2010
I Jesoa Kristy, Ilay Tena Namantsika
Jolay 2010


Ho an’ny Ankizy

I Jesoa Kristy, Ilay Tena Namantsika

Nolazain’ny Filoha Eyring fa tena namantsika i Jesoa. Ireto misy fomba hampisehoan’i Jesoa ny finamanany tanteraka amintsika.

Mitady ny tsara indrindra ho antsika Izy.

Faly Izy rehefa faly isika.

Malahelo Izy rehefa malahelo na ory isika.

Nibaby ny otantsika Izy mba hahafahantsika hiverina any amin’ny Ray any an-danitra.

Fanekena ho Namana ho an’i Jesoa

Nilaza ny Filoha Eyring fa afaka ny ho naman’i Jesoa isika amin’ny alalan’ny finamanantsika amin’ny hafa ho Azy. Ataovy sary ireto fomba efatra ahafahanao ho lasa namana ireto.

Afaka manampy olona iray izay malahelo ianao.

Afaka minamana amin’ny olona iray izay manirery ianao.

Afaka manasa olona iray ho tonga ho any am-piangonana ianao.

Afaka mahatsiaro foana an’i Jesoa ianao.