Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101


Fizarana 101

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 16 sy 17 desambra 1833. Niaritra fanenjehana lehibe ireo Olomasina izay efa tafavory tao Missouri tamin’io fotoana io. Noroahin’ny mpihetraketraka hiala ny tranony tao amin’ny Fivondronan’i Jackson izy ireo; ary efa nanandrana ny nanorim-ponenana tao amin’ny Fivondronan’i Van Buren sy i Lafayette ary i Ray ny sasany tamin’ireo Olomasina, saingy nanaraka azy ireo ny fanenjehana. Tao amin’ny Fivondronan’i Clay, Missouri, ny ankamaroan’ireo Olomasina tamin’io fotoana io. Maro ireo fandrahonana ho faty natao tamin’ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana. Nafoin’ny Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ny fanaka tao an-trano, ny fitafiana, ny biby fiompy ary ny fananana manokana hafa; ary maro tamin’ny voliny no nopotehina.

1–8, Nofaizina sy nampahoriana ny Olomasina noho ny fandikany ny lalàna; 9–15, Hianjera amin’ireo firenena ny fahaviniran’ny Tompo, saingy hangonina sy hampaherezina kosa ny vahoakany; 16–21, Hatsangana i Ziona sy ireo tsatòkany; 22–31, Fampisehoana ny ho toetry ny fiainana mandritra ny Arivotaona; 32–42, Hotahina ary hovaliana soa ny Olomasina amin’izany; 43–62, Ny fanoharana momba ny andriandahy sy ireo hazo oliva izay maneho ireo korontana sy fanavotana an’i Ziona amin’ny farany; 63–75, Tokony hotohizan’ny Olomasina ny fiarahany mivondrona; 76–80, Ny Tompo no nanao ny Lalàm-panorenan’i Etazonia; 81–101, Tsy maintsy mitambezo ny Olomasina mba hanarenana ireo fahavoazana, araka ny fanoharana ny amin’ilay vehivavy sy ilay mpitsara tsy marina.

1 Lazaiko aminareo marina tokoa, momba ireo rahalahinareo izay efa nampahoriana sy nenjehina ary noroahina hiala ny tany lovany—

2 Izaho Tompo dia efa namela ny fahoriana izay efa nampahoriana azy hianjady aminy ho setrin’ny fandikany lalàna;

3 Kanefa dia hanana azy ireo Aho, ary ho Ahy ireo amin’ilay andro izay hahatongavako mba hanangonako ny vatosoako.

4 Koa tsy maintsy ilaina ny hamaizana sy hizahan-toetra azy tahaka an’i Abrahama izay nodidina hanatitra ny zanany lahy tokana.

5 Fa ireo rehetra izay tsy hiharitra famaizana fa handà Ahy dia tsy azo hamasinina.

6 Indro, lazaiko aminareo, nisy fifamaliana sy fifandirana ary fialonana sy fifanjihirana mbamin’ny faniriana feno fahavetavetana sy fitsiriritana teo anivony; koa nolotoiny tamin’izany ny lovany.

7 Nitaredretra izy hihaino ny feon’ny Tompo Andriamaniny; koa mitaredretra ny Tompo Andriamaniny hihaino ny fivavany, hamaly azy amin’ny androm-pahasahiranany.

8 Tamin’ny androm-piadanany dia nohamaivaniny ny torohevitro; nefa amin’ny androm-pahasahiranany dia tadiaviny Aho noho ny hamaizany.

9 Lazaiko aminareo marina tokoa, na dia eo aza ny fahotany, dia feno fangorahana aminy ny kiboko. Tsy holaviko tanteraka izy; ary amin’ny androm-pisafoahana, dia hahatsiaro famindram-po Aho.

10 Efa nianiana Aho, ary ny didim-pitondràna dia efa nivoaka tamin’ny alalan’ny didy izay efa nomeko anareo teo aloha, fa havelako hianjera ny sabatry ny fahavinirako noho ny amin’ny vahoakako; ary araka ny efa voalazako no hitrangan’izany.

11 Tsy ho ela dia haidina tsy misy fetra amin’ny firenen-drehetra ny fahavinirako; ary izany dia hataoko rehefa feno ny kapoaky ny fahotany.

12 Ary amin’izany andro izany ireo rehetra izay hita eny amin’ny tilikambo fiambenana, na amin’ny teny hafa, ny Isiraeliko rehetra, dia hovonjena.

13 Ary ireo izay efa naely patrana dia hangonina.

14 Ary ireo rehetra izay efa nitoloko dia hampaherezina.

15 Ary ireo rehetra izay efa namoy ny ainy noho ny anarako dia hosatrohina satroboninahitra.

16 Koa aoka hionona ny fonareo momba an’i Ziona; fa eo an-tanako ny nofo rehetra; mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.

