Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Hebreo 7


DJS, Hebreo 7:3. Ampitahao amin’ny Hebreo 7:3

I Melkizedeka dia mpisorona araka ny lamin’ny Zanak’ Andriamanitra. Ireo rehetra izay mandray io fisoronana io dia afaka ny ho tonga tahaka ny Zanakalahin’ Andriamanitra.

3 Fa ity Melkizedeka ity dia natokana ho mpisorona avo araka ny lamin’ny Zanak’ Andriamanitra, dia lamina izay tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manan-tamingana sady tsy nanana fiandohan’andro no tsy nanana fiafaram-piainana. Ary ireo rehetra izay voatokana ho amin’ity fisoronana ity dia atao mitovy amin’ny Zanak’ Andriamanitra, mitoetra ho mpisorona lalandava.

DJS, Hebreo 7:19–21. Ampitahao amin’ny Hebreo 7:19–21

Ny lalàna dia nanomana ny olona ho an’i Jesoa izay “mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.”

19 Fa ny lalàna dia nampiharina tsy nisy fianianana ary tsy nahatanteraka na inona na inona, fa fampidirana fotsiny ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’ Andriamanitra.

20 Tahaka an’io mpisorona avo io izay tsy natao mpisorona avo raha tsy tamin’ny fianianana, dia tahaka izany koa no nanaovana an’i Jesoa ho mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.

21 (Fa ireny dia natao mpisorona tsy tamin’ny fianianana; fa io dia tamin’ny fianianana nataon’ilay nilaza taminy hoe: Efa nianiana ny Tompo ka tsy hanenina; Ianao no mpisorona avo araka ny lamin’i Melkizedeka;)

DJS, Hebreo 7:25–26. Ampitahao amin’ny Hebreo 7:26–27

Nanolotra ny Tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’ny fahotantsika i Jesoa.

25 Fa mpisorona avo toy izany no mety amintsika, dia izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota ary natao mpanapaka amin’ny lanitra;

26 Ary tsy mba tahaka ireny mpisorona avo ireny izay nanatitra fanatitra isan’andro, voalohany ho an’ny fahotany, ary rehefa izany dia ho an’ny fahotan’ny vahoaka; fa tsy mila manatitra fanatitra ho an’ny fahotany Izy, satria tsy nahalala fahotana; fa ho an’ny fahotan’ny vahoakany kosa. Ary izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.