Fanampiana amin’ny fandalinana
Tsatòka


Tsatòka

Iray amin’ireo rafi-pandaminana sy fitantanana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny tsatòka dia fitambarana paroasy na sampana maromaro. Mandrakotra faritra voafetra mazava izany, ary mifanaraka amin’ny sarin’ny lay voalaza ao amin’ny Isaia 54:2: “halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsatokanao.” Ny tsatòka tsirairay ao Ziona dia manohana sy manampy amin’ny fijoroan’ny Fiangonana, tahaka ny ampijoroan’ny tsatòka ny lay na ny tabernakely. Ny tsatòka dia toeram-panangonana ho an’ny sisa tavela amin’ny Isiraely naely patrana (F&F 82:13–14; 101:17–21).