17 Tsy hoesorina hiala eo amin’ny toerany i Ziona, na dia aely patrana aza ny zanany.

18 Ireo izay mijanona sy madio am-po dia hody sy ho tonga eo amin’ny lovany, izy sy ny zanany, miaraka amin’ny hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay, ka hanarina ny toerana rava ao Ziona—

19 Ary ireny rehetra ireny dia ny mba hahatanteraka ny faminaniam’ireo mpaminany.

20 Ary indro, tsy misy toerana voatondro hafa noho izay efa notondroiko; sady tsy hisy toerana voatondro hafa noho izay efa notondroiko ho an’ny asa fanangonana ny olomasiko—

21 Ambara-pahatongan’ny andro izay tsy ahitana toerana intsony ho azy; ary amin’izay Aho dia manana ireo toerana hafa izay hotondroiko ho azy; ary ireo dia hatao hoe tsatòka ho an’ny lay na ny tanjak’i Ziona.

22 Indro, izao no sitrapoko: izay rehetra miantso ny anarako ary mitsaoka Ahy araka ny filazantsarako maharitra mandrakizay dia tokony hiaraka hivondrona sy hijoro eo amin’ireo toerana masina;

23 Ary hiomana ho amin’ny fanambarana izay ho avy, rehefa hoesorina hiala ny voaly fandrakofana ny tempoliko, ao amin’ny tabernakeliko, izay manafina ny tany, ary hiara-hahita Ahy ny nofo rehetra.

24 Ary ny zavatra mety lo rehetra, na amin’ny olona, na amin’ny biby any an-tsaha, na amin’ny voromanidin’ny habakabaka, na amin’ny hazandranon’ny ranomasina, ka mitoetra eto ambonin’ny tany manontolo, dia holevonina;

25 Ary koa izay an’ny singa dia hiempo amin’ny hafanana mahamay; ary ny zavatra rehetra dia ho tonga vaovao mba hahazoan’ny fahalalako sy ny voninahitro mitoetra eran’ny tany manontolo.

26 Ary amin’izay andro izay ny fifandrafian’ny olona sy ny fifandrafian’ny biby, eny, ny fifandrafian’ny nofo rehetra dia hitsahatra eo anoloan’ny tavako.

27 Ary amin’izay andro izay, na inona na inona hangatahin’ny olona, dia homena azy izany.

28 Ary amin’izay andro izay, dia tsy hanan-kery hakana fanahy ny olona i Satana.

29 Ary tsy hisy alahelo satria tsy misy fahafatesana.

30 Amin’izay andro izay, dia tsy ho faty ny zaza raha tsy efa antitra; ary ny androm-piainany dia ho tahaka ny taonan’ny hazo;

31 Ary rehefa maty izy dia tsy hatory, izany hoe ao ambanin’ny tany, fa hovaina ao amin’ny indray mipi-maso sy hakarina hiakatra, ary ny fitsaharany dia ho be voninahitra.

32 Eny, lazaiko aminareo marina tokoa, amin’izay andro izay, rehefa ho avy ny Tompo, dia hambarany ny zavatra rehetra—

33 Zavatra izay efa lasa sy zavatra miafina izay tsy misy olona nahafantatra, zavatry ny tany izay tamin’izany no nanaovana azy, ary ny zava-kinendry sy ny tanjon’ny tany—

34 Zavatra tena sarobidy indrindra, zavatra izay eny ambony sy zavatra izay ety ambany, zavatra izay ao anatin’ny tany sy ambonin’ny tany ary any an-danitra.

35 Ary ireo rehetra izay miaritra fanenjehana noho ny anarako ary maharitra amin’ny finoana, na dia voantso hamoy ny ainy noho ny Amiko aza izy ireo, dia hanana anjara kosa amin’izany voninahitra rehetra izany.

36 Koa aza matahotra na dia ny ho faty aza; fa eo amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, fa ao Amiko dia feno ny fifalianareo.

37 Koa aza manahy ny amin’ny vatana, na ny ain’ny vatana; fa manahia ny amin’ny fanahy sy ny amin’ny ain’ny fanahy.

38 Ary tadiavo mandrakariva ny tavan’ny Tompo, mba ho amin’ny faharetana no hahatananareo ny fanahinareo, dia hanana ny fiainana mandrakizay ianareo.

