Fanampiana amin’ny fandalinana
Jehovah


Jehovah

Ny anarana amin’ny fanekempihavanana sady anaran-tsamirerin’ny Andriamanitry ny Isiraely. Izany dia midika hoe “ilay Izy Aho mandrakizay” (Eks. 3:14; Jao. 8:58). Jehovah no Jesoa Kristy, talohan’ny fiainana teto amin’ny mety maty, izay tonga teto an-tany ho zanak’i Maria (Môzià 3:8; 15:1; 3 Ne. 15:1–5). Mazàna isaky ny ampiasaina ny teny hoe Tompo ao amin’ny Testamenta Taloha, dia “Jehovah” no heviny.

Jehovah no Kristy

Fantatr’ireo mpaminany fahiny i Jehovah (Eks. 6:3; Abr. 1:16). Nampianatra i Paoly Apôstôly fa i Kristy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha (Eks. 17:6; 1 Kor. 10:1–4). Ny rahalahin’i Jareda ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nahita an’i Kristy talohan’ny nahatongavany teto amin’ny toetry ny mety maty ka nidera Azy (Ete. 3:13–15). Môrônia dia niantso koa an’i Kristy hoe “Jehovah” (Môrô. 10:34). Nahita an’ilay Jehovah efa tafatsangana tamin’ny maty i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland (F&F 110:3–4).