Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Hebreo 4


DJS, Hebreo 4:3. Ampitahao amin’ny Hebreo 4:3

Tsy hovonjena ireo izay manamafy ny fony. Hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo ireo izay mibebaka.

3 Fa isika izay mino no miditra amin’ny fitsaharana, araka ny nolazainy hoe: Toy ny efa nianianako tao amin’ny fisafoahako hoe: Raha manamafy ny fony izy ireo dia tsy hiditra ao amin’ny fitsaharako; efa nianiana koa Aho, fa raha tsy hanamafy ny fony izy ireo dia hiditra ao amin’ny fitsaharako; na dia efa voaomana (na vita) hatry ny fanorenana izao tontolo izao aza ny asan’ Andriamanitra.