39 Rehefa antsoina ho amin’ny filazantsarako maharitra mandrakizay ny olona ary manao fanekena amin’ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay, dia isaina ho toy ny siran’ny tany sy ny tsiron’ny olona izy;

40 Antsoina izy ireo ho tsiron’ny olona; koa raha ny fanasin’ny tany no manary ny tsirony, dia indro tsy tsara na amin’inona na amin’inona afa-tsy ny hariana any ivelany izy ary hohosen’ny tongotry ny olona.

41 Indro, eto no fahendrena momba ny zanak’i Ziona, dia ny maro fa tsy ny rehetra; hita ho mpandika lalàna izy ireo, koa tsy maintsy ilaina hofaizina

42 Izay manandra-tena no haetry ary izay manetry tena no hasandratra.

43 Ary ankehitriny, dia haneho fanoharana iray aminareo Aho hahafantaranareo ny sitrapoko momba ny fanavotana an’i Ziona.

44 Nanana sombin-tany tena tsara ity andriandahy iray; ary hoy izy tamin’ny mpanompony: Mandehana ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko, dia any amin’ilay sombin-tany tena tsara, ka mambole hazo oliva roa ambin’ny folo;

45 Dia asio mpitily manodidina azy ireo ary atsangano ny tilikambo hahazoan’ny anankiray mitsinjo ny tany manodidina, ka ho mpitily eo amin’ny tilikambo izy mba tsy hahazoana mandavo ny hazo olivako rehefa ho avy ny fahavalo hambabo sy hibodo ny vokatry ny tanimboaloboko.

46 Ankehitriny, dia nandeha ireo mpanompon’ilay andriandahy ary nanao araka ny nandidian’ny tompony azy ireo, ka namboly hazo oliva sy nanangana fefy manodidina ary nametraka mpitily sy nanomboka nanangana tilikambo.

47 Ary raha mbola nandatsaka ny fototr’izany izy ireo dia nanomboka nifampiresaka hoe: Ary inona no ilan’ny Tompoko ity tilikambo ity?

48 Ary nikaon-doha nandritra ny fotoana ela izy ireo ka nifampiresaka hoe: Inona no ilan’ny Tompoko ity tilikambo ity, kanefa dia mandry fahalemana izao fotoana izao?

49 Moa tsy ho azo nomena ny mpanjana-bola va ity vola ity? Satria tsy misy ilana ireto zavatra ireto.

50 Ary raha mbola tsy nifanaraka teo izy samy izy dia nanjary nalaina indrindra ka tsy nihaino ny didin’ny tompony.

51 Ary tonga ny fahavalo nony alina ka nanjera ny fefy; dia nitsangana ireo mpanompon’ilay andriandahy sady raiki-tahotra ka nandositra; dia nandrava ny asany ny fahavalo ka nandavo ireo hazo oliva.

52 Ankehitriny indro, nantsoin’ilay andriandahy, tompon’ny tanimboaloboka, ireo mpanompony ary nataony hoe: Endre! inona no anton’izao faharatsiana lehibe izao?

53 Tsy tokony ho nanao araka izay efa nandidiako anareo va ianareo, ary—rehefa avy namboly ny tanimboaloboka sy nanangana ny fefy manodidina ary nametraka mpitily teo amin’ny mandany—nanangana ny tilikambo koa sy nametraka mpitily teo amin’ny tilikambo ary niambina ny tanimboaloboko ka tsy ho resy tory, fandrao hisovoka anareo ny fahavalo?

54 Ary indro, ny mpitily teo amin’ny tilikambo dia ho nahita ny fahavalo raha mbola lavitra izy; ary ho afaka niomana ianareo ary ho nisakana ny fahavalo tsy handrava ny fefiny ary ho namonjy ny tanimboaloboko tamin’ny tanan’ny mpandrava.

55 Ary hoy ny tompon’ny tanimboaloboka tamin’ny anankiray tamin’ny mpanompony: Andeha angony ny sisa tavela amin’ny mpanompoko ary alaivo avokoa ny tanjaky ny tranoko, dia ny miaramilako, ny zatovolahiko ary ireo izay be taona koa eo anivon’ny mpanompoko rehetra izay tanjaky ny tranoko, afa-tsy ireo izay efa notendreko hijanona;

56 Ary mandehana avy hatrany ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko, ary avoty ny tanimboaloboko; fa ahy izany; efa novidiko tamin’ny vola.

57 Koa mandehana avy hatrany ianareo mankany amin’ny taniko; azerao ny mandan’ny fahavaloko; arodany ny tilikambony ary aparitaho ny mpitiliny.

58 Ary raha mivondrona izy hanohitra anareo, dia valio amin’ny fahavaloko ny nataony tamiko mba hahatongavako tsy ho ela miaraka amin’ny sisa tavela amin’ny ankohonako ary hizaka ny tany.

