Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Hebreo 11


DJS, Hebreo 11:1. Ampitahao amin’ny Hebreo 11:1

Ny finoana dia fahazoana antoka ny zavatra antenaina.

1 Ankehitriny ny finoana dia fahazoana antoka ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.

DJS, Hebreo 11:35. Ampitahao amin’ny Hebreo 11:35

Izay mahatoky ka ampijaliana noho ny amin’i Kristy dia mahazo ny Fitsanganana Voalohany amin’ny Maty.

35 Ireo vehivavy dia nandray ny maty teo aminy, izay natsangana ho velona indray; ary ireo sasany nampijaliana nefa tsy nanaiky fanafahana; mba hahazoany ny fitsanganana voalohany amin’ny maty;