Ny soratra masina
Mosesy 8


Toko 8

(Febroary 1831)

Naminany i Metosela—Nitory ny filazantsara i Noa sy ny zanakalahiny—Nanjaka ny faharatsiana lehibe—Tsy noraharahaina ny fiantsoana mba hibebaka—Nodidian’ Andriamanitra ny fandravana ny nofo rehetra amin’ny Safo-drano.

1 Ary ny andro rehetra niainan’i Enoka dia telopolo sy efajato taona.

2 Ary ny zava-nitranga dia tsy nalaina i Metosela zanakalahin’i Enoka mba hahatanteraka ireo fanekempihavanan’ny Tompo, izay nataony tamin’i Enoka; fa nifanaiky marina tokoa tamin’i Enoka Izy fa i Noa dia hateraky ny kibony.

3 Ary ny zava-nitranga dia naminany i Metosela fa avy ao an-kibony no hivoahan’ny fanjakana rehetra eto an-tany (amin’ny alalan’i Noa) ary nirehareha ny amin’ny tenany izy.

4 Ary tonga teo amin’ny tany ny mosary lehibe ary nanozona ny tany tamin’ny ozona mahatsiravina ny Tompo ka maro tamin’ny mponiny no maty.

5 Ary ny zava-nitranga dia fito amby valopolo amby zato taona no andro niainan’i Metosela, raha niteraka an’i Lameka izy;

6 Ary ny andro niainan’i Metosela taorian’ny niterahany an’i Lameka dia roa amby valopolo sy fitonjato taona, ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;

7 Ary ny andro rehetra niainan’i Metosela dia sivy amby enimpolo sy sivinjato taona, dia maty izy.

8 Ary roa amby valopolo amby zato taona no andro niainan’i Lameka, raha niteraka zazalahy izy,

9 Ary izy dia nanao ny anarany hoe Noa, sady niteny hoe: Ity zazalahy ity no hampionona antsika amin’ny asantsika sy ny fisasaran’ny tanantsika noho ny tany izay efa nozonin’ny Tompo.

10 Ary ny andro niainan’i Lameka taorian’ny niterahany an’i Noa dia dimy amby sivifolo sy dimanjato taona, ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;

11 Ary ny andro niainan’i Lameka dia fito amby fitopolo sy fitonjato taona, dia maty izy.

12 Ary feno dimampolo sy efajato taona i Noa raha niteraka an’i Jafeta; ary roa amby efapolo taona taorian’izay, dia niteraka an’i Sema tamin’ilay vehivavy renin’i Jafeta, ary nony feno dimanjato taona izy dia niteraka an’i Hama.

13 Ary nihaino ny Tompo i Noa sy ny zanakalahiny ka nitandrina, ary izy ireo dia natao hoe zanak’ Andriamanitra.

14 Ary rehefa nanomboka nihamaro tambonin’ny tany ireo lehilahy ireo ary niteraka zazavavy, dia hitan’ny zanak’olombelona fa tsara tarehy ireo zazavavy ireo ka nalainy ho vadiny araka izay nofinidiny.

15 Ary hoy ny Tompo tamin’i Noa: Ireo zazavavin’ny zanakalahinao dia efa nivaro-tena; fa indro mirehitra amin’ny zanak’olombelona ny fahatezerako, satria tsy te hihaino ny feoko izy ireo.

16 Ary ny zava-nitranga dia mamin’ny i Noa ary nampianatra ny zavatr’ Andriamanitra, dia toy izay efa nisy hatrany am-piandohana.

17 Ary hoy ny Tompo tamin’i Noa: Tsy hiara-miady amin’ny olona mandrakariva ny Fanahiko, satria ho fantany fa ho faty ny nofo rehetra; kanefa dia ho roapolo amby zato taona ny androny; ary raha tsy mibebaka ny olona dia halefako eo aminy ny safo-drano.

18 Ary tamin’izany andro izany, dia nisy teo amin’ny tany ireo olona goavam-be, ary notadiaviny i Noa hanalany ny ainy; saingy niaraka tamin’i Noa ny Tompo ary nomba azy ny herin’ny Tompo.

19 Ary nanokana an’i Noa araka ny laminy ny Tompo ary nandidy azy handeha sy hanambara ny Filazantsarany amin’ny zanak’olombelona, dia toy ny nanomezana izany an’i Enoka.

20 Ary ny zava-nitranga dia niantso ny zanak’olombelona hibebaka i Noa; saingy tsy nohenoin’izy ireo ny teniny;

21 Ary koa, taorian’ny nandrenesan’izy ireo azy, dia tonga teo anoloany izy ireo, nanao hoe: Indro, izahay dia zanak’ Andriamanitra; tsy efa nalainay ho an’ny tenanay va ireo zazavavin’ny olona? Ary moa va izahay tsy mihinana sy misotro ary mampaka-bady sy mamoaka ny ampakarina? Ary miteraka aminy ny vadinay ary ny zanakay dia lehilahy mahery, toy ireo lehilahy fahiny, lehilahy nalaza be. Dia tsy nohenoiny ny tenin’i Noa.

22 Ary hitan’ Andriamanitra fa be ny faharatsian’ny olona teto an-tany; ary ny olona tsirairay dia tafasondrotra tao amin’ny fisaintsainan’ny fony izay tsy inona fa ny ratsy lalandava.

23 Ary ny zava-nitranga dia notohizan’i Noa ny fitoriany tamin’ny vahoaka, nanao hoe: Mihainoa ary mampandria sofina amin’ny teniko;

24 Minoa dia mibebaha amin’ny fahotanareo, ary aoka hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, toy ireo raintsika, dia handray ny Fanahy Masina ianareo, mba hahazoana maneho ny zavatra rehetra aminareo; ary raha tsy manao izany ianareo dia ho tonga aminareo ny safodrano; kanefa dia tsy nihaino izy ireo.

25 Dia azon’ny nenina i Noa ary naharary ny fony noho ny nanaovan’ny Tompo ny olona teto an-tany, ary naratra ny tao am-pony.

26 Ary hoy ny Tompo: Hofongorako eto ambonin’ny tany ny olona izay efa nohariko, na olona na biby, sy ny zava-mandady ary ny voron’ny habakabaka; fa manenina i Noa noho ny efa nahariako azy ireo sy noho ny efa nanaovako azy ireo; ary efa niantso Ahy izy; fa efa nikatsaka ny hanala ny ainy izy ireo.

27 Ary dia toy izany no nahitan’i Noa sitraka teo imason’ny Tompo; fa lehilahy marina i Noa ary fanaperana teo amin’ny taranany; ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra izy, ary toy izany koa no nataon’ireo zanany telo lahy, i Sema, i Hama ary i Jafeta.

28 Ratsy ny tany teo anoloan’ Andriamanitra, sady feno herisetra.

29 Dia nijery ny tany Andriamanitra ka hitany fa ratsy izany fa samy efa nania tamin’ny lalany avy ny nofo rehetra teto an-tany.

30 Ary hoy ny Tompo tamin’i Noa: Ny fiafaran’ny nofo rehetra dia efa tonga eo anoloako, fa feno herisetra ny tany, ary indro hofongoriko eto ambonin’ny tany ny nofo rehetra.