59 Dia hoy ilay mpanompo tamin’ny tompony: Rahoviana no hitranga izany zavatra izany?

60 Ary hoy izy tamin’ilay mpanompony: Rehefa sitrako; mandehana avy hatrany ianao, ary ataovy ny zava-drehetra, na inona na inona ka efa nandidiako anao;

61 Ary izao no ho kase sy ho tsodranoko aminao—mpitantan-draharaha mahatoky sy hendry eo afovoan’ny tranoko, mpanapaka ao amin’ny fanjakako.

62 Dia nandeha avy hatrany ilay mpanompony ary nanao ny zava-drehetra, na inona na inona ka efa nandidian’ny Tompony azy; ary tanteraka ny zava-drehetra rehefa afaka andro maro.

63 Ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, hasehoko anareo ny fahendrena ato Amiko momba ny fiangonana rehetra, raha vonona izy ny hotarihina amin’ny fomba marina sy mety mba ho famonjena azy ireo—

64 Mba hahazoana manohy ny asa fanangonana ny Olomasiko, mba hahazoako manorina azy ho amin’ny anarako eo amin’ireo toerana masina; fa efa tonga ny fotoam-pijinjana, ary ny teniko dia tsy maintsy ho tanteraka.

65 Koa tsy maintsy manangona ny oloko Aho, araka ny fanoharana ny amin’ny voa tsara sy ny voan-tsimparifary, mba ho azo tehirizina any an-tsompitra ny voa tsara ka hahazo ny fiainana mandrakizay sy hosatrohina voninahitra selestialy, rehefa ho tonga ao amin’ny fanjakan’ny Raiko Aho hamaly ny olona tsirairay araka ny asa ataony;

66 Raha ny tsimparifary kosa hafatotra ho amboara, ary hohamafisina ny fatorany mba hahazoana mandoro azy amin’ny afo tsy mety maty.

67 Koa didy iray no omeko ho an’ny fiangonana rehetra mba hanohizany ny fiarahany mivondrona amin’ireo toerana izay voatendriko.

68 Kanefa, toy izay efa nolazaiko taminareo tamin’ny didy teo aloha, aoka ny fivondronanareo tsy hatao amin’ny firotorotoana na amin’ny fandosirana; fa aoka ny zava-drehetra ho voaomana eo anoloanareo.

69 Ary mba hahatonga ny zava-drehetra ho voaomana eo anoloanareo, dia tandremo ny didy izay efa nomeko momba ireto zavatra ireto—

70 Izay milaza na mampianatra ny hividy ny tany rehetra amim-bola, izay azo vidina amim-bola, eo amin’ny faritry ny tany izay efa voatendriko ho tanin’i Ziona, ho fanombohana ny fanangonana ny Olomasiko;

71 Ny tany rehetra izay azo vidina ao amin’ny fivondronan’i Jackson sy ao amin’ireo fivondronana manodidina, ary avelao ny sisa ho eo an- tanako.

72 Ankehitriny, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka ny fiangonana rehetra hiara-hanangona ny volany rehetra; aoka ireny zavatra ireny hatao amin’ny fotoany fa tsy amin’ny firotorotoana; ary ezaho ny hanana ny zava-drehetra ho voaomana eo anoloanareo.

73 Ary aoka hotendrena ireo olo-manan-kaja, dia ireo olon-kendry, ary iraho ireo hividy ireny tany ireny.

74 Ary ireo fiangonana any amin’ny tany atsinanana, rehefa tafatsangana, raha mety mihaino izao torohevitra izao, dia mahazo mividy tany ary mivondrona eo amin’ireny; ary amin’izany fomba izany ho hahazoany manorina an’i Ziona.

75 Efa misy sahady ankehitriny ny tahiry ampy, eny, betsaka aza, hanavotana an’i Ziona sy hanarenana ny toerany rava ka tsy horavana intsony, raha toa ireo fiangonana izay miantso ny tenany araka ny anarako vonona hihaino ny feoko.

76 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa ny sitrapoko dia ny hanohizan’ireo izay efa naelin’ny fahavalony ny fitambezoany ho an’ny fanarenana sy fanavotana amin’ny alalan’ny tanan’ireo izay napetraka ho mpanapaka sy ho manam-pahefana aminareo—

77 Araka ny lalàna sy ny lalàm-panorenan’ny vahoaka izay efa navelako mba haorina ary tokony hotanana ho an’ny zo sy ny fiarovana ny nofo rehetra araka izay fitsipika marina sy masina;

78 Hahazoan’ny olona tsirairay miasa araka ny fotopampianarana sy ny fitsipika mikasika ny hoavy, araka ny safidim-pitondrantena izay efa nomeko azy, ka ny olona tsirairay dia ho azo ampamoahina ny amin’ny fahotany avy amin’ny andro fitsarana.

