Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, 2 Petera 3


DJS, 2 Petera 3:3–13. Ampitahao amin’ny 2 Petera 3:3–13

Amin’ny andro farany dia ho maro ny olona handà an’i Jesoa Kristy Tompo. Rehefa tonga Izy dia loza ara-boajanahary maro no hitranga. Raha maharitra amim-pahamarinana isika dia hahazo tany vaovao.

3 Tokony ho fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany, dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany.

4 Izay mandà an’i Jesoa Kristy Tompo ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry, dia tsy maintsy maharitra tsy miova ny zavatra rehetra ary efa naharitra tsy niova hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao.

5 Fa minia tsy mahafantatra izy ireo hoe fahiny ny lanitra sy ny tany, izay tao anaty rano sy nivoaka avy tao anaty rano, dia dia noharian’ny tenin’ Andriamanitra;

6 Ary tamin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra, no nandravana izao tontolo izao taloha raha safotry ny rano;

7 Fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ihany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.

8 Nefa ry malala raha mikasika ny fiavian’ny Tompo dia tsy tiako tsy ho fantatrareo izao zavatra iray loha izao: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.

9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany sy ny fiaviany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po amintsika izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.

10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra dia hihozongozona, ary ny tany koa dia hihorohoro, ary ny tendrombohitra dia hiempo, ary ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ny singa rehetra dia ho heniky ny hafanana mahamay; ny tany koa dia ho henika, ary ny asa mety lo izay eo aminy dia hodorana.

11 Koa raha toa ka ho rava ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,

12 Manantena ny andro hiavian’ny Tompo sy miomana amin’izany izay hahamay sy hahalevona ireo zavatry ny lanitra mety lo ary hiempo amin’ny hafanana mahamay ny tendrombohitra?

13 Kanefa raha maharitra isika dia ho voaro araka ny fampanantenany. Ary manantena lanitra vaovao isika sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana.