintainany noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetan’ny olony.

8 Ary hantsoina hoe Jesoa Kristy Izy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, ny Rain’ny lanitra sy ny tany, ny Mpahary ny zava-drehetra hatrany am-piandohana; ary ny reniny dia hantsoina hoe Maria.

9 Ary indro tonga any amin’ny azy Izy mba hahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’olombelona, noho ny finoana ny anarany; ary na dia eo aza izany rehetra izany dia hoheveriny ho toy ny olona Izy ary holazainy fa manana devoly, ary dia hokapohina sy hohomboina Izy.

10 Ary hitsangana amin’ny maty Izy amin’ny andro fahatelo; ary indro, mijoro Izy mba hitsara izao tontolo izao; ary indro, ireo zavatra rehetra ireo no atao dia ny mba hiavian’ny fitsarana marina amin’ny zanak’olombelona.

11 Fa indro, ary ny rany koa dia manonitra noho ny fahotan’ireo izay efa lavo noho ny fandikan-dalàn’i Adama, izay efa maty tsy nahalala ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo, na izay efa nanota tao amin’ny tsy fahalalana.

12 Nefa loza, lozan’izay mahalala fa mikomy amin’ Andriamanitra izy! Fa tsy ho tonga amin’ny toa azy ny famonjena raha tsy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo.

13 Ary ny Tompo Andriamanitra dia efa naniraka ny mpaminaniny masina tany anivon’ny zanak’olombelona rehetra hilaza ireo zavatra ireo amin’ny foko, ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra, ka amin’izany na zovy na zovy no hino fa ho avy i Kristy, dia handray ny famelana ny fahotany izy ary hifaly amim-pifaliana lehibe izaitsizy tokoa, miova tsy ny efa tonga teo anivony sahady Izy.

14 Kanefa ny Tompo Andriamanitra dia nahita fa vahoaka mafy hatoka ny olony, ary notendreny ho azy ny lalàna dia ny lalàn’i Mosesy.

15 Ary famantarana maro sy fahagagana ary fambara sy tandindona no nasehony azy momba ny fiaviany; ary ny mpaminany masina koa dia nilaza taminy ny amin’ny fiaviany; ary dia mbola nanamafy ny fony anefa izy ary tsy nahatakatra fa tsy mahasoa na amin’inona na amin’inona ny lalàn’i Mosesy raha tsy amin’ny alalan’ny sorompanavotana amin’ny rany.

16 Ary raha toa aza ka ho azo natao ny mihevitra fa afaka manota ny ankizy madinika, dia tsy ho azo vonjena izy ireny; nefa izaho milaza aminareo fa efa tahiana izy ireny; fa indro, toy ny mahalavo azy ireny ao amin’i Adama, na noho ny toe-tenany, dia toy izany no anoneran’ny ran’i Kristy ny fahotan’izy ireny amin’ny sorompanavotana.

17 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo fa tsy hisy anarana hafa omena na làlan-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’olombelona, afa-tsy ao Aminy sy amin’ny alalan’ny anaran’i Kristy ihany, Ilay Tompo Tsitoha.

18 Fa indro mitsara Izy, ary ny fitsarany dia mahitsy; ary tsy maty ny zaza izay maty ao amin’ny fahazazany; fa ny olona kosa dia misotro fanamelohana ho an’ny fanahiny ihany raha tsy manetry tena izy ary tonga tahaka ny ankizy madinika ary mino fa ny famonjena dia efa tao sy ao ary ho tonga ao sy amin’ny alalan’ny ran’ny sorompanavotan’i Kristy, Ilay Tompo Tsitoha.

19 Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra, ary efa toy izany hatramin’ny fahalavoan’i Adama ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha-olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina azy, dia tahaka ny zaza manoa an-drainy.

20 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa ho avy ny fotoana, ka ny fahalalana ny Mpamonjy dia hiely patrana eran’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary mponina tsirairay.

21 Ary indro rehefa tonga izany fotoana izany, dia tsy hisy ho hita tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra afa-tsy ny ankizy madinika, raha tsy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana ny anaran’ny Tompo Andriamanitra Tsitoha ihany.

22 Ary na dia amin’izay fotoana izay aza, rehefa avy nampianarinao ny olonao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo Andriamanitrao anao, na dia amin’izay aza dia tsy hita tsisy tsiny intsony eo imason’ Andriamanitra izy raha tsy araka ny teny izay efa nolazaiko anao ihany.

23 Ary ankehitriny dia efa nolazaiko ireo teny izay efa nandidian’ny Tompo Andriamanitra ahy.

24 Ary izao no lazain’ny Tompo: Ireo no hijoro ho toy ny vavolombelona mazava hiampanga ity vahoaka ity amin’ny andro fitsarana; amin’ireo no hitsarana azy, ny olona tsirairay araka ny asany avy, na tsara izany, na ratsy izany.

25 Ary raha ratsy izany, dia ahiboka ao amin’ny fahitana mahatsiravina ny helony sy ny fahavetavetany ihany izy, izay mahatonga azy hitakemotra hiala ny fanatrehana ny Tompo ho ao amin’ny toetry ny fahantrana sy fijaliana tsisy fiafarany, izay tsy ahafahany miverina ilalana intsony; noho izany izy dia efa nisotro fanamelohana ho an’ny fanahiny.

26 Noho izany izy dia efa nisotro tamin’ny kapoaky ny fahatezeran’ Andriamanitra, izay tsy azon’ny hitsiny lavina aminy intsony, toy ny tsy nahazoan’izany nandà fa i Adama dia ho lavo noho ny fihinanany tamin’ny voankazo voarara; noho izany, dia tsy manan-jo aminy mandrakizay intsony ny famindram-po.

27 Ary ny fijaliany dia toy ny farihy afo sy solifara, ka ny lelafony dia tsy mety maty ary ny setrony dia miakatra mandrakizay mandrakizay. Izay no efa nandidian’ny Tompo ahy. Amena.