Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Hebreo 6


DJS, Hebreo 6:1–10. Ampitahao amin’ny Hebreo 6:1–10

Ireo fitsipiky ny fotopampianaran’i Kristy dia mitondra any amin’ny fahatanterahana.

1 Koa sady tsy avelantsika ireo fitsipiky ny fotopampianaran’i Kristy no aoka isika handroso ho amin’ny tanteraka; aoka tsy hataontsika indray ny fanorenan’ny fibebahana avy amin’ny asa maty ary ny an’ny finoana an’ Andriamanitra.

2 Ary ny amin’ny fotopampianaran’ny batisa sy ny fametrahan-tanana ary ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.

3 Ary hanohy hatrany amin’ny tanteraka isika raha avelan’ Andriamanitra.

4 Fa izany dia nataony ho tsy azo tanterahina ho an’ireo efa nohazavaina indray mandeha, sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina,

5 Ary efa nanandrana ny teny tsaran’ Andriamanitra sy ireo herin’ny tontolo ho avy,

6 Ka raha nihemotra indray, ny hohavaozina indray ho amin’ny fibebahana; satria manombo ny zanak’ Andriamanitra indray eo amin’ny hazo fijaliana ary mamela azy halaim-baraka mibaribary.

7 Fa avy ny andro izay hanadiovana amin’ny afo ny tany izay mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ny olona mitoetra eo aminy izay andravahana azy, izay mandray fitahiana amin’ Andriamanitra ankehitriny.

8 Fa izay maniry tsilo sy sogonsongo kosa dia lavina sady akaikin’ny ozona; noho izany izay tsy mamoa voa tsara dia hatsipy any anaty afo; satria ny hiafarany dia ny hodorana.

9 Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.

10 Fa Andriamanitra dia tsy mba tsy marina, noho izany dia tsy hanadino ny asanareo Izy sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany Izy, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.