Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18


Fizarana 18

Fanambarana ho an’i Joseph Smith Mpaminany, i Oliver Cowdery ary i David Whitmer, nomena tao Fayette, New York, ny volana jona 1829. Araka ny voalazan’ny Mpampinany ny Mpaminany, ity fanambarana ity dia nampahafantatra “ny fiantsoana ny apôstôly roa ambin’ny folo amin’izao andro farany izao ary koa torolalana momba ny fanorenana ny Fiangonana.”

1–5, Asehon’ny soratra masina ny fomba anorenana ny Fiangonana; 6–8, Mihamasaka ao amin’ny faharatsiana izao tontolo izao; 9–16, Lehibe ny hasarobidin’ny olona; 17–25, Tsy maintsy mitondra ny anaran’i Kristy ny olona mba hahazo famonjena; 26–36, Fanambarana ny antso sy ny asa fitorian’ny Roambinifololahy; 37–39, Tsy maintsy mitady ireo Roambinifololahy i Oliver Cowdery sy i David Whitmer; 40–47, Tsy maintsy mibebaka, atao batisa ary mitandrina ireo didy ny olona, mba hahazoany famonjena.

1 Ankehitriny indro, noho ny zavatra izay efa nirianao ho fantatra avy Amiko ry Oliver Cowdery mpanompoko, dia omeko anao ireto teny ireto:

2 Indro, efa nasehoko anao, tamin’ny alalan’ny Fanahiko, tamin’ny fotoana maro, fa marina ny zavatra izay efa nosoratanao; koa fantatrao noho izany fa marina ireny.

3 Ary raha fantatrao fa marina ireny, dia indro, omeko anao ny didy mba hianteheranao amin’ny zavatra izay voasoratra;

4 Fa ao amin’ireny no misy ny zava-drehetra voasoratra momba ny fanorenana ny fiangonako, ny filazantsarako ary ny vatolampiko.

5 Koa raha manangana ny fiangonako eo amin’ny fanorenan’ny filazantsarako sy ny vatolampiko ianao, dia tsy haharesy anao ny vavahadin’ny helo.

6 Indro, mihamasaka ao amin’ny faharatsiana izao tontolo izao; ka tsy maintsy ilaina ny hanairana ny olona ho amin’ny fibebahana, na Jentilisa izy na mpianakavin’i Isiraely.

7 Koa satria efa natao batisa ianao tamin’ny tanan’i Joseph Smith zanany mpanompoko, araka izay efa nandidiako azy, dia efa nahatontosa ny zavatra izay nandidiako azy izy.

8 Ary ankehitriny aza gaga amin’ny efa niantsoako azy ho amin’ny zava-kinendriko, dia zava-kinendry efa fantatro; koa raha mazoto amin’ny fitandremana ny didiko izy dia hotahina ka hahazo ny fiainana mandrakizay; ary i Joseph no anarany.

9 Ary ankehitriny ry Oliver Cowdery, miteny aminao Aho, ary koa amin’i David Whitmer ho fandidiana; fa, indro, mandidy ny olon-drehetra Aho, na aiza na aiza izany, hibebaka, ary miteny aminao Aho toy ny nitenenako tamin’i Paoly apôstôliko, satria ianareo dia antsoina amin’ilay antso izay niantsoana azy ihany.

10 Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra;

11 Fa indro, ny Tompo Mpanavotra anao dia niaritra fahafatesana tamin’ny nofo; koa niaretany ny fangirifirian’ny olon-drehetra, mba hahazoan’ny olon-drehetra mibebaka sy manatona Azy.

12 Ary efa nitsangana indray tamin’ny maty Izy, mba hahazoany mitondra ny olon-drehetra ho eo Aminy, raha tahiny ka mibebaka izy ireo.

13 Ary akory ny halehiben’ny fifaliany amin’ny olona izay mibebaka!

14 Koa antsoina ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity.

15 Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!

16 Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ny fanahy iray izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ny fanjakan’ny Raiko, akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!

17 Indro, manana ny filazantsarako sy ny vatolampiko ary ny famonjeko eo anoloanareo ianareo.

18 Angataho amin’ny anarako ny Ray amin’ny finoana, rehefa mino fa handray ianareo, dia hanana ny Fanahy Masina ianareo, izay maneho ny zavatra rehetra ilain’ny zanak’olombelona.

19 Ary raha tsy manana finoana, fanantenana ary fiantrana ianareo dia tsy afaka manao na inona na inona.

20 Aza mifanditra amin’ireo fiangonana, afa-tsy amin’ny fiangonan’ny devoly ihany.

21 Ento eo aminareo ny anaran’i Kristy, ary lazao amin’ny fahononan-tena ny marina.

22 Ary izay rehetra mibebaka sy atao batisa amin’ny anarako, dia i Jesoa Kristy, ary maharitra hatramin’ny farany dia izy no hovonjena.

