Voatokana, manana ny toetran’ Andriamanitra, na toe-panahy sy fitondran-tena madio. Ny mifanohitra amin’ny hoe masina dia izay mahazatra na izay manevateva.
Ho fanjakam-pisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo, Eks. 19:5–6 (1 Pet. 2:9 ).
Nandidy ny Isiraely ny Tompo: Aoka ho masina satria masina Aho, Lev. 11:44–45 .
Ireo izay madio tanana sy mahitsy fo no hitsangana eo amin’ny toerany masina, Sal. 24:3–4 .
Ampianaro ny oloko ny fahasamihafan’ny masina sy ny manevateva, Ezek. 44:23 .
Efa niantso antsika tamin’ny antso masina Andriamanitra, 2 Tim. 1:8–9 .
Hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny soratra masina, 2 Tim. 3:15 .
Ny olona masin’ Andriamanitra dia niteny araka izay nanentanan’ny Fanahy Masina azy, 2 Pet. 1:21 .
Ny olona rehetra dia hotsaraina araka ny fahamarinana sy ny fahamasinana izay ao amin’ Andriamanitra, 2 Ne. 2:10 .
Ny olona araka ny nofo dia tonga Olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy, Môzià 3:19 .
Mandehana araka ny lamina masin’ Andriamanitra, Almà 7:22 (Almà 13:11–12 ).
Nohamasinina tao amin’ny nofo ny mpianatra telo ary natao masina, 3 Ne. 28:1–9, 36–39 .
Aza hamaivanina ireo zava-masina, F&F 6:12 .
Tsy afaka hanoratra izay masina ianao raha tsy omena anao avy amiko izany, F&F 9:9 .
Hifehy ny tenanareo ianareo ka handeha amin’ny fahamasinana rehetra, F&F 43:9 .
Hitsangana eo amin’ny toerana masina ny mpianatro, F&F 45:32 .
Izay tonga avy any ambony dia masina, F&F 63:64 .
Masina ireo ankizy madinika, F&F 74:7 .
Atokany io sombin-tany io ka ho masina izany, F&F 124:44 .