Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110


Fizarana 110

Fahitana naseho an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Oliver Cowdery tao amin’ny tempolin’i Kirtland, Ohio, ny 3 aprily 1836. Fivorian’ny andro sabata tamin’izay. Izao no lazain’ny tantaran’i Joseph Smith: “Tamin’ny tolakandro, dia nanampy ireo filoha hafa nizara ny Fanasan’ny Tompo ho an’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana aho, rehefa avy nandray izany tamin’ny Roambinifololahy, izay tombontsoany amin’ity andro ity ny mitantana eo amin’ny latabatra masina. Rehefa avy nanatontosa ity fanompoana ho an’ny rahalahiko ity aho dia nisintona nankeny amin’ny polipitra, ka nony efa tafidina ny efitra lamba, dia niara-niankohoka tamin’i Oliver Cowdery tamin’ny vavaka mangina sy masina ny tenako. Rehefa nitsangana avy nivavaka izahay, dia nosokafana ho anay izao fahitana manaraka izao.”

1–10, Niseho tamin’ny voninahitra i Jehovah Tompo ary nanaiky ny Tempolin’i Kirtland ho tranony; 11–12, Samy niseho tsirairay i Mosesy sy i Elià ary nanolotra ny fanalahidiny sy ny fotoampitantanany; 13–16, Niverina i Elia ary nanolotra ny fanalahidin’ny fotoampitantanany araka ny nampanantenan’i Malakia.

1 Nesorina hiala ny sainay ny voaly ary nosokafana ny mason’ny fahatakaranay.

2 Nahita ny Tompo nijoro teo ambonin’ny arofanin’ny polipitra teo anoloany izahay; ary teo ambany tongony ny lalam-bato volamena tsy nisy fangarony, ka ny lokony dia tahaka ny ambira.

3 Ny masony dia tahaka ny lelafo; ny volon-dohany dia fotsy tahaka ny orampanala tsy misy fangarony; ny tarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be, dia ny feon’i Jehovah manao hoe:

4 Izaho no voalohany sy farany; Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina; Izaho no mpisolovava anareo ao amin’ny Ray.

5 Indro, voavela ny fahotanareo; madio ianareo eo anoloako; koa andrandrao ny lohanareo ary mifalia.

6 Aoka ny fon’ny rahalahinareo hifaly, ary aoka ny fon’ny vahoakako rehetra hifaly, ny vahoakako izay efa nanorina ity trano ity tamin’ny heriny ho an’ny anarako.

7 Fa indro efa nekeko ity trano ity ary ho eto ny anarako; ary Izaho haneho ny tenako amin’ny vahoakako amin’ny famindram-po, ao amin’ity trano ity.

8 Eny, Izaho hiseho amin’ireo mpanompoko sy hiteny aminy amin’ny feoko ihany, raha mitandrina ny didiko ny vahoakako ary tsy mandoto ity trano masina ity.

9 Eny, ny fon’ny an’arivony sy ny an’alina dia hifaly fatratra tokoa noho ny fitahiana izay harotsaka sy ny fanafiana masina izay efa nanafiana ny mpanompoko tao amin’ity trano ity.

10 Ary hiely any an-tany hafa ny lazan’ity trano ity; ary izany no fiandohan’ny fitahiana izay harotsaka eo ambonin’ny lohan’ny vahoakako. Izany tokoa. Amena.

11 Rehefa nikatona izany fahitana izany, dia nosokafana taminy indray ny lanitra; dia niseho teo anoloanay i Mosesy ary nanolotra anay ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra sy ny fitarihana ny firenena folo avy any amin’ny tany avaratra.

12 Rehefa izany dia niseho i Elià ary nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama sady nilaza fa ao aminy sy ny taranakay no hitahiana ny fara aman-dimby rehetra.

13 Rehefa nikatona izany fahitana izany dia fahitana iray hafa, lehibe sady be voninahitra no nipoitra taminy; fa nijoro teo anoloanay i Elia mpaminany izay nalaina ho any an-danitra ka tsy nanandrana fahafatesana ary nanao hoe:

14 Indro, efa migadona tanteraka ny fotoana izay efa notenenin’ny vavan’i Malakia—sady nijoroany ho vavolombelona fa izy [i Elia] dia hirahina mialoha ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra—

15 Mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray, fandrao hasiana amin’ny ozona ny tany—

16 Koa atolotro ho eo an-tananareo ny fanalahidin’ity fotoampitantanana ity; ary izany no ahafantaranareo fa ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra, dia efa akaiky, mby eo am-baravarana aza.