79 Koa tsy rariny ny fisian’ny olona andevozin’ny olona hafa.

80 Ary ho amin’izany tanjona izany no efa nametrahako ny Lalampanorenan’ity tany ity tamin’ny alalan’ny tanan’ireo olon-kendry izay efa natsangako ho amin’izany tanjona izany indrindra sy nanavotako ny tany tamin’ny fandatsahan-dra.

81 Ankehitriny, amin’ny inona no hanoharako ny zanak’i Ziona? Hohariko amin’ny fanoharana momba ilay vehivavy sy ilay mpitsara tsy marina izy ireo, satria ny olona dia tokony hivavaka mandrakariva ka tsy ho kivy, fanoharana izay manao hoe—

82 Nisy mpitsara tao amin’ny tanàna iray, izay tsy natahotra an’ Andriamanitra no tsy niraharaha olona.

83 Ary nisy mpitondratena tao amin’izany tanàna izany, ary nankao aminy izy nanao hoe: Omeo rariny amin’ilay miady amiko aho.

84 Ary tsy nety izy aloha, saingy taorian’izany, dia hoy izy anakampo: Na dia tsy matahotra an’ Andriamanitra aza aho sady tsy miraharaha olona, dia homeko rariny ihany io mpitondratena io satria manelingelina ahy, fandrao hampahasosotra ahy ny fiverimberenany tsy tapaka.

85 Dia hohariko amin’izany ny zanak’i Ziona.

86 Aoka izy ireo hitambezo eo an-tongotry ny mpitsara;

87 Ary raha tsy raharahainy izy ireo, dia aoka izy ireo hitambezo eo an-tongotry ny governora;

88 Ary raha tsy raharahain’ny governora izy ireo, dia aoka izy ireo hitambezo eo an-tongotry ny filoha;

89 Ary raha tsy raharahain’ny filoha izy ireo, dia hitsangana ny Tompo ary hivoaka avy ao amin’ny toerany miafina ary hamely ny firenena amin’ny fahavinirany;

90 Ary amin’ny hasosorany mavaivay sy amin’ny hatezerany mirehitra, amin’ny fotoany no hanesorany hiala ireo mpitantana ratsy fanahy, tsy mahatoky ary tsy marina, ary hanomezany ny anjaran’izy ireo any anivon’ny mpihatsaravelatsihy sy ny tsy mpino;

91 Dia any amin’ny haizina any ivelany izay misy fitomaniana sy fidradradradrana ary fikitroha-nify.

92 Koa mivavaha ianareo hisokafan’ny sofin’izy ireo amin’ny tolokonareo mba hahatonga Ahy ho feno famindram-po aminy ka tsy hianjady aminy ireo zavatra ireo.

93 Izay efa nolazaiko anareo dia tsy maintsy ilaina ho to, mba tsy havela ho afa-tsiny ny olon-drehetra;

94 Mba handre sy hahafantatra izay tsy nosaintsaininy na oviana na oviana ny olon-kendry sy ny mpanapaka;

95 Mba hahazoako miroso hanatontosa ny ataoko, ilay ataoko hafahafa, ary hanatanteraka ny asako, ilay asako hafahafa, mba hahazoan’ny olona manavaka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy, hoy ny Andriamanitrareo.

96 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa mifanohitra amin’ny didiko sy ny sitrapoko ny famarotan’i Sidney Gilbert mpanompoko ny trano fitehirizako, izay efa voatendriko ho an’ny vahoakako, ho eo an-tanan’ny fahavaloko.

97 Aoka izay efa voatendriko tsy holotoin’ny fahavaloko noho ny faneken’ireo izay miantso ny tenany amin’ny anarako;

98 Satria izany dia fahotana tena lehibe sy mavesatra Amiko sy amin’ny vahoakako, noho ireo zavatra izay efa notapahiko sy izay efa hihatra tsy ho ela amin’ireo firenena.

99 Koa sitrako ny hitakian’ny vahoakako sy hihazonany ny fitakiany amin’izay efa voatendriko ho azy, na dia tsy havela hitoetra amin’izany aza izy.

100 Na dia izany aza dia tsy milaza Aho fa tsy hitoetra amin’izany izy; fa araka izay amokarany voa sy asa mendrika ny fanjakako no hitoerany amin’izany.

101 Hanorina izy ary tsy handova izany ny hafa; hamboly tanimboaloboka izy ary hihinana ny voany. Izany tokoa. Amena.