2010
Manamafy Orina ny Fianakaviana sy ny Tokantrano
Jolay 2010


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jolay 2010

Manamafy Orina ny Fianakaviana sy ny Tokantrano

Halalino ity hafatra ity ary resaho miaraka amin’ireo rahavavy izay vangianao izany araka izay maha-mety azy. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampiana anao hanamafy orina ireo rahavavinao sy hampahatonga ny Fikambanana Ifanampiana ho lafiny iray manan-danja eo amin’ny fiainanao manokana.

Avy ao amin’ny Soratra Masina: Genesisy 18:19; Môsià 4:15; F&F 93:40; Mosesy 6:55–58

Manamafy Orina amin’ny Fotoana Rehetra

“Samy hafa ny toe-javatra iainantsika tsirairay ao amin’ny fianakaviana. Ny fianakaviana sasany dia ahitana ray sy reny ary zanaka ao an-tokantrano. Ny mpivady sasany dia tsy manan-janaka intsony ao an-trano. Maro ireo mpikamban’ny Fiangonana no mpitovo ary ny sasany dia ray na reny mpitovo. Ny hafa dia lehilahy na vehivavy mananotena izay mipetraka irery.

“Na manao ahoana na manao ahoana ny endriky ny fianakaviantsika dia azontsika tsirairay atao ny manamafy orina ny fianakaviantsika manokana na manampy amin’ny fanamafisan’orina ny an’ny hafa.

“[Indray mandeha] aho tany an-tranon’ny zanaky ny mpiray tampo amiko sy ny fianakaviany. Tamin’io hariva io talohan’ny nandehanan’ny ankizy natory dia nanao takarivan’ny mpianakavy fohifohy izahay ary nihaino tantara iray tao amin’ny soratra masina. Notantarain’ny rain’izy ireo ny momba ny fianakavian’i Lehia ary koa ny fomba nampianarany ny zanany mba hihazona mafy ny anja-by, izay ny tenin’Andriamanitra. Ny fihazonana mafy ny anja-by dia hiaro azy ireo sy hitondra azy ireo any amin’ny fifaliana sy haravoana. Raha avotsotr’izy ireo ny anja-by dia mety hilentika ao anatin’ilay renirano maloto izy ireo.

“Mba hampisehoana izany amin’ny zanany dia ny renin’izy ireo no lasa ‘anja-by’ izay tsy maintsy hazoniny, ary ny rainy no nilalao ny anjaran’ny devoly, izay miezaka ny misintona ireo ankizy hiala amin’ny fahazoana fiarovana sy fifaliana. Tian’ireo ankizy ilay tantara ary nianatra ny lanjan’ny fihazonana mafy ny anja-by izy ireo. Taorian’ny fihainoana ilay tantara ao amin’ny soratra masina dia tonga ny fotoana hanaovana ny vavaky ny mpianakavy. …

“Ny soratra masina, sy ny takarivan’ny mpianakavy ary ny vavaky ny mpianakavy dia hanampy ny fianakaviana ho mafy orina. Mila manararaotra ny fotoana rehetra isika hanamafisan’orina ny fianakaviana sy hifanohanana mba hijanonana eo amin’ilay lalana marina.”1

Barbara Thompson, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Inona no Azontsika Atao?

  1. Inona avy ireo hevitra momba ny fanamafisan’orina ny fianakaviana sy ny tokantrano izay hozarainao amin’ireo rahavavy? Rehefa mandinika ny zavatra iainany manokana ianao dia afaka mitondra hevitra ao an-tsainao ny Fanahy.

  2. Inona avy ireo laharam-pahamehana azonao ovaina amin’ity volana ity mba hanamafisan’orina tsara kokoa ny fianakavianao sy ny tokantranonao manokana?

Avy amin’ny Tantarantsika

Efa hatrany am-piandohana ny Fikambanana Ifanampiana no nomena andraikitra mba hanamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano. Ny Mpaminany Joseph dia nampianatra ireo rahavavy nandritra ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana tany am-piandohany hoe: “Rehefa mody ianao dia aza manao teny ankatezerana na manao teny maharary amin’ny vadinao, fa aoka kosa ny hatsaram-panahy sy ny fiantrana ary ny fitiavana no handravaka ny raharahanao manomboka izao.”2

Tamin’ny 1914, dia hoy ny Filoha Joseph F. Smith tamin’ny Fikambanana Ifanampiana hoe: “Na aiza na aiza ahitana tsy fahalalana na tsy fahampian’ny fahatakarana fotsiny momba ny zavatra mahakasika ny fianakaviana, … dia eo ity fikambanana ity na tena akaiky, ary amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavana voajanahary sy fitaomam-panahy izay an’io fikambanana io dia voaomana sy vonona ny hizara torolalana mahakasika ireo andraikitra manan-danja ireo izy.”3

Fanamarihana

  1. Barbara Thompson, “Ampy Antsika ny Sandriny,” Liahona, Mey 2009, 83.

  2. Enseignements de Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 369.

  3. Enseignements de Présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith (1998), xiv, 21–22.