23 Indro, Jesoa Kristy no anarana izay omen’ny Ray, ary tsy misy anarana hafa nomena izay ahafahana mamonjy ny olona;

24 Koa ny olona rehetra dia tsy maintsy mitondra ilay anarana izay omen’ny Ray, satria amin’izany anarana izany no hiantsoana azy ireo amin’ny andro farany;

25 Koa raha tsy fantany ny anarana izay iantsoana azy, dia tsy afaka ny hanana toerana ao amin’ny fanjakan’ny Raiko izy.

26 Ary ankehitriny indro, misy hafa izay antsoina mba hanambara ny filazantsarako, na amin’ny Jentilisa na amin’ny Jiosy;

27 Eny, dia roa ambin’ny folo lahy; ary ho mpianatro ny Roambinifololahy ary hitondra ny anarako izy ireo; ary ny Roambinifololahy dia ireo izay haniry ny hitondra ny anarako amin’ny fo feno finiavana.

28 Ary raha maniry ny hitondra ny anarako amin’ny fo feno finiavana izy ireo dia antsoina handeha eran’izao tontolo izao hitory ny filazantsarako amin’ny olona rehetra.

29 Ary izy ireo no ireo izay voatokako mba hanao batisa amin’ny anarako araka izay voasoratra;

30 Ary efa anananareo eo anoloanareo izay voasoratra; koa tsy maintsy manatanteraka izany araka ny teny izay voasoratra ianareo.

31 Ary ankehitriny miteny aminareo Aho ry Roambinifololahy—Indro, ampy ho anareo ny fahasoavako; tsy maintsy mandeha araka ny hitsiny eo anoloako ianareo ary tsy manota.

32 Ary indro, ianareo no ireo izay voatokako mba hanokana mpisorona sy mpampianatra; mba hanambara ny filazantsarako araka ny herin’ny Fanahy Masina izay ao aminareo, ary araka ny antso sy ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra ho an’ny olona;

33 Ary Izaho Jesoa Kristy Tomponareo sy Andriamanitrareo no efa niteny izany.

34 Ireto teny ireto dia tsy avy amin’olona na avy amin’ny olona fa avy Amiko; koa hijoro ho vavolombelona ianareo fa avy Amiko ireto fa tsy avy amin’olona;

35 Satria ny feoko no miteny ireto aminareo; satria omena anareo amin’ny alalan’ny Fanahiko ireto, ary amin’ny heriko no ahafahanareo mifamaky azy ireto; ary raha tsy noho ny heriko dia tsy ho nanana azy ireto ianareo;

36 Koa afaka mijoro ho vavolombelona ianareo fa efa nahare ny feoko sy mahafantatra ny teniko.

37 Ary ankehitriny indro, omeko ho anao ry Oliver Cowdery, ary koa ho anao ry David Whitmer, ny hitadiavanareo ny Roambinifololahy izay hanana ny faniriana izay efa noresahiko;

38 Ary amin’ny faniriany sy ny asany no hahafantaranareo azy ireo.

39 Ary rehefa hitanareo izy ireo dia hasehonareo azy ireo ireto zavatra ireto.

40 Ary handohalika ianareo ka hitsaoka ny Ray amin’ny anarako.

41 Ary tsy maintsy mitory amin’izao tontolo izao ianareo, manao hoe: Tsy maintsy mibebaka ianareo ary atao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy;

42 Fa tsy maintsy mibebaka ny lehilahy rehetra ary atao batisa, ary tsy ny lehilahy ihany fa ny vehivavy sy ny ankizy koa izay efa tonga eo amin’ny taona maha-tompon’andraikitra.

43 Ary ankehitriny, rehefa avy nandray izao ianareo dia tsy maintsy mitandrina ny didiko amin’ny zavatra rehetra;

44 Ary amin’ny tananareo no hanaovako asa mahatalanjona eo anivon’ny zanak’olombelona, ho fandresen-dahatra ny maro ny amin’ny fahotany, mba hahatongavany amin’ny fibebahana, mba hahatongavany ao amin’ny fanjakan’ny Raiko.

45 Koa ny fitahiana izay omeko ho anareo dia ambonin’ny zava-drehetra.

46 Ary rehefa avy nandray izao ianareo, raha tsy tandremanareo ny didiko, dia tsy azo vonjena ao amin’ny fanjakan’ny Raiko ianareo.

47 Indro, Izaho Jesoa Kristy Tomponareo sy Andriamanitrareo ary Mpanavotra anareo, amin’ny herin’ny Fanahiko, no efa niteny izany